Fanamafisana ny fampandraisana anjara ireo sehatra rehetra, mba hisian ’ny fandriampahalemana sy filaminana eny ifotiny

Fanamafisana ny fampandraisana anjara ireo sehatra rehetra, mba hisian ’ny fandriampahalemana sy filaminana eny ifotiny


Date: May 23, 2015
  • SHARE:

Mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra eo amin ’ny ady amin ’ny herisetra dia maro ireo paikady efa napetraka hiadiana amin ’ny herisetra. Fanofanana ireo tanora sy fiaraha-miasa eo anivon ’ny kaominina sy ny fokontany ary ny fiangonana. Izany no natao dia mba hahafahana mampivelatra ny fomba iray hanantonana bebe kokoa ny sarambabem-bahoaka ka ahafahana mampita hevitra sy ho fandresen-dahatra azy ireo ho sahy hiseho sehatra eo anivon ’ny mpitondra ara-panjakana sy ara-drazana ary ireo sampan-draharaha samy hafa hiara-miasa amin ’ny ady amin ’ny herisetra toy ny: fitsarana, fahasalamana, filaminana( zandary) ary ny fampianarana. Noezahana araka izany ny fanatonana azy ireo ifotony mba hahafahana mifanakaiky bebe kokoa. Natao araka izany ny faomoriambahoaka hafahana mampafantatra azy ireo voalohany indrindra dia henjehin ’ny lalana ny fanaovana ny herisetra ka raha misy olona hiaran ’izany dia nambara tamin ’izy ireo fa misokatra ho azy ny varavarana ami ’ny fotoana rehetra, nampafantarina azy tam ’izany koa ny atao hoe herisetra mbola maro mantsy ny ireo mievitra indrindra fa ny lehilahy dia sahy milaza fa rehefa vadiny ny vehivavy iray dia ananany zo feno eny fa nadia hatramin ’ny fikasian-tanana aza;Misy iany koa ireo mievitra fa rehefa zanany naterany dia hananany fahefana ny fikapoana tsy ara-drariny amin ’io zanany io; izany indrindra no nahatonga anay nidina hifotony ho fapafahantarana azy ireo arak any lalÁ na ny lalana tokony izorana.


Download : 20869_mainapplicationendinggbvpost2015ble-velosoa-julien-victor.docx

Comment on Fanamafisana ny fampandraisana anjara ireo sehatra rehetra, mba hisian ’ny fandriampahalemana sy filaminana eny ifotiny

Your email address will not be published. Required fields are marked *