![Mobile Menu](https://genderlinks.org.za/wp-content/themes/CSI/images/mobile-button.png)
SHARE:
Ny tetik ’asa momba ny fatana mitsitsy dia mifototra amin ’ny tanjona efatra lehibe:
– Ara-tsosialy: milamina ny tokan-trano, tsy misy intsony ny heriserra mahazo ny vehivavy, teny mahery satria mandray anjara mivantana amin ’ny tetik ’asa izy.
– Ara-tontolo iainana: voakajy ny tontolo iainana satria tsy mikapa hazo atao kitay intsony rehefa hanamasaka ny fatana fa akofam-bary indray no mpiasaina ho solon ’io kitay io.
– Ara-toekarena: Mihatsara ny fidiram-bola ao an-tokatrano; mitombo ny famokarana fatana satria tsy ny lehilahy irery intsony no mamokatra ilay fatana fa eo koa ny vehivavy manampy azy amin ’ny fotoana voalamina. Misy arak ’izany ny fitsinjarana asa hatrany amin ’nyfitiliana ny tanimanga tsara ampiasaina ka miafara amin ’ny fivariotana ny fatana mitsitsy vita.
– Ara-kolotsaina: misy fampianarana azo tsoahina amin ’ity tetik ’asa ity satria ny akora fototra ampiasaina amin ’izany dia vy eto an-toera na avokoa ka ny tanora lahy sy vavy deia afaka miantsehatra amin ’izany. Tsy fatana mitsitsy ihany no azo atao amin ’ny tanimanga fa azo atao koa ny mitrandraka zavatra hafa toy ny lafaoro, vazy, sinibe, lovia vita amin ’ny tanimanga (objets en porcelaine); fa ilaina kosa fiaraha-miasa amin ’ny fitondram-panjakana eo amin ’ny famatsiam-bola.
Download : 20663_mainapplicationclimatechangepascaline-ravoniarisoa-ratsaraibe.docx
📝Read the emotional article by @nokwe_mnomiya, with a personal plea: 🇿🇦Breaking the cycle of violence!https://t.co/6kPcu2Whwm pic.twitter.com/d60tsBqJwx
— Gender Links (@GenderLinks) December 17, 2024
Comment on Fanatsarana ny foto-drafitrasa: fanamboarana sy fampiasana fatana mitsitsy miatrika ny fiovaovanny toe-trandro taratry ny mira lenta