Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra


Date: May 23, 2015
  • SHARE:

Ny zavatra nokendrena hotratrarina dia ny hahafantaran ’ ny olona eny anivon ’ny fokontany sy ny fiaraha-monina manodidina ny miralenta sy ireo karazana herisetra mihatra eo anivon ’tanora indrindra ny vehivavy, ary mba hampihenÁ na ny tahan ’ny ny herisetra misy eny anivon ’ny anjery manontolo sy eny amin ’ny sehatra samihafa (asa sosialy,fampandrosoana …),natao handresena lahatra ny lehilahy ihany koa mba handray anjara mavitrika amin ’ny fampanjakana ny miralenta sy ny ady amin ’ny herisetra mianjady amin ’ny vehivavy, ary hahafantaran ’ny tanora sasany ny karazana herisetra misy sy ny fiantraikany eo amin ’ny fampandrosoana sy ireo olana fototra mahatonga ny herisetra, ary ny fikaroham-bahaolana manoloana izany, tanjona ihany koa ny hampiely ny fanentanana eny amin ’ny tontolo ambanivohitra sy ny hahafantaran ’ny tantsaha bebe kokoa ny mikasika ny miralenta sy ny herisetra mianjady amin ’ny vehivavy, nokendrena koa ny fampandraisana andraikitra ny tanora eo amin ’ny asa fampandrosoana mba hisian ’ny ny fifandanjan ’andraikitra eo amin ’ny roa tonta, ao anatin ’izany ihany koa ny fanovÁ na ny fomba fisainan ’ny fiaraha-monina hijery sy hanaja ny zo fototra ananan ’ny vehivavy, hampihenÁ na ihany koa ny isan ’ireo tanora mizaka ny vokadratsin ’ny herisetra eny amin ’ny fokontany sy ny fiaraha-monina, entina ihany koa hanairana ny fitondram-panjakana ihany koa hijery akaiky ny olana mahazo an ’ireo tanora iharan ’ny herisetra ary ihany koa hanasazy ireo izay manao herisetra, na minia manao tsinontsinona ny lalÁ na mifehy ny miralenta, kendrena ny famphihenÁ na amin ’ny antsasany ny tahan ’ny herisetra mianjady amin ’ny vehivavy ary hanafoanana ny tanora mizÁ ka ny fiantraikan ’izany herisetra izany, izany no tanjona fototry ny tetikasa, fiadiana amin ’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny tanora miainga avy any ifotony sy eny anivon ’ny sehatra maro (asa,fianarana …)


Download : 20875_mainapplicationendinggbvpost2015-josea-herinirina.docx

Comment on Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra

Your email address will not be published. Required fields are marked *

Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra

Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra


Date:
  • SHARE:

Rehefa nanao fanadihadihana teny ifotiny izahy dia hita fa ny vehivavy marofy sy mahantra ary ny ankizivavy no tena ianjadian ’ireo karazana herisetra ireo. Ka ny maha zava-dehibe an ’ilay olana itako dia noho izy io vokatry ny tsy fahampian ’ny fahalalalan ’ireo niaram-boina sy noho ny fanararaotan ’ireo mahalala sy mahery;ka toizao ny fizotrany zany disadisa izany
80% n ’ireo niresahana dia manana olana avokoa eo anivon ’ny fiarahamonina sy ny mpiarabelona ary ny 56% amin ’izy ireo aza dia mihevitra fa ny lehilahy loham-pianakaviana fa izay ataony dia ankatoavina avokoa eo anivon ’ny tonkatrano. Ka izany rehetra izany no nana mafy orina ny fikambanana mba anatsarana sy hisian ’ny filaminana eo amin ’ny mpiara-belona dia notanteraina ny tetik ’asa mba hanatratrarana ny tanjona dia ny mba hampienana ny disadisa eo anivon ’ny fiarahamonina sy ny mpiarabelona
Toy izany iany koa ny fatana ny olona manantona ny foibe izay hita fa mitombo isanandro dia mahonena no mijery ny olona mitaraina tsy hilaza hafa tsy ny zava nisy nandritra ny efatra taona nifanesisesy tao amin ’ny foibe ny olona nandalo tao: ny taona 2009 dia nahatratra 328, ny taona 2010 dia nahatratra 558, ny taona 2011 nahatratra 840, ny taona 2012 nahatratra 1121 izany dia manamarina fa mijaly ny mpiarabelona tsy sahy mitaraina , ary tsy sahy miseho sy maneho ny zavatra mahazo azy, arak ’izany dia natao mafy ny fandraisanay andraikitra mba hahamaro ny olona tsy hanafina intsony ny sindriazolena mahazo azy, ary mba afahana mampiena ny disadisa miseo eny anivon ’ny mpiarabelona,
Teo iany koa ny fanehoana fahefana izay ataony ireo manam-pahefana na ireo manankatao izay tsy mijery ny vahoaka madinika miaina ao anaty fangirifiriana tanteraka; toy ny fanaovana tsinontsinona azy ireo amin ’ny fananany sy ny fiainany, ka matonga tsy fahalavorariana ny fiainana, izany rehetra izany no mahatonga anay mijery mafy eny hifotony mba handravonana ireo disadisa sy hampienana ny herisetra miseo isankarazany ireo


Download : 20873_mainapplicationendinggbvpost2015dianela-eliasy-cinna.docx

Comment on Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra

Your email address will not be published. Required fields are marked *