Madagascar: Analavory; ” Fiarovana ny sahandriaka sy lemaka voatondraka “


Date: August 23, 2018
  • SHARE:

Ny fiarovana ny sahandriaka sy lemaka voatondraka dia fiarovana ny tontolo iainana noho ny tondra-drano na ny hai-tany sady fampakarana ny taham-bokatra .

Fanajariana no fikojana ny tany sy ny zavaboahary .

Fampifandanjana ny fitombon’ny mponina sy ny vokatra vokarina.

Fiarovana ny tontolo iainana

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Ady amin’ny doro-tanety

Voly hazo

Fandriampahalemana

Asa

Serasera (SADC, ODD)

Fanaovana drafitrasa mifanaraka amin’ny PCD

Fandrafetana PTA

Fanaovana aro afo

Fambolena hazo

Fanaovana voly manaraka tsipika (courbe de niveau)

Fanaovana aro-riaka

Fanokafana sy fisavana ny tatadrano manodidina ny lemaka mba hiarovana ny riaka sy ny antsanga ary ny fasika tsy hanototra ny tanimbary

Fitadiavana tohana sy mpiara-miombonantoka

Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny 170 ny olona nahazo tombotsoa; Eo amin 70% eo no ho eo ny vehivavy amin’ireo

156,25 USD ny tetibola mahaleotena momba ny Miralenta, 10 680,2 USD ny avy amina fandaharan’asa efa misy, 45.986,71USD avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. 56 812,55USD izany no tetibola nilaina nanatanterahana ny tetikasa.

Atontan’isa : fihenan’ny doro-tanety 70 %

Fiakaran’ny vokatra : 3t/ha lasa 5t na 6t/ha

Fari-piainan’ny mponina (miakatra)

Mianatra ny ankizy

Salama

Milamina

Foana ny herisetra

Fomba fanaraha-maso sy tombana nampiasaina mba handrefesana ny fahombiazan’ilay tetikasa : Drafitrasa, PTA, vina, tanjona, tarehi-marika.

Maro ny olana nosedraina tamin’ny fanantanterahana ny asa : tao ny famolavolana ny atonta-taratasy fangatahana isan’ambaratonga . Tao ny fitadiavana mpira-miombon’antoka , ny fanagonana ny anjara-biriky ny mpahazo tombotsoa .Nisy ny havizanana sy ny harerahana , ny fahasahiranana …

Ny namahana ny olana dia ny firaisan-kina vokatry ny fanentanana araky ny ohabolana :”tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto “. Teo koa ny serasera nanamora ny fahitana mpiara-miombon’antoka.

Nisy fiovana teo amin’ny fifandraisan’ny mpivady sy fianakaviana ny asa natao satria “ ny enta-tsinjarai-mora zaka “. Nanamora sy nanamaivana ny fahasahiranana teo amin’ny tokantrano ny fiaraha-miasa . Nisy firaisan-kina , fifankazahoana am-po teo amin’ny mpivady sy ny fifandraisan’ny zanaka sy ny ray aman-dreny , araka ny ohabolana manao hoe “” ny iray vatsy hono iray aina , ny iray donakafo iray petsapetsa “ .

Ny fiovana nisy teo amin’ny fiarahamonina taorian’ny fanatanterahana ny teti-kasa di any fandrosoana . Nitombo ny mponina ,voaaro ny tontolo iainana ,mitombo ny vokatra , mamokatra ny tany ,nandeha ny tsena ,nahazo fahalalana ny vavy sy ny lahy tamin’ny fiofanana teo amin’ny fandraharahana . Salama ka afaka miasa ;milamina ny tanàna , foana ny hala-botry .”Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony “.

“Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka “.

Ezaka tokony hatao mba hanohizana sy hanamafisana ny vokatra efa azo : fanitarana ny tetikasa, fanamafisana ny fahaiza-manao, mifanakalo traik’efa, fananana drafitrasa, fiaraha-miasa .

Fandraisana andraikitra

Asa tokony hatao mba hifampizarana traikefa amin’ny fikambanana hafa : fifanakalozana, fiofanana, fanatsrana ny serasera, fiaraha-miombon’antoka.


Comment on Madagascar: Analavory; ” Fiarovana ny sahandriaka sy lemaka voatondraka “

Your email address will not be published. Required fields are marked *