SHARE:
Ahitana mponina miisa 23 300, ny Kaominina ambanivohitra Andramasina dia mirefy ary misy fokontany miisa 10. Eo amin’ny lafiny foto-drafitr’asa, ny Kaominina dia manana toeram-pitsaboana ho an’ny daholobe 3, sekoly ambaratonga voalohany miisa 11, sekoly ambaratonga faharoa 3. Ny fiveloman’ny mponina amin’ny ankapobeny dia mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana. Ambonin’izany, Andramasina dia mamatsy legioma sy voankazo ny renivohitra.
Fanaovana atrikasa fiarovana ny zaza, nanangana “Reseau de Protection de l’Enfant niaraka tamin’ny MinPop, tao amin’ny
biraom-pokontany Andramasina no nanaovana izany tamin’ny Novambra 2016.
Fankalazana 8 mars niarahan’ny Vehivavy sy ny Miralenta, nanentana ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy sy fanazavana ny atao hoe Miralenta. Tao Ampilanonana Andramasina tamin’ny 08 Martsa.
Atrikasa ady amin’ny Fampanambadiana zaza tsy ampy taona izay natrehan’ny herivelona rehetra, tao amin’ny biraom-pokontany no nanaovana izany ny volana Novambra.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no : Fanana rafitra fikaonan-doha ifotony; Fampiroboroboana ny fambolena:fanamboarana ireo barazy samba; Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro:fambolen-kazo miaraka amin’ny AFIBERIA; fametrahana ECO-CANTINE amin’ny EPP 10 iarahana amin’ny ONG HARENA MANASOA; Fanomezan-danja ny MIRALENTA eo amin’ny asa atao ho an’ny vahoaka eo anivon’ny Kaominina: fanaovan-dalana.
Mahazo tombontsoa amin’ny fandaniana ataon’ny Kaominina na ny lahy na ny vavy: fambolen-kazo, Karatany faobe (ARSF,AFIBERIA) ,fanaovana tetezana(FID,Ministère de l’agriculture.
FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018
Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran’ny vahoaka | $ 0 | $ 0 |
Teti-bola natokan’ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin’ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 8 180 | $ 10 000 |
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin’ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 17 968 | $ 17 271 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan’ny toe-trandro handraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara | $ 9 375 | $ 0 |

Miisa 30 ny tsenan’ny Kaominina ka 22 no tantanan’ny vehivavy, ka 1 vehivavy sembana
Tsy hoe natokana ho an’ny vehivavy irery ny tetik’asa misy fa andraisany anjara feno ka eo amin’ny 50% ny vehivavy ao anatin’ireo tetik’asa ireo.
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Andramasina.
Comment on Madagascar: Commune Rurale Andramasina