SHARE:
Ny kaominina ambanivohitr’i Anjinjaomby dia ao amin’ny faritra SAVA, 30 kilometatra miala ny distrikan’i Sambava. Miisa 8.740 ny mponina ary mirefy 224 km², malaza amin’ny famokarana vanille. Raha mikasika ny fanabeazana, ny kaominina dia manana sekoly ambaratonga voalohany 1, sekoly ambaratonga faharoa 1 ary “Lycée” 1
Fametrahana komity ny miralenta ataon’ny ny kaominina ka hahazoan’ vehivavy, ny lehilahy, ny olona manana fahasembanana ary ny tanora tombontsoa eo amin’ny asa atao. Fiarahamiasa amin’ny EXOTIC, HENRI FRAISE, FNUAP, POPULATION, GENDER LINKS, MAHEFA MIARAKA.
Fanaovana sekoly, hopitaly, Asa-tanana. Fanatsarana ny fambolena.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no: Nanentanana ny vahoaka handray anjara amin’ny fampandrosoana fanatanterahana 16 days,nanarenana tranon-tsekoly, nampidirana mpiasa, nanao fanisam-bahoaka , nanatsarana ny rano fisotro,nanarenana tranom-pokonolona , nanentanana vahoaka eo amin’ny fampidirana miralenta eo amin’ny asa ataon’ny kaominina, ary farany fampahefana ny vehivavy eo ara toe-karena.
Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran’ny vahoaka | $ 300 | $ 625 |
Teti-bola natokan’ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin’ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 0 | $ 0 |
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin’ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 0 | $ 260 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan’ny toe-trandro handraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara | $ 0 | $ 468 |

Manana tsenam-barotra roa ny kaominina ka ny fanomezana tombotsoa ny olona izay afaka manao asa fivarotana na lahy na vavy ny tena maro, mihoatra ny 60% ny vehivavy
Fikambanana miavotena izay nanao asa fandrariana ka iarovana ny tontolo iainana sy fampanana’asa hoan’ny vehivavy tsy ankanavaka na ny ao anaty fikambanana na ivelany ary anisany voalohany avy taty amin’ny faritra SAVA solontenan’ny faritanin’Antsiranana ny fifaninanana taona2018 izay nikarakarain’ny ministeran’ny mponina.
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Anjijaomby.
Comment on Madagascar: Commune Rurale Anjinjaomby