Madagascar: Commune Rurale de Ramena


Date: August 18, 2018
  • SHARE:

Ny kaominina ambanivohitr’i Ramena dia 19 kilometatra miala an’i Diégo Suarez, any avaratr’i Madagasikara. Ny isam-ponina dia 11.225 ary mirefy 105 km² ny tanàna; Mizara ho Fokontany dimy (tanàna kely) ny kaominina, manana sekolim-panjakana dimy, sekoly fampianarana ankapobeny iray ary toeram-pitsaboana iray. Ny ankamaroan’ny mponina dia mivelona amin’ny fanjonoana sy ny fizahan-tany. Ivon-toerana Mendrika hatramin’ny taona 2014, ny kaominina dia eo am-panatanterahana ny drafitr’asa Miralenta sy ady amin’ny herisetra.

Ireto manaraka ireo ny zava-bitan’ny kaominina momba ny Miralenta

  • Fanavaozana ny Biraon’ny Kaominina tamin’ny taona 2016 ka nifarana ny taona 2017
  • Fanamboarana ny trano ipetrahan’ny mpampianatra satria tsy manana trano ipetrahana ny mpampianatra avy any lavitra, tao andavakoera no nanaovana ny asa tamin’ny 2017
  • Fitokanana sekoly vaovao mba itsinjovana ny hoavin’ ny zaza. Fokontany ankorikahely no nanaovana ny asa, kaominina ambanivohitra Ramena tamin’ny taona 2018

Momba ny drafitr’asa Miralenta sy ny ady amin’ny herisetra:

  • Misy ny fanentanana ataon’ny komity Miralenta isam-pokontany, nampahafantatra ny rehetra ny fisian’izany sy ny tombotsoa tokony ho azo amin’izany.
  • Misy ihany koa ny fanarahamaso ny fampiharana ny Miralenta eo anivon’ny kaominina

FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018

Karazany Teti-bola 2017 Teti-bola 2018
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran’ny vahoaka $ 312,5 $ 375
Teti-bola natokan’ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin’ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana $ 0 $0
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin’ny Miralenta ary ny tolo-bidy $ 0 $ 0
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan’ny toe-trandro handraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara $ 0 $ 0

Eo amin’ny lafiny asa fandraharahana, eo amin’ny tsena dia ny vehivavy no maro anisa nahazo tombotsoa, tsy vitsy anisa amin’izany koa ny tanora lahy sy vavy

Misy ny fanomezana toerana malalaka mba ahazoan’ny sokajin’olona tsirairay tombotsoa

Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Ramena.


Comment on Madagascar: Commune Rurale de Ramena

Your email address will not be published. Required fields are marked *