
SHARE:
Ny tanànan’i Sabotsy Namehana dia 20 km miala an’ Antananarivo renivohitra. Ny tanàna dia fanta-daza amin’ny tsenam-barotra lehibe. Ny ankamaroan’ny mponina ao dia miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy mpiasam-panjakana avokoa. Ny kaominina dia nanaraka ny dingana rehetra ao amin’ny maha-ivon-toerana mendrika ary efa manana drafitr’asa momba ny Miralenta sy ny ady amin’ny herisetra.
Fananganana ivon-toerana fampiofanana arak’asa ho an’ny vehivavy satria marefo ny fidiram-bola nohon’ny tsy fahampian’ny kalitao, tsy fifehezana ny asa, tsy fahampian’ny serasera. Noho izany raha ara-toekarena ny fahamaroan’isan’ny vehivavy dia lasa vesatra. Izany no anisan’ny antony nananganana ny ivon-toeram-pampiofanana ho fanatsarana ny lafiny ara-toekarena izay andraisan’n’y vehivavy anjara. Fokontany Antsofinondry, Kaominina Sabotsy Namehana no nanaovana ny asa tamin’ny Alakamisy 07 Desambra 2017.
Famoriana ireo mpivarotra rehetra mpahazo tombotsoa amin’ny fanamboarana tsena, nampahafantarina azy ireo ny tombotsoa azo amin’ny toeram-pivarotana vaovao ary tsy hanavahana na lehilahy na vehivavy. Fotodrafitrasa izay manome lanja ny miralenta. Ny antony nanaovana ny asa dia fanatsarana ny tolotra sy ny tinady. 75%n’ny mponina dia tantsaha avokoa. Fanatsarana ny tsenam-bokatra, mampitombo ny mpiatsena. Fandraisana anjaran’ny kaominina amin’ny fampandrosoana ny toe-karena ifotony izay manome lanja ny miralenta. Tao amin’ny salle polyvalente Antapotsena Sabotsy Namehana no nanaovana ny asa ny alakamisy 28 desambra 2017.
Mihaino ny tantaram-piainan’ izay iharan’ny herisetra mba ho fanafahana ny vehivavy amin’ny gejan’ny herisetra. Ao amin’ny birao kaominina Sabotsy Namehana no fanaovana izany, varavarana faharoa.
FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018
Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran’ny vahoaka | $ 3 125 | $ 1 531 |
Teti-bola natokan’ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin’ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 92 802 | $ 74 567 |
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin’ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 101 161 | $ 25 135 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan’ny toe-trandro handraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara | $ 1 875 | $ 2 031 |
Ny tsena na ny toeram-pivarotana dia tsy nanavahana lahy sy vavy na tanora fa samy nomena tombon-tsoa ary nampitoviana. Ohatra: ny habehan’ny latabatra hivarotana.
Momba ny tetikasa ara-toekarena natokana ho an’ny vehivavy, tanora sy sembana: Fananganana tsena ho an’ny vokatry ny fiompiana sy ny fambolena; Fananganana ivotoerana fampiofanana ara-kasa ho an’ny vehivavy; Fananganana tsena ho an’ny taozavatra; Famatsiana fitaovam-piasana ho an’ny vehivavy toy ny milina fanjairana, lafaoro, vata fampangatsiahana, lasitra isan-karazany.
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Alakamisy Itenina.
Comment on Madagascar: Commune Rurale de Sabotsy Namehana