Madagascar: Commune Urbaine Amboasary Sud


Date: August 17, 2018
  • SHARE:

75 Km miala ny renivohitry ny faritra Anosy (Fort Dauphin) no ahitana ny kaominina Andrenivohitry Amboasary Atsimo. Manana velerantany 463 km ² izy. Mihoatra ny 32  411 ny mponina ao aminy . Ny lalana kominaly kosa dia mirefy 83 km. Eo amin’ny resaka fahasalamana dia misy CHD 1 sy CSB II iray eny an-toerana. Eo amin’ny resaka fampianarana dia misy sekoly mihisa 19 ny kaominina Amboasary Atsimo ka tafiditra ao anatin’izany ny miankina sy ny tsy miankina rehetra. Eo amin’ny lafiny fambolena dia mampiavaka ny Kaominina ny fambolena hazo ary anisany mampidi-bola be ny kaomina amin’ny alalan’ny hetran-tany satria ny kaominina dia tsy maka tamberim-bidy amin’ny vokatra rehetra mivoaka eo an-toerana hatramin’izao.

Tombony manokana ho an’ny Kaominina Amboasary ny fananany vehivavy Ben’ny Tanana. Amin’ny maha ivon-toerana mendrika azy dia manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina. Tao anatin’izany drafitr’asa izany ny fananganana komity Miralenta ary tafa-tsangana izany. Andraikitr’ireo komity ireo ny nampahafantatra ny vahoaka ny fisian’izany drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra izany. Anjara andraikitr’io komity io ihany koa ny fanaraha-maso ny asa atao rehetra.

Mba ho fampivoarana ny fiainan’ny vehivavy dia nahazo tombontsoa manokana izy ireo tamin’ny foto-drafitr’asa izay nataon’ny kaominina ( Tsena) satria di any 50% amin’izany tsena izany dia natolotra manokana ho an’ny vehivavy.

Ny kaominina koa dia minjinjo manokana ireo vehivavy manana tetik’asa mati-paika ary manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fanomezana tany mba ahafahan’izy ireo manatan-teraka izany teti-kasa izany.

Mandritry ny fotoana fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy na koa andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra dia fanaon’ny komity miralenta no mitondra takelam-panentanana mamakivaky ny Tànana ary koa manao fandraharana andrasin’ny rehetra anjara mba ho fahampafantarana ny vahoaka ny Zon’ny vehivavy sy ny ady atao mba hiarovana amin’ny herisetra .

02/07 ny vehivavy mpanolo-tsaina eo amin’ny kaominina. Rah any isan’ny mpiasa kosa dia 56 ka ny 22 amin’izany dia vehivavy daholo. 13 no isan’ny mpanatanteraka k any 10 amin’izany dia vehivavy daholo.

FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018

Karazany Teti-bola 2017 Teti-bola 2018
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran’ny vahoaka $ 0.00 $ 0.00
Teti-bola natokan’ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin’ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana $ 2 000 $ 2 000
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin’ny Miralenta ary ny tolo-bidy $ 0.00 $ 0.00
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan’ny toe-trandro handraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara $  0.00 $ 0.00

Anisian’ireo hetsika fanaon’ny kaominina ny fanentanana ny vahoaka momba ny zon’ny vehivavy ary koa ny ady amin’ny herisetra. Aminin’izao fotoana izao dia anisany mandray anjara ny vehivavy aminin’ny fivoriana rehetra ary raisa ny hevitr’izy ireo.

Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Amboasary .


Comment on Madagascar: Commune Urbaine Amboasary Sud

Your email address will not be published. Required fields are marked *