
SHARE:
Betioky sud dia isan’ireo distrika 9 mandrafitra ny faritanin’ny Toliara. Manana velaran-tany 354 Km2izy izay misy mponina 30 371 ka 13 559 amin’izany dia lehilahy ary 16 849 vehivavy. Mizara ho fokontany 27 ny kaominina.
Manana sekoly fanabehazana fototra izy ary sekoly ambaratonga faha roa iray. Efa hatramin’ny 2013 izy no isan’ireo ivon-toerana mendrika.
Aminin’ny hafa ivon-toerana mendrika an’ny kaominina Betioky sud dia manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra izy. Anisan’ny nanamarika izany ny fankalazany ny andro manokana ho an’ny vehivavy ny taona 2018 ity. Nanao hetsika lehibe ireo fikambanam-behivavy eto anoloan’ny biraon’ny distrika ka ny kaominina no nanao fandaminana nandritra izany hetsika izany.
Hezaka ataon’ny kaominina ny fangaharahan’ny fitantanana ka nanao fampianarana manokana momba ny fitantanana ny kaominina mba ahazo tombony amin’izany ny vahoaka na lahy na vavy ary mba hitsian’ny fifam-pitokisana amin’ny vahoaka sy mpitondra.
Tamin’ny fivoriana monisipaly dia nampahafantarina manaokana tamin’izany ny mba hanakonana sola-bola manokana ho an’ny Miralenta ary nojerena manokana koa ny sora-bola momba ny sosialim-bahoaka.
Na dia tsy manana mpanolo-tsaina vehivavy ary ny kaominina amin’ireo mpanolo-tsaina 9 dia mijery tanteraka ny miralenta izy ireo amin’ny fanapahan-kevitra raisina rehetra.
Amin’ny fivoriam-pokonolona dia manodidina ny 26% ka 50% ny tahan’ny vehivavy tonga manatrika ary mandray anjara amin’ny fitenena izy ireo ary koa amin’ny fanapahan-kevitra.
11/39 ny tahan’ny vehivavy miasa eo anivon’ny kaominina ka 14 amin’ireo dia tanora avokoa. Marihina kosa fa tsy misy sembana ny mpiasan’ny kaominina. Aradalana avokoa ireo mpiasa ireo ary kaominina dia mihay azy ireo ary mandrotsaka ara-dalana ny ampahany any amin’ny CNAPS.
FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018
Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran’ny vahoaka | $ 375 | $ 625 |
Teti-bola natokan’ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin’ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 580 | $ 125 |
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin’ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 0.00 | $ 0.00 |
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan’ny toe-trandro handraisan’ny sokajin’olona rehetra anjara | $ 0.00 | $ 0.00 |
Mitohy ny fandraisan’andraikitry ny kaominina amina=’ny asa fanentanana ka an’izan’izany ny fandraisana anjara fitenenana nanentana ny rehetra nandritra ny fanakalazana iraisam-pirenena ny zon’ny Zon’ny Sembana tao @ S.O.S Vilage d’Enfant tao Anarabe, Kaominy Betioky-Atsimo
Miara-miasa amin’ny ministera koa ny kaominina satria dia ao amin’ny biraon’ny ministeran’ny mponina no hakan’ireo olona efa voahentana torohevitra ary ao koa ny toerana hihaonan’ireo mpikanana Miralenta rehefa misy fivoriana.
Miasar-miasa amin’ny distrika hafa koa ny kaominina amin’ny sehatrin’ny fandriam-pahalemana ary efa nahitam-bokany izany amin’izao fotoana izao satria azo lazaina fa milamina ny eny an-toerana amin’izao fotoana izao noho ny DINA BE.
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Betioky Sud.
Comment on Madagascar: Commune Urbaine Betioky Sud