
SHARE:
Fokontany 10 amin’ny Fokontany 10 mandrafitra ny Kaominina Sahambavy no henika ny rano fisotro madio. Izany dia noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo mpiaramiombon’antoka toy ny GRAND LYON, ONG Ny Tanintsika, ACCORD, FIKRIFAMA, ary ny CARITAS. Noho izany dia tratra ny fenitry ny SADC raha 70% ny mponina no tokony hisitraka amin’ny rano fisotro madio dia mihoatra lavitra noho izany ny eto amin’ny Kaominina Sahambavy.
Ny fikambanana RANOSOA no mpitantana izany ankehitriny izay efa niorina hatramin’ny taona 2011. Maro ny karazam-pitantanana hita ao toy ny branchement partagé, ary ny branchement particulier.
Tsy nitsaha-nitombo ny fanorenana ny foto-drafitr’asa isan-taona mba ho antoky ny fampandrosoana maharitra sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Hahamaty hanina ny fitantanana anefa dia misy mpitantana sy mpanara-maso avy any ifotony antsoina hoe “fontanier” na mpiandry baorina. Anisany filohan’izany izaho izay manolotra ny asa. Maro aminay fontanier ihany koa no vehivavy
Fahasalamana satria AINA ny RANO
Fanomezana tombontsoa ho an’ny vehivavy maro an’isa
Fampivoarana ny fari-piainana
Handresena ny fiovaovan’ny toetr’andro
Foto-drafitr’asa maharitra
Fanentanana ny mponina mba hampiasa rano fisotro madio ka hampitombo isa ny foto-drafitrasa
Fiofanana miaraka amin’ny mpamatsy vola ary fandrafetana ny drafitr’asa isan-taona, sata, fitsipika ary dina mifehy ny fikambanana
Fampandraisana anjara ny mpanjifa mahakasika ny anjara biriky amin’ny fanorenana foto-drafitr’asa (fidinana ifotony)
Fampiofanana ny mpanjifa mba hampaharitra ny foto-drafitr’asa (fikojakojana sy fanaraha-maso)
Fiaraha-mientana tamin’ny tetik’asa KOLORANO amin’ny fikojakojana ny sahan-driaka (bassin de reservoir) sy ny loharano niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka AGRISUD sy ny ETC TERRA (Fambolena hazo mba hiarovana ny rano tsy ho ritra)
Fanentanana ny mponina mba hampiasa rano fisotro madio ka hampitombo isa ny foto-drafitrasa
Fiofanana miaraka amin’ny mpamatsy vola ary fandrafetana ny drafitr’asa isan-taona, sata, fitsipika ary dina mifehy ny fikambanana
Fampandraisana anjara ny mpanjifa mahakasika ny anjara biriky amin’ny fanorenana foto-drafitr’asa (fidinana ifotony)
Fampiofanana ny mpanjifa mba hampaharitra ny foto-drafitr’asa (fikojakojana sy fanaraha-maso)
Fiaraha-mientana tamin’ny tetik’asa KOLORANO amin’ny fikojakojana ny sahan-driaka (bassin de reservoir) sy ny loharano niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka AGRISUD sy ny ETC TERRA (Fambolena hazo mba hiarovana ny rano tsy ho ritra).
Teti-bola avy amin’ny GRAND LYON
Fanitarana 2017: 56 110, 19 USD
Faktioran’ny rano aloan’ny isaky ny Baorina
Fitomboan’ny fotodrafitrasa miorina
Fitohizan’ny fiaraha-miasan’ny mpiara-miombon’antoka
Vokkatra azo tamin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa (fahasalamana) sy ny fitomboany (fampandrosoana)
Manana servisy manokana misahana ny rano fisotro madio ny Kaominina Sahambavy izay manao tan-tsoroka sy fanaraha-maso ary tombana izay antsoina ihany koa hoe ACEAH (Agent Communal en Eau, Assainissement et Hygiène). Miantoka ihany koa ny IEC (Information Education et Communication) izay miara-miasa akaiky amin’ny Fikambanana RANOSOA sy mifandray bebe kokoa aminay fontainier. Misy drafitr’asa iraisana anaovany ny tombana sy fanaraha-maso ary misy rindran-damina apetraka.
Manana Teknisiana roa ihany koa ny Fikambanana izay tsy mitsahatra mikojakoja ny foto-drafitr’asa ka miantoka ny fampandehanana ny rano ho an’ny mpanjifa.
Tsy ampy ny rano fisotro madio / Simba ny fotodrafitr’asa
Simba ny Fambolena
Mikorontana ny toetr’andro
Mitarazoka ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa
Mifampiandrandra ny mponina amin’ny fandraisana anjara biriky ataon’ny mpahazo tombontsoa.
Nanatsara ny fari-piainana ny fandrisika azo
– Mihena ny fotoana lany tamin’ny fakàna rano tany an-doharano
– Azo antoka ny fahasalamana noho ny fisotroana rano madio
– Resy lahatra amin’ny fandraisana anjara biriky tamin’ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa ny mpiara-monina
– Resy lahatra amin’ny fandoavana latsakemboka ny mpanjifa
– Miara-mientana amin’ny fikojakojana ny foto-drafitr’asa ny rehetra noho ny fahasarobin’ny fahasalamana sy hiarovana ny toetr’andro mikorontana.
Fanamafisana ny fanentanana ho an’ireo mpanjifa mba hitohizan’ny tombontsoa ananany :
* Fandoavana latsakemboka
* Fikojakojana ny fotodrafitr’asa (fandiovana, fikajiana ny tontolo iainana : famoanana ny doro tanety, fiarovana ny loharano : fambolen-kazo)
* Fanentanana ny mpiara-belona mba hampiasa ny rano fisotro (mba ho salama)
* Fanohizana ny tatitra
Comment on Madagascar: FIKAMBANANA RANOSOA Fiovaovan’ny toetr’andro sy fampandrosoana maharitra