Madagascar: MAITSO TSARA / Kaominina Tsiafahy – Antananarivo Atsimondrano; Maitso Tsara mientana ho amin’ny Miralenta antoky ny ady amin’ny Fiovaovan’ny Toetrandro


Date: August 23, 2018
  • SHARE:

2012, Hisian’ny fampandrosoana Maharitra sy ny     Miralenta eo amin’ ny Kaominina Tsiafahy dia nivondrona ny tanora miisa 10 ka nanangana Fikambanana ara-panjakana nantsoina hoe “Maitso Tsara”.

Araka izany dia tsy maintsy niofana momba ny Miralenta sy ny Fiovaovan’ny toetrandro. (Gender Links – FES), ny fahasalamam-bahoaka (Diorano Wash).

Nandrafitra ny Drafitrasa Kaominaly niaraka tamin’ny Gender Links sy ny kaominina Tsiafahy ny 2011 (IMV Tsimbazaza) ny 2014 (Le Carat) ny 2018 (Tsararivotra).

Miavaka ilay tetikasa satria tsotra, azo tanterahina, azo ampiharina amin’ny toeran-kafa ary tena mivoy ny Miralenta sy ny fiovaovan’ny toetrandro.

Maitso Tsara dia niara niasa sady nanofana Sekoly, fiangonana, tsena, vahoaka ifotony, mikasika ireo Politika Fiatrehana sy Fanalefahana ny fiovaovan’ny toetrandro ; ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny Vehivavy ary ady ho amin’ny Miralenta. (Vina ONG Gender Links)

Nanentana ireo Hafatra 4 Diorano Wash (Vina ONG Manorintsoa – Union Européenne)

Nivoatra araka ny vanim – potoana ny tanjona.

Ny taona 2013, isan’ny  tanjona notratrarina ny :

–  Fambolen-kazo (hamerina indray an’i madagasikara ho Nosy Maitso izay nosy Mena ankehitriny) ;

–  Fiarovana ny tontolo iainana ;

–  Fahazoana traikefa momba ny Miralenta sy ny Fiovaovan’ny Toetrandro

– Fahazoana traikefa momba ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy.

Ny taona 2014, isan’ny tanjona notratrarina ihany koa ny :

–  Fahasalamam – bahoaka ka hampita ireo Hafatra efatra Diorano Wash (Fanasan-tanana amin’ny rano sy savony, fampiasana lava-piringa ara-pahasalamana, fahadiovan’ny rano fisotro, fahadiovan’ny vehivavy mandritry ny fotoana fadimbolana.)

– Fitaizana ny tanora ho tia fanatanjahantena

– Fampiofanana sekoly, fiangonana, Fokontany sns. ny resaka Miralenta, herisetra mihatra amin’ny vehivavy sy ireo Politika roa fiadiana ny fiovaovan’ny toetrandro.

2014 : a) Nanentana isam – pokontany hampihenàna an – tsasamanila ny tahan’ny herisetra amin’ny vehivavy.

  1. b) Nanao « visite échange 2 » , Sortie Verte Ampefy.
  2. d) Nanomboka niara niasa tamin’ny ONG Manorintsoa sy ny Diorano Wash izay iantsorohan’ny vondrona eropeana momba ny Rano Fidiovana Fanadiovana ka nisehatra teny amin’ny vahoaka ifotony.
  3. e) Nanaraka fiofanana momba ny “Leadership”, “Droit de l’homme”, “Baromètre de perception citoyenne”, fitantanam-panjakana (CNEAGR Nanisana – WaterAid, Manorintsoa, Diorano Wash)
  4. f) Nanao « mise à jour » ny Drafitrasa kaominaly manaraka. (Le Carat – Gender Links)

2015 :Nanentanana isam – pokontany momba ny :

– Miralenta, fiovaovan’ny toetrandro, ady amin’ny herisetra amin’ny vehivavy

– Hafatra efatra Diorano Wash

– Fanadiovana Tanteraka Tarihin’ny Fokonolona (FTTF)

2016 – 2017 – 2018 :

–  Nanohy hatrany ireo asa teo aloha

–  Nanao Visite échange 3 – Anjiro

–  Nametraka ny vina Miralenta 50/50 ny taona 2030

Nandray anjara isan – taona amin’ny hetsika “Sixteen Day”.

61 ny olona nahazo tombotsoa mivantana; 54% amin’ireo dia vehivavy avokoa.

556 ny olona nahazo tombotsoa ankolaka; ny 54% amin’ireo dia vehivavy avokoa.

28000 ny olona nahazo tombotsoa tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao na tranonkala. 50% ny vehivavy

Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny 29978 ny olona nahazo tombotsoa; Eo amin 51,11% eo no ho eo ny vehivavy amin’ireo.

45,75 USD ny tetibola mahaleotena momba ny Miralenta, 84,375 USD avy amina fandaharan’asa efa misy, 21 USD avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. 152 USD izany no tetibola nilaina nanatanterahana ny tetikasa

Famenoana taratasy fanadihadiana isaky ny telovolana

Taratasy fijoroana vavolombelona maro be

Tsanga tanana aorian’ny fampiofanan’ny Maitso Tsara

Apetraka eny @ rindrina ny hevitry ny mpiofana @ fanontaniana iray izay apetraka

Famenoana ny :

Kintana (miisa 7 raha tena tsara)

Naoty (1 hatramin’ny 10)

Fanamarihana ( Tena ratsy/Ratsy/Antonony/Tsara/Tena Tsara)

Sary émoticône

Kely ny vola enti – manana ka ny solo – paladia sy sakafo omena ny Mpikambana manatanteraka asa dia tena latsaka noho ny vola azony miasa indray andro.

Am – pitiavana araka izany no hantanterahana ny asa rehetra. Tsy maharaka ny vola natokana ho an’ny “impression” sy “photocopie” an’ireo “Prospectus” zaraina. Izany moa dia miafara amin’ny famoahana vola am – paosy.

Tsy ampy araka izany fitaovana, nefa koa nisedra olana ny fikambanana teo amin’ny ara – potoana. Samy manana ny andraikitra sahaniny ny tsirairay ka sarotra ny mifampitaona ho tonga daholo anaty fotoana iray voafidy hanatanterahana fanentanana. Ho fandrindrana ny asa, nozaraina ny mpikambana manatanteraka asa fanentanana araka izay maha afaka azy.

Niova ny fitondram – panjakana taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna. Ny Ben’ny tanàna teo aloha manko no filohan’ny “Miralenta” Kaominina Tsiafahy. Natao foana ny fandresen – dahatra ny Ben’ny tanàna vaovao izay vehivavy hampiditra ho tetikasa anaty foto – drafitrasa kaominaly ny Miralenta. Ary natao ny fangatahana mba hanohanana ny Maitso Tsara eo amin’io sehatra io. Hatramin’izao dia mahafinaritra ny fiaraha – miasa. Ny olana kely fotsiny dia tena mbola mila ofana manokana avy amin’ny Gender Links ny kaominina Tsiafahy ankehitriny.

Maro ireo vehivavy niharan’ny herisetra tao anatin’ny kaominina Tsiafahy. Misy izy ireo no manantona ny Fikambanana Maitso Tsara, misy kosa ny olon – kafa no tonga mitatitra ny raharaha aminay. Ny tranga hitanay koa dia misy ireo lehilahy iharan’ny herisetra ataon’ny vadiny.

Ny zavatra nataon’ny fikambanana dia ny fandaminana ny tokantranony, ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainany tamin’ny alàlan’ny fandresen – dahatra, fanentanana ary fifampiresahana mivantana. Fampidirana an – tsain’ny tsirairay fa tsy mitondra voka – tsoa ny fifampikasihan – tanana.
Nampirindra ankohonana maro ny fikambanana Maitso Tsara nanomboka teo amin’ny taona 2014 hatramin’izao. Nomena tolotrasa ireo vehivavy hahaleo tena eo amin’ny fitadiavam – bola. Araka izany dia maro ireo voalamina ka nirindra ny fiainam – pianakaviany.

Mila resy lahatra @ Miralenta ny Lehilahy

Tena efa mihatra ankehitriny ny fiovaovan’ny toetrandro ka mila iadiana

Tsara raha mifanampy sy mifanohana ny Kaominina sy ny fikambanana

Takiana ny hitohizan’ny fiaraha miasan’ny fikambanana  @ ONG samihafa

Ilaina ny manao fanaraha-maso sy tombana aorian’ny fampiofanana


Comment on Madagascar: MAITSO TSARA / Kaominina Tsiafahy – Antananarivo Atsimondrano; Maitso Tsara mientana ho amin’ny Miralenta antoky ny ady amin’ny Fiovaovan’ny Toetrandro

Your email address will not be published. Required fields are marked *