Madagascar: MAMAFI, ONN U-PNNC/SSECALINE,MANOVOSOA ANJOMAN’ANKONA; “Fantsarana sy fampiroboroboana ny fanjarian-tsakafo miatrika ny fiovan’ny toe-trandro


Date: August 23, 2018
  • SHARE:

Anisany CCDS ny tenako ka mandray andraikitra sy nanatanteraka tamin’ny famolavolana drafitr’asa kaominaly sy ny fampiroboroboana tetik’asa fampandrosoana ara-tsosialy indrindra ny mahakasikan’ny fanjariantsakafo

ACN ,CPG,komitin’ny fanjariantsakafo

Famaritana: fihinana ireo sakafo maro loko misy ao an-toerana,voalanjalanja,mitondra hery sy otrik’aina ary tanjaka hoan’ny vatana hampahalavorary ny fahasalamana ny mponina.

 

Fanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo amin’ny endriny rehetra izay mianjady amin’ny vehivavy,tanora,reny bevohoka sy reny mampinono

Fampiroboroboana ny asa fampandrosoana eny anivon’ny fiaraha-monina sy fampaharentana izany

Fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ireo teknika pamokarana(fambolena,fanodinana,fitehirizana

Mitombo ny tahan’ny kilonga miditra an-tsekoly ary mihena ny tsy fanjarian-tsakafo

Fampivoarana ny maha-olona

Fiatrehana ny loza sy ny voina

Fanalefahana ny fiovaovan’ny toetr’andro

Voaaro ny tontolo iainana

Mihatsara ny fomba fiasan’ny kaominina sy ny mponinaary mitombo ny vokatra.

 

Nanatrika fivoriana

nandray fiofanana

Fanadihadiana ifotony

Fitsinjarana andraikitra

Fandraisana an-tanana

Fanaovana tombana

 

447 ny olona nahazo tombotsoa mivantana; 67% amin’ireo dia vehivavy avokoa.

894 ny olona nahazo tombotsoa ankolaka; ny 64% amin’ireo dia vehivavy avokoa.

3310 ny olona nahazo tombotsoa tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao na tranonkala. 59% ny vehivavy

Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny 4651 ny olona nahazo tombotsoa; Eo amin 60% eo no ho eo ny vehivavy amin’ireo.

312 USD ny tetibola mahaleotena momba ny Miralenta, 156 USD ny avy amina fandaharan’asa efa misy, 156 USD avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. 113 USD izany no tetibola nilaina nanatanterahana ny tetikasa.

Fanadihadiana eny ifotony

Firaiketana an-tsoratra ny zava-bita

Fivorian’ny hery velona rehetra isam-bolana

Fanaovana tomban’ezaka

Fifanakalozana traikefa

Fanaovana tatitra isambolana any amin’ny CSB, ny kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka.

 

Tsy fahampian’ny hoenti-manana

Tsy fandriam-pahalemana

Fiovaovan’ny toetr’andro

Tsy fahalalan’ny olona ny zo sy ny andraikitra tokony hataony

Tsahotsaho sy finoanoam-poana ary fanarahana fomba nentim-paharazana

Fahateren’ny fotoana

Fahasimban’ny foto-drafitr’asa(lalana, barazy)

Fahalaviran’ny toerana.

 

Matetika dia anisan’ny mampikorotana ny toka-trano ny tsy fahampiam-bola raha nahita ny fiovana nisy teo amin’ny fiainako ity vehivavy iray dia nanontana ahy nagataka torohevitra, velom-panotaniana ny fomba nitondrako ny vady aman-janako satria nifanampy foana izahay aminy asa izay atao ao an-tokantrano; miraka mikarakara zaridaina, mahandro ny lehilahy

Nisy fiovana lehibe teo amin’ny fiara-hamonina taorian’ny fanatanterahana ny asa,

Nisy fahatsarana ny fandriam-pahalemana satria nandray andraikitra sy mirisika ny vahoaka amin’ny fandoavana latsa-kemboka hanaramana ny DAS

Nihatsara ny fifandraisan’ny vahoaka nisy ny firaisan-kina nifampatoky, nifampihaino, ary mifanampy noho ny fanaovana ny fifanekem-pihavanana.

Nitombo ny isan’ny vehivavy hiterka sy hisafo eny amin’ny tobim-pahasalamana.

Maro ny tanora mahazo asa noho ny fanampiana sy ny fanohanana nataon’ny FORMAPROD

Fanamafisana sy fampiharana ny lalana

Fanatrehana fivoriana

Fanadihadiana sy fanaraha maso eny ifotony

Fandraisana fiofanana ho mpampiofana

Fanohizana ny fiaraha miasa amin’ny fikambanana

Fitohizan’ny miralenta

Fananganana rafitra hitantana ny tetikasa

Fanetsehana ny cantine scolaire

asa tokony hatao mba hifampizarana traikefa amin’ny fikambanana hafa

Fanaovana fifanakalozana traikefa

Fanamafisana ny fanentanana

Fiaraha miasa amin’ny fikambanana


Comment on Madagascar: MAMAFI, ONN U-PNNC/SSECALINE,MANOVOSOA ANJOMAN’ANKONA; “Fantsarana sy fampiroboroboana ny fanjarian-tsakafo miatrika ny fiovan’ny toe-trandro

Your email address will not be published. Required fields are marked *