
SHARE:
Koperativa mirindra amparaky analavory; voly rakotra hiatrehana ny fiovaovan’ny toe-trandro (semi directe sur couverture vegetale permanante).
Koperativa iray ao amin’ny kaominina Analavory ny Koperativa Mirindra, Ny asa atany dia : Miaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo, Aro riada, fanamasahana ny tany ary fampitomboana ny vokatra.
Tanjon’ny fikambanana ny fanatsarana nofontany, fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, Fandraisana andraikitry ny tsirairay, ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, fananana ambim-bava, fahafaha-mividy ary fifampizarana.
Mba ahatratrarana an’izany tanjona izany dia nanofana ny monina ny koperative tamin’ny fomba fanomanana ny tany volena, toromarika rehetra tokony arahina amin’ny fandrakofana ny tany volena (Zero labour).
Olona 160 no ahazo tombotsoa mivantana; 70% amin’ireo dia vehivavy avokoa. 230 ny olona nahazo tombotsoa tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao na tranonkala. 80% ny vehivavy. Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny 390 ny olona nahazo tombotsoa; Eo amin 75% eo no ho eo ny vehivavy amin’ireo
Hita sy tsapa eny antoerana fa mihasimba ny tontolo iainana, Kahon’ny riaka ny tany tokony ho volena, doro tanety, ny tsy fahampian’ny voly hazo ary koa ny tsy fahampian’ny bozaka atao rakotra.
Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny voly rakotra satria dia matombo ny vokara, voaharo amin’ny riaka ny tany satria dia lasa tsy manao doro tanety intsony ny mponina.
Mba hitohizan’ny asa sy mba hampaharitra azy dia ilan’ny koperativa ny fanamafisana ny fahaiza-manao, fifanankalozana amin’ny koperativa hafa, fiofanana be be kokoa amin’ny voly rakotra, fitadiavana mpiaramiombon’antoka satria mbola marefo ny entimanana ary fanitarana ny asa.
Comment on Madagascar: RAZANANAIVO Melchaida