Madagascar: VEMPAMI(VEhivavy MPAmpianatra MIray); Vehivavy MPAmpianatra Miray miaro ny tontolo ianana mba handavorariana ny fiovaovan‘ny toe-trandro


Date: August 23, 2018
  • SHARE:

Mitaiza mba ho olom-banona‚hanaja sy hitandrina ny soatoavina sy ny fomba fisainana ary ny fomba fihetsika amin‘ny maha Malagasy

.Izany famaritana izany no hitako mampiova ny toetrandro ankehitriny vokatry ny tsy fanajana ireo zava-boarin‘Andriamanitra ireo:vokatry ny fikapana ny ala sy fandoroana ny tanety amin‘izay tsy ara-drariny‚ka mahatonga ny fahalanian‘ny ala sy ny fahamaizan‘ny bozaka ary ny fahafatesan‘ny biby samihafa ka mahatonga ny fahasimban‘ny nofon-tany izay tsy azahoana vokatra any aoriana. Akoatra ireo loza efa voalaza dia mbola misy koa ny fitotoran‘ny loharano  ka mahafaty ny loharano izay ipoiran‘ ny rano rehetra

.Mamolavola mba ho olom-banona ho tia sy hanaja ireo zavaboary ‚ ka hanolon-tena sy hiaro  amin‘ny fotoana izay tsy voafetra

.a/Mampianatra ny olona mba hanana fahalalana ny amin‘ny fitandrovana ny tontolo ianana mba hananana fandrosoana maharitra.

.Mba hamerenana ny hasin’ny Madagasikara eo amin’ny soatoavina Malagasy izay manaja sy manome hasina ny zavatra voarara tsy azo atao ,ohatra amin’izany ny toerana tsy azo ikapana hazo na hodorana ao koa ny toerana izay tsy azo amonoana biby ary ny toerana tsy azo anaovana maloto ;Ka izay mandika izany dia misy zavatra mahazo azy na sazy.

Noho izany raha ny reahetra no manaja sy miaro ary ny tia ny zavaboaary.Izany no antony iezahan’ny vehivavy sy ny ankizy ho tia ny tontolo iainana satria ny vehivavy no miteraka ka tena manana lanja mihintsy eo amin’ny fampitandremana ataon’ny reny amin’ny zanany

.Ny ankizy kosa mahatsapa ny fikolokoloana ny tontolo iainana izay nampianarana azy teo amin’ny fanazavana ny lesona tao an-tsekoly,ary nampanantanterahina azy any antokatrano tsirairay avy ,ka izany ny fototra anolorana ny vehivavy sy ny ankizy amin’izany ny hoe:”Mamboly hazo fahazaza man-kialofana rehefa antitra ”

.b/Mba hanana ala izay mampiditra vola hoan’ny faraman-dimby izay aoanaovana (trano-fanaka-kitay-hamidy azahoana vola -hanaovana fanafody)

.d/Mba hanatsarana ny nofon-tany hisian’ny vokatraka be,hampisy endrika ny toerana (tokatrano-tanàna-sekoly-birao-samihafa).

 

. –Famoriana vahoaka ankalamanjana

.Fanentanana ireo vehivavy mba samy handray andraikitra amin’ny fahalavorariana ny tontolo iainana mba hiaro sy hikolokolo ary hanaja ny zava-boaary aminy fotoana tsy voafetra

.-Fanofanana ireo vehivavy izay vonona handray ny tanana ny fanantanterahana ny asa

.-Fitadiavana ny toerana izay atokana ho famafazana zana-kazo sy toerana iraisana ho volena hazo iraisan’ny fikambanana

.-Famefena sy aro afo ny tany mba tsy hisy hanimba ny zana-kazo sy ny hazo voavoly ary fiarovana toerana izay tokony harovana amin’izany

.-Fananganana ny fikambanana mba hiaro sy hikolokolo ny zanakazo sy ny faritra izay efa mila fanatsarana ihany eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy mpianatra

.-Fananganana :FIKAMBANANA-KLIOBA eo amin’ny faritra sy ny sekoly eo anivon’ny kaominina

.-Ny fiaraha-miasa tamin’ny :AD2M-DREF-FIDA-WWF-DREN mba hanaraka ny programa ny asa

.-Fandiovana ny faritra izay voaloko manodidina ny tanàna sy ny sekoly ary ny birao

.-Fiara-miasa amin’ny kaominina ho fampiharana ny dina momba ny doro tanety sy fikapana ny ala .

.-Fanofanana ny vehivavy mba hahay hitantana.

 

50 ny olona nahazo tombotsoa mivantana; 40% amin’ireo dia vehivavy avokoa.

30 ny olona nahazo tombotsoa ankolaka; ny 0,2% amin’ireo dia vehivavy avokoa.

200 ny olona nahazo tombotsoa tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao na tranonkala. 15% ny vehivavy

Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny 280 ny olona nahazo tombotsoa; Eo amin 2,1% eo no ho eo ny vehivavy amin’ireo

 

748 600 ny tetibola mahaleotena momba ny Miralenta, tsy misy ny avy amina fandaharan’asa efa misy, rano fisotro madio avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. 861 USD izany no tetibola nilaina nanatanterahana ny tetikasa

Mampisy endrika ny tanàna sy ny toerana izay natikana anaovana fialam-boly

Manamaivana ny fahasahiranana ny fianakaviana

Nahamora ny fandraisan’ny mpianatra ny lesona teo amin’ny zava-maniry

 

Teo amin’ny vahoaka dia somary sarotra resenalahatra ny famerenana ny toe-tsaina izay efa raikitapisaka.

.Tsy fahampian’ny fitaovana izay ho entina manatanteraka ny asa izay efa vita

.Tsy fisiany rano eo amin’ny toerana samy hafa izay azo volena mba hanondrahana ny hazo voavoly amin’ny ahitana

.Tsy fananana mpamatsy vola entina hanohizana ny asa amin’ny fotoana tsy voafetra

Ny Namahana ny olana :

.Fandresendahatra sy fanentanana ny vahoaka sy ny fikambananana isanandro ary manazava ny antony mahatonga ny tsifapian’ny rotsak’orana aty amin’ny faritra Menabe

.Entanina ny vahoaka mba hanao izay fomba hanatanterahana ny asa efa vita ka ny tsirairay no miantoka ny fitaovana ho entina miasa

.Ezahina ny vahoaka mba hifidy toerana hambolena hazo ary entanina mba hanomboka ny volana Novambra no anombohana mamboly hazo ary amin’ny ahitany tondrahina

-raha eny an-tsekoly dia entanina ny ankizy mba hitondra rano 1litatra isakan’ny ankizy tsirairay isanandro.

 

Ny mpivady dia tsy mifampiandry amin’ny asa hatao ho fampandrosoana ny tokantrano(ny lahy tsy miandry ny vehivavy amin’ny fikarakarana ny tokantrano,ny vavy tsy miandry ny lehilahy amin’ny asa izay tokony hataon’ny lehilahy ao antokatrano na any antsaha

-Ny lahy dia tsy manome tsiny ny vavy raha misy adihevitra eo amin’ny fianakaviana hampandrosoana ny fiaraha monina fa avy dia manam-pankevitra,ary ny vavy dia tahaka izany koa

Ny zava nisy teo amin’ny fiaraha-monina dia ny vehivavy no maro anisa raha misy fivoriana eo an-tanàna amin’ny fanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra na ara-bola izany na arak’asa eo anivon’ny fiaraha-monina (fivoriam-panjakana,fivoriam-piangonana,fananganana ny tetik’asa,fananganana ny mpinkambana,fanarahana ny fanampahan-kevitra )

Fanaraha- maso ny fanampahankevitra teo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

fanajana ny fitsipika mifehy ny fiara-monina na fikambanana na fianakaviana indrindra fa ny mpivady.

Misy tokoa ny fiovana teo amin’ny politika noho fisiany tetikasa satria efa maro anisa ireo vehivavay izay mahazo fahefana eo amin’ny fanampahankevitra isakarazany eo amin’ny fiarahamonina eo amin’ny fikambanana eo amin’ny birao samihafa

 

Hamafisina ny fanomezana zo ny vehivavy hikarakara sy hanaja ireo izay efa voavoly ary hanampy ny fikambanan’ny vehivavy rehetra azahoany lalana manatnteraka ny fanajana ny tontolo iainana mba hamoanana ny fiovaovan’ny toetrandro

 

 


Comment on Madagascar: VEMPAMI(VEhivavy MPAmpianatra MIray); Vehivavy MPAmpianatra Miray miaro ny tontolo ianana mba handavorariana ny fiovaovan‘ny toe-trandro

Your email address will not be published. Required fields are marked *