
SHARE:
“Fanamafisana ny ezaka efa vita entina hanatratrarana ny tanjona napetraky ny fanjakana ho amin’ny filaminana sy fandriam-pahalemana ary famongorana ny herisetra mianjady amin’ny mpiara-belona indrindra fa ny vehivavy, Polisim-pirenena malagasy miasa ao amin’ny faritany Fianarantsoa sy ny kaominina manodidina, Fanjakana Malagasy vonona hiady amin’ny herisetra @ endriny rehetra mba hisian’ny fampandrosoana”.
Ezaka nimasohako tamin’ny taona 2017 iny mba hampahomby ny asa atoako dia ireo manaraka ireto :
Tanjona notratrarina tamin’izany ny :
Izany rehetra izany anefa dia miankina amin’ny asa ka ireto avy izy ireo:
Ireo olona nahazo tombontsoa mivantana dia mihisa 946 ka ny 89,11% dia vehivavy avokoa.Ireo nahazo tombontsoa an-kolaka kosa dia mihisa 1.710.465 ka ny 55,90%dia vehivavy avokoa. Ary ireo nahazo tombontsoa tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao na tranokala dia mihisa 300 ka ny 76,66% dia vehivavy avokoa.
Ny asa rehetra dia mila entimanana ka USD 16 250 ny tetibola nilaina nanantanterahana ny asa.
Ny fandrefesana ny asa vika kosa dia miankina amin’ny fijerana ny antontan’isa miainga avy amin’ny boky firaiketana ny tranga miseho andavan’andro; Fidinana ifotony miverina tamin’ny fiaingana tany am-piandohana mihaino ny feom-bahoaka; Fiaraha-miasa amin’ny Radio amin’ny fandaharana ahafahan’ny vahoaka maneho hevitra toy ny ANTSIHITANY izy ao Fianarantsoa, “ INO LOTRIJAN “ izay ao Mananjar ary fijoroana vavolom-belona avy amin’ny vahoaka sy ny mpiara- miombon’antoka.
Maro ireo olana nosedraina tamin’ny fanatanterahana ny asa ka lohalaharana tamin’izany ny tsy fananan’ny vahoaka toky intsony ny fitondram-panjakana, Ny tsy fahafantaran’ny olona ny lalàna, Ny tsy fahampian’ny fanabezana ampy ananan’ny vahoaka, Ny olan’ny Firenena amin’ny tsy fananana teti-bola ampy sy ny fitaovana enti-miasa ny fahantrana lalina loatra eo amin’ny vahoaka.
Ny fomba nandravonana izany dia Ny Fampianarana ny zo aman-dalana, Ny fiarahamientana eo amin’ny mpiaramiombon’antoka, Fanatsarana ny fifandraisana amin’ny vahoaka mba hanentanana sy handresen-dahatra ary famporisihana azy ireo mba andray andraikitra, Faraha-miasa amin’ny bianco, Fiaraha-miasa matotra eo amin’ny sampandraharaha rehetra miainga hatrany ifotony ka hatrany amin’ny farantampony.
Nampisy fiovana teo amin’ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fianakaviana tokoa ny asa natao satria dia maro ireo izay mijoro vavolombelona ohatra teo amin’ny ara-pahasalamana satria araka ny voalaza ery aloha dia isany nahatonga anay hanao ny asa ny fisian’ny aretina atao hoe Ambalavelona ka niezaka izahay nangataka fiaraha-miasa tamin’ireo Mpiasan’ny fahasalamana sy mpitondra fivavahana ka ny Dispensiaire sy ny Hopitaly ary ny Fiangonana nanome tanana anay ka izay tsy vitan’ny fanafody ataon’ny vavaka ary dia maro izy ireo noraisiny an-tanana indrindra moa fa ny mararin’ny Ambalavelona dia ny Fiangonana no tena nandray azy, ary dia tena sitrana ka taorinan’ny fahasitranana dia lasa nanolo-tena ho an’I Tompo ny fianakaviana nanana zaza tsy salama ary dia nanova ny fifandraisan’ny mpivady sy ny Fianakaviana tokoa izany satria Rangahy mpisotro toaka teo aloha lasa tsy nisotro intsony ka nampihena ny fandaniana tao an-tokan-trano izany ka ny vola namidy toaka teo aloha lasa mandeha amin’ny vary,kafe sy siramamy sns.
Rahanypolitikaankapobeny aloha diahiarahamahalala .
Fa raha ny politika mpitantanana eo anivon’ny commune misy anay dia tena hita misongadina mihitsy satria ny maire izay tsy mbola tao anatin’ny tontolon’ny miralenta dia lasa mpanohana mavitrika ny hetsikarehetra.
Ny fiovana teo amin’ny fiaraha-monina indray dia maro dia maro tokoa ka isany loha-laharana tamin’izany dia afaka mifandray am-po sy mifankatia ny mpifanolo-bodirindrina sy ny mpiray boriboritany na mpiray fokontany mihitsy aza ka amin’ny fiainana andavan’andro dia hita taratra ny fifankatiavana eny fa na dia eo amin’ny fifampiharabana Akory lahaly sy akory mbarakaly izay taratry soa toavina maha maha Malagasy dia tena hita taratra izany teny an’ivon’ny fiaraha-monina satria ny asa izay natao dia tena nampifandray an’izy ireo ary tsy nisy intsony ny elen’elana teo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra fa samy nifankahazo am-po tsara ary afaka nifampizara ny manta sy ny masaka izy ireo kaniverina indray ilay fomba fitenenana Malagasy hoe aleo very tsikalakalam-bolatoy izay very tsikalakalam-pihavanana manaraka izany dia tsy misy intsony ny vaky trano sy ny halabotry fa lasa mandry fahalemana ny tany ka tsy ahiana intsony ny hisian’ny Fitsaram-bahoaka satria lasa niverina amin’ny fitokisana ny mpitondra sy ny fanjakana izy ireo ary afaka miara-miasa eny fan a dia misy aza ireo izay mitsivalam-pandry izay tsy miala amin’ny fiaraha-monina dia tsy tonga amin’izany intsony far aha vao misy trangan-javatra miseho ka manohitohina ny fiaraha-monina dia efa nampianarina izy ireo tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny mpitandro filaminana fa samy mandray ny tandrify azy avy ny tsirairany vokatry ny asa natao daholo izany rehetra izany.
Maro tamin’ny vahoaka ihany koa no lasa natahotra an’Andriamanitra satriza ny asa fampianarana Baiboly nataon’ny mpitondra Fivavahana dia nanampy betsaka ny vahoaka hijoro amin’ny fahamarinana izay fototry ny fandriam-pahalemana ary maro taminay mpitandro filaminana ihany koa no lasa mpivavaka tsara. Ary dia tena nampitolagaga sy nahatalanjona ny fiaraha-monina ary ny tenako izay manolotra izao asa izao dia isany tafiditra lalina amin’ny fivavahana ary mbolafiovana eo amlin’ny Fiaraha-monina izay vokatry ny asa izay nataonay daholo izany rehetra izany satria raha manana faniriana ny hanova olona mantsy dia tsy maintsy ny tena aloha no manaiky ny hovana sy hiova.
Raha nisy fiovana eo amin’ny lalàna noho ilay tetikasa dia hazavao eto.
NY tetik’asa izay nataonay aloha dia tsarina fa tsy nanova lalàna mihitsy satria ny fahefana anananay dia fahefana mpanatanteraka fa tsy fahefana mpanao lalàna.
Comment on Madagascar:BLE Velosoa Julien Victore