Madagascar:RAHERIMALALA Marie Yvonne


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

“Vehivavy sy Lehilahy Mifanohana  Hampandroso, Fiarahamiasan’ny vehivavy sy ny lehilahy momban’ny filaminana sy fandriam-pahalemana ho antokin’ny fampandrosoana, Filaminana sy fandriam-pahalemana  mirindra”.

Ny atao hoe filaminana dia avy amin’ny teny hoe lamina izany hoe zavatra efa mipetrapetraka, tsy azo kianina, tsy mampisavorivory saim-bahoaka, tsy misy korontana ary eken’ny be sy ny maro.

Ny fandriam-pahalemana dia avy amin’ny matoanteny hoe mandry. Arabakiteny: Mandry alina, dia ny fahafahana matory tsara amin’ny alina no atao hoe fandriam-pahalemana

Raha bangoina izany ny filaminana sy fandriam-pahalemana dia vahoaka milamina, tony, tsy misy ahiahy sy tebiteby ary aaka miaina amim-piadanana ka misy ny fifankatiavana, firaisa-tsaina, fifanajana, fifampitikisana ary firaisan-kina.

Filaminam-bahoaka, raha milamina ny vakoaka dia misy ny fiadanana. Foana ny disadisa ohatra ara-piariana mba hampiroboroboana ny fotom-pivelomana satria izany no miteraka ny fandrosoana ara-toe-karena.Toy izany koa ny fiompiana, velomina ny biby fiompy, mitomba ara-dalana, ka sady afaka mihinana no mivarotra ka lasa vola ary azo ampiasaina amin’ny fanangonam-bokatra no vola.

Noho izany  afaka mampitatra sy mampandroso ireo fiarian-karena ireo ary mivelatra kokoa ny maha olona, afaka mivezivezy sy mifandray amin’ny mponina amin’ny toerana samy hafa, afaka mifanakalo hevitra ho fanatsarana ny fambolena sy fiompiana. Ho lavitra ny mponina ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tsy misy fisalasalana na tahotra koa ny teknisianina midina ifotony hanentana sy hampiofana ny tantsaha amin’ny fiompiana sy fabolena ara-teknika mba ho fampandrosoanamaharitra ho an’ny tantsaha ambanivohitra izay lasibatrin’ny korontana sy ny tsy fandriam-pahalemana.

Ireto manama ireo ny asa natao tamin’izany:

  • Fanatrehana fivoriana, fanadihadiana
  • Fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny sefom-pokontany ary ny fokonolona
  • Fiarahana tamin’ny OMC
  • Fandrafetana paik’ady, tetika ho entina manatanteraka ny asa (politika)
  • Fanavahana ireo toerana lavitra misedra olana (na ny tanana akaiky zandary sy polisy aza mitebiteby)
  • Fampiharana ny Dina
  • Fanaovana Kalony (miambina amin’ny alina)
  • Fanentanana sy fampandraisana anjara ny Lehilahy sy ny Vehivavy (fampitam-baovao haingana)

Ireo olona nahazo tombotsoa mivantana dia mihisa 3426 ka ny 88,83% dia vehivavy avokoa.Ireo nahazo tombotsoa ankolaka kosa dia mihisa 2280 ka ny 64,03% dia vehivavy. Teti-bola natokana ho an’izany asa izany kosa dia 400 USD.

Betsaka ny olana nosedrahina ka anisan’izany ireo manaraka ireto :

  • Fahalavira’ny toerana nandehanana hany ka nananosarotra ny fanentanana noho ny tebiteby amin’ny tsy fahandriam-pahalemana;
  • Tsy mianatra matetika ny mpianatra any ambanivohitra satria mafy ny asan-dahalo ka tsy sahy midina any an-toerana ny mpanabe noho ny tahotra ny Ray aman-dReny tsy sahy mandefa ny zanany any an-tsekoly indrndra ny zazavavy;
  • Mbola misy ny fanjakazakan’ny mahery setra eny ambanivohitra izay manentana ny olona sasany tsy hamonjy fivoriana sady tsy mety ho entanina noho ny fitiavany ny tsy fandriam-pahalemana;
  • Tsy ara-dalana ny fandrindrana ny fiainam-pianakavina hany ka tsy afaka mamonjy fanentanana ny Renim-pianakaviana noho ny hamaroan’ny zaza eo ampelatanany satria tsy maharaka ny fikarakarana ireo hamaroan’ny zanany izy;
  • Tsy fanjarian-tsakafo : Tsy mitombona amin’ny fanentanana atao ny mpivory fa miahakahak’evitra;
  • Ny nandravonana izany dia nyFamolahana ny toe-tsaina ireo lehilahy izay manao herisetra amin’ireo vehivavy ho ankilabao, izay heveriny ho tsy mitovy zo aminy amin’ny fanatanterahana andraikitra samy hafa, Fanajariana ny tontolo iainana ohatra: Entanina ny olona tsy handripaka ny ala, fialana amin’ny doro-tanety, entanina ny vehivavy hamboly hazo, ovy ala.

Eny misy fiovana teo amin’ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fianakaviana satria mandry fahalemana ny tany, manjaka ny filaminana, miala ireo tebiteby mahazo aoan-tokatrano, hany ka mifankatia sady mifandray bebe kokoa ny ao an-tokatrano, miray hina mitombo ny fiarian-karena ary afaka mampitombo sy manajary famblena, afaka mifanakalo hevitra ara-dalana eo amin’ny fitantanana tokan-trano.

Teo aloha na dia miakatra ny vokatra dia tsy mitombin-tsaina ny mpivady zara raha misy fotoana hifampidinihina satria manao raharaha eny an-tsaha amin’ny atoandro ary miambina amin’ny alina ka hita fa mikorontana ny fiainam-pianakaviana izany filaminana ao an-tokatrano izany dia mampilamina ny fiaraha-monina, toy ny afaka mandrindra ny fiainana sy fiarihan-karena.

Manaitaitra ny vahoaka hamonjy lahasa izany hoe misy fahazotoana ohatra: Mifaninana amin’ny fambolena sy fiompiana afaka manao fitahirizana maro ny mpikambana ao amin’ny sompitra, manana ambim-bava ny tantsaha, misy ny filaminana noho izany misy ny firaisankina miara mientana sy miray hina ny lehilahy sy ny vehivavy teo amin’ny fiompiana, ohatra: Tsy misy intsony fanavotana ireo biby fiompy maty; Mifanasaka ny lahy sy ny vavy amin’ny fandraisana andraikitra; Efa maro ny lehilahy no mitondra ny zanany ho lanjaina eny amin’ny tobim-pahasalamana; Fiovana eo amin’ny lalana noho ilay tetik’asa; Tsy misy intsony ny fiambenana isaky nyalina izay tsy nahapandry lavoloha ny vahoaka teo aloha; Mihamora ny dinam-pokonolona; Famitana ireo foto-drafitrasam-paokarana (Lalana, barazy, tsena….); Nahazo fanofanana ny AC (Agent Communautaire) ary nahasarika ireo pamatsy vola hidina eo amin’ny kaominina ohatra :MATOY, MAMAFY…

Mba hampaharitra ny tetik’asa kosa dia ireto manaraka ireo:

  • Fitadiavana loharanom-bola maharitra
  • Fangaraharan’ny toe-bola sy ny fitantanana (manao tatitra isam-bolana)
  • Fandaminana ny disadisa misy (iarahana amin’ny Kaominina)
  • Famporisihana ny vehivavy mba hosahy handray andraikitra
  • Fifanantonana sy fifampizarana matetika
  • Ampitomboina ny teknisiana mampiofana

 

 

 

 

 


Comment on Madagascar:RAHERIMALALA Marie Yvonne

Your email address will not be published. Required fields are marked *