Manome lanja ny Vehivavy ny fahaleovan-tena ara-bola


Date: June 3, 2014
  • SHARE:

Izaho ramatoa RAVAONORO Berthine filoha mpitarika ny fikambanana â € œTSARAJOROâ €  ao Antanambao kaominina Isalo izay misy olona miisa 30 lahy sy vavy dia faly manolotra anareo ny asa nataonay.
Ny fikambanana dia resy lahatra fa hanao voly tongolo manara-penitra, satria sady vola io no sakafo koa, rehefa avy nahazo ireo fiofanana taminâ € ™ny kaominina momba ny Miralenta izahay dia tap-kevitra fa hanao tetikâ € ™asa ka io no nosafidiananay hatao.
Miroborobo tokoka ary izy io satria efa samy nahazo fiofanana tandrify azy daholo ireo Mpikambana.
Misongadina tokoa io voly tongolo nataonay io satria sambany teo aminâ € ™ny District Miandrivazo no nahavokatra tongolo 9 tonnes tsara sady lehibe, natao fampisehoana teny aminâ € ™ny foaram-bokatra FIER-MADA sy teo MIANDRIVAZO ny vokatray. Teo ny rehetra vao samy nahatsapa fa hay tena nanome lanja ny tsirairay ny fananana vola hoentina miasa.
I


Download : 19079_allianceandcoalitionbuildingravaonoro-berthinemadagascar.docx

Comment on Manome lanja ny Vehivavy ny fahaleovan-tena ara-bola

Your email address will not be published. Required fields are marked *