SHARE:
Ny fanentanana ireo vehivavy 18 taona miakatra mba handray anjara amin ’ny fampandrosoana eo anivon ’ny kaominina, dia mampisongadina ny lanjan ’ny serasera fanovÁ na toetra eo amin ’ny fanentanana ny vehivavy handray anjara amin ’ny fampandrosoana. Io serasera fanovÁ na toetra io mantsy dia isan ’ireo fitaovana izay tena ilaina handresen-dahatra sy hanairana, ary hanabeazana ny vehivavy amin ’ny fandraisan ’izy ireo ny anjara birikiny amin ’ny sehatry ny fampandrosoana.
Tsapa mantsy amin ’izao vanim-potoana izao, fa tsy manana anjara toerana ny vehivavy raha ny eo amin ’ny sehatry ny fampandrosoam-pirenena no asian-teny, tsikaritra anefa fa mbola maro an ’isa kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy raha ny eto Madagasikara manokana no resahina. Mampitebiteby sady misy fiantraikany goavana eo amin ’ny toekarena izany toe-javatra izany. Noho ny hamarohany, dia ny vehivavy izay tokony ho isan ’ny tompon ’antoka amin ’ny fampandrosoana indray no lasa ho vesatra eo anivon ’ny tokan-tranony sy eo anivon ’ny firenena. Maro ny anton ’ny tsy fahampian ’ny fandraisan ’anjaran ’ ny vehivavy amin ’ny tetik ’asa fampandrosoana, isan ’izany ny tsy fandairan ’ny fanentanana ataon ’ireo tompon ’andraikitra, ao ihany koa ny kolotsaina maro samihafa izay manakana ny vehivavy tsy hanana antom-pivelomana. Arak ’izany, tsikaritra fa anisany mampiroborobo ny fahantrana eto Madagasikara ny tsy fahaizana sy ny fiankinan-dohan ’ny vehivavy.
HanovÁ na ny fomba fijery ny vehivavy sy ny fiaraha-monina ity tetikasa ity, ary hampihena ny tahan ’ny fahantrana eto Madagasikara, amin ’ny alalan ’ny fanabeazana ny vehivavy sy ny fandraisan ’izy ireo anjara amin ’ny fampandrosoana eo amin ’ny faritra misy azy.
Download : 20643_mainapplicationgovernancedina-jacob-elisa.docx
📝Read the emotional article by @nokwe_mnomiya, with a personal plea: 🇿🇦Breaking the cycle of violence!https://t.co/6kPcu2Whwm pic.twitter.com/d60tsBqJwx
— Gender Links (@GenderLinks) December 17, 2024
Comment on Ny fanentanana ny vehivavy handray anjara amnin ’ny fampandrosoana (miaraka amin ’ny antoko politika OBAMA)