SHARE:
Nampiroborobo sy nahamora ny fifaneraseran ’olombelona tokoa ny fampihenana ny herisetra mianjady amin ’ny vehivavy eo amin ’ny lafim-piainana rehetra na aiza na aiza ny sehatra misy. Maha reny azy efa manana traikefa mafonja sy mihavaka amin ’ny lahy ny vehivavy: voavahany daholo ny disadisa rehetra ao antokan-trano, izany fahaizany izany dia hahafahany mandamina ny sehatra rehatra misy azy, reny izy ka tokony ho to-teny lalandava.
Maro manam-pahaizana koa ny vehivavy ka hafaka mandray anjara amin ’ny ady hevitra lalina maro an ’isa ka matetika maharesy lahatra ny manodidina azy foana. Ny fitokisana apetraka amin ’ny vehivavy no hahitam-bokatra kokoa.
Hita ankehitriny fa ilaina tokoa ny vehivavy, ny atahorana fotsiny sao lasa fitaovana indray . Tsy mitsahatra mitady fiaraha-miasa amin ’ny fikambananam-behivavy ny mpitondra rehetra, manomboka aty ifotony ka hatrany amin ’ny faritra. Tsy misalasala tonga mitady ny fikambanam-behivavy eo an-toerana ny mpiara-miombon ’antoka isan-tsokajiny manome fiofanana ny vehivavy havanana amin ’izany, mba hanohy sy hanara-maso ny fizotran ’ny fanatanterahany ny asa tiany hajoro eo an-toerana toy ny fiarovana ny reny sy ny zaza tsy ampy taona, fikambanana miaro ny olona kilemaina, ny ao amin ’ny fahasalamana (famporisihana ny olona hanao test VIH/SIDA, sns.)
Download : 20685_mainapplicationclimatechangesafy-marie-laurette.docx
📝Read the emotional article by @nokwe_mnomiya, with a personal plea: 🇿🇦Breaking the cycle of violence!https://t.co/6kPcu2Whwm pic.twitter.com/d60tsBqJwx
— Gender Links (@GenderLinks) December 17, 2024
Comment on SAROBIDY NY HONKO NA MANGROVES KA AROVY