- About Us
- What we do
- GL Academy
- Change
- GL Services
- Grants
SHARE:




Tsy nisy fanomezan-danja ny vehivavy mihitsy teo amin ’ny kaominina teo aloha. Noheverina fa ny fikarakara tokantrano ihany no andraikiny. Tamin ’ny 2011 no efa isan ’ny kaominina mendrika Anosimena. Amin ’ny maha kaominina mendrika amin ’ny fampiharana ny miralenta azy, dia nandeha ny fanentanana isan-karazany. Resy lahatra ary ny vahoaka ary dia nolanian ’ny mpanolo-tsaina izany fampiharana ny miralenta izany. Ankehitriny, dia ireto ny vokatra:
– tao amin ’ny fampianarana: nisy vehivavy 3 voatendry hampianatra (EPP), vehivavy ihany koa no voatendry ho talen ’ny CEG
– vehivavy ny mpitantana ny CSB2 sy ny mpampivelona ao
– nitombo isa ihany koa ny vehivavy miasa ao amin ’ny biraon ’ny kaominina, raha 2 izany tany am-boalohany dia efa dimy izy ireo amin ’izoa fotoana izao
– mazoto mandray anjara amin ’ny fivoriana ny vehivavy ary ry zareo indray aza no maro an ’isa
– hita ho nihena ny isan ’ny vehivavy iharan ’ny herisetra.
– Nanomboka nizaka fananan-tany ny vehivavy raha tsy nisy mihitsy izany teo aloha
Download : 20378_madcarte-des-scoresanosimena.docx
Comment on Soa Fikasa