Tsimanada


Date: May 23, 2015
  • SHARE:

Ny kaomininy ny Tsimananada dia kaominina ao anatin ’ny faritra Androy, 7 km miala ny ambovombe no misy azy. Ny resaka fahasalamama no tena mbola olana fototra eny antoerana satria dia tsy ahitana CSB. Olana manaraka koa ny tsy fananana tranom-pokonolana ka noho izany ny fiforiam-pokonolona rehetra dia atao ankalamanjana avokoa. Efa manana CEG sy EPP ny kaominina fa ny efi-trano dia ny fokonolona no nanamboatra azy ka dia azo lazaina fa dia tsy manaram-penitra. Efa nanao fangatanana ny kaominina, Ny Ray aman-dRenin ’ny Mpianatra mba ahazahoana sekoly manaraka ny toe-trandro. Fokontany 50 no nisy EPP nefa efatra ihany no vita aminin ’ny vato amin ’ireo toeram-pianarana ireo. Efa nisy koa ny ezaka niaraha niasa tamin ’ny PAM mba ahafahana manitatra lalana. Raha ny resaka ara –toekarena dia ny fambolena no tena hivelomon ’ny olona toy ny fambolena balahazo, voanembe, voanjombory, voajabo sns …. Misy koa ny manao varotr ’omby ho an ’izay efa manana vola ampiasaina. Efa manana birao eny antoerana ny projet Fivohy ary manampy ireo mponina mpamboly mba ahazahoana vola ampiasaina amin ’ny fambolena.
Olana mavesatra eny antoerana ny tsy fisian ’ny rano


Download : 20805_mainapplicationcoelocalgovernmenttsimananada.docx

Comment on Tsimanada

Your email address will not be published. Required fields are marked *