Vehivavy mitondra fampivoharana ny Tanan ’Anjozorobe


Date: May 22, 2015
  • SHARE:

Tany amboalohany dia tsy sahy naneho hevitra loatra ny vehivavy ary tsy mba afaka nanapan-kevitra fa manaraka izay tapaky ny lehilahy fotsiny .Vitsy ny vehivavy nandray anjara sy nanana ny toerany teo amin ’ny rafi-pitantanana .Mahakasika ny fandraisana mpiasa dia saika ny lehilahy avokoa no mahazo asa teo amin ’ny fanatanjahantena dia nisy taranja izay tsy nandraisan ’ny vehivavy anjara mihits fa noheverina fa an ’ny lehilahy nefa taty aoriana dia hita soritra fa efa mandray anjara amin ’izany ny vehivavy .Tsy mba hita loatra any anaty fikambana ny vehivavy fa taorian ’ny fanofanana niarahana tamin ’ny gender links sy ny fametrahana ivo-toerana mendrika dia saika ny vehivavy indray no betsaka mpikambana ( FIMIA : 15 ny mpikambana ka 12 vehivavy avokoa).Ntamin ’ny taona 2008 dia ny andron ’ny 08 Mars ihany no nankalaza ny vehivavy ary zara raha misy 80 ny mpikambana fa ankehitriny dia efa misy fifanohanana ara-tsosialy ary efa mahatratra 300 mahery ny mpikambana .
Eo amin ’ny sehatry ny fampianarana dia tsy afaka manohy fianarana loatra ny vehivavy noho ny lehilahy noho izy ireo noheverina fanaka malemy
Hatrizay dia zara raha misy vehivavy miditra amin ’ny fifidianana fa ankehitriny dia efa misasaka ny mpifaninana ho filankevitra ary isan ’ny mitana ny lohan ’ny lisitra izany
Rehefa misy fivoriam-bahoaka dia tsy mba narisika loatra ny vehivavy ary raha misy tonga aza dia tsy mba manolon-kevitra na miady hevitra ; taty aoriana kosa dia saika ny vehivavy indray no betsaka ary efa tena mandray anjara amin ’ny ady hevitra mihitsy.
Ho an ’ny fanentanana fanovana toe-tsaina raiki-tapisaka dia efa tena maro ireo vehivavy resy lahatra ary tsy dia vato misakana amin ’izany intsony ny lehilahy


Download : 20682_mainapplicationcoelocalgovermnentanjozorobe-andriamanantsoa-lova.docx

Comment on Vehivavy mitondra fampivoharana ny Tanan ’Anjozorobe

Your email address will not be published. Required fields are marked *