
SHARE:
Ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana dia efa fahendrena napetraky ny Ntaolo ho lovatsika Malagasy satria na dia eo aza ny finiavana sy ny herim-po anaranâ € ™ny tsiraira dia iaraha-mahalala fa ny asa tsy vitanâ € ™ny ireny, ary mbola mandresy lahatra koa ny teny hoe : â € œNy hevitry ny maro hono maha lasa lavitra fa ny anâ € ™ny vitsy manodidina ny fantanaâ € .
Ireo fonjan-kevitr ireo izay manome lanja ny tsiraira dia ahafahana mamaritra fa mahasoa sady maha-lasa lavitra ny FIKAMBANANâ € ™NY olona maromaro hametraka rafitra hiaraha-mitantana hisianâ € ™ny fijery mitovy indrindra eo aminâ € ™ny lahy sy ny vavy satria tsy misy afa tsy vehivavy sy lehilahy ihany anie no iankinanâ € ™ny ho avinâ € ™ny Firenena e.
Mila vehivavy sy lehilahy tomponâ € ™andraikitra samy sahy mijoro aminâ € ™ny fanapahan-kevitra ary tomponâ € ™andraikitra aminâ € ™ny fanatanterahana tokoa firenena.
Na dia mipetraka aza anefa ireo teny ireo dia hita fa mbola misy ny mizana tsindriana ila, mbola misy koa ny bao mitongilana izay mbola mametraka ho ambony mandrakariva ny lehilahy, koa izany no nahatonga ahy ho terem-panahy hanangana fikambanana mba hisianâ € ™ny fikaonan-doha sy ny fiaraha-midinika ka hahatsapanâ € ™ny vehivavy fa manan-jo feno izy na aminâ € ™ny fanapahan-kevitra na aminâ € ™ny fanatanterahana, eny fa tomponâ € ™andraikitra koa aminâ € ™ny fanapariahan-kevitra hivoy ny fitoviana na ny MIRALENTA mba hisianâ € ™ny zara mitovy eo aminâ € ™ny fiaraha-monina.
Download : 19160_mainapplicationleadershiptahin-julianaratovoson.docx
Comment on Fitarihana ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.mivohy ny miralenta mba hitondra fiovana.