
SHARE:
Name | MOANASOA |
Surname | Abdallah Robine |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | Teo amin’ny tontolon’ny asa maro ny làlana nolalovana: 2009-2017: mbola tsy nahafantantatra ny Miralenta dia niasa tao tamin’ny fikambanan’ny Kaominina 7 (ACPU-DS) miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ivelany: ka efa niandraikitra asa miompana amin’ny Miralenta sahady satria niompana tamin’ny: -Fanentanana sy fanomezana sehatra ny fikambanan’ny vehivavy sy ny fikambanan’ny tanora misy ao ananatin’ireo kaominina mitambatra amin’ny fandraisana andraikitra mba ho isan’ny herin’ny kaomina amin’ny asa anan’ny fahaizana sy mety vitany ho amin’ny tombontsoa iombonona (tsy latsaky ny 15 Fikambanana voafantina isaky ny taona) 2013: Io asa io ihany no ny nahatafiditra ahy tao anatin’ny tontolon’ny Miralenta izay fiaraha-miasa tamin’ny GL nanomboka, avy tamin’i Ramatoa Ben’ny Tanàna Antanamitarana ary nanosika ahy nisehatra sy nandray anjara tamin’ny fifaninana GL ”Sommet National” tany Tana ka hatramin’ny taona 2018 ary mitohy amin’izao fandraisako anjara amin’ny fifaninana 2019 izao; Marihina fa maro ny traik’efa azoko satria tsy vitany fiatrehana ny fifaninana isant-taona fotsiny; 2015: lasany Mpampiofan’ny GL tamin’ny koaminina ”Centre d’Excellence” tamin’ity sehatra Miralenta ity tao Joffre-ville; Mpandray anjara tamin’ny atik’asa maro mivoy Miralenta, tao ny sersera sy ny fifandraisana nisy, taony fijerena vaovao (haino aman-jery, sns,…), fiofanana isan-karazany arahin’asa; 2016: Niditra mpikambana tao amin’ny ”MOS” ary nampiharako ny Miralenta ary mpitarika niandraikitra SG ary nandraisako anjara tamin’ny Sommet National” 2018, nitondra lohaevitra ”Fiompiana akoho gasy nohatsaraina” izay tetik’asa nampisehatra ny vehivavy mambra tao izay nitarihiko ho entina mampiditra ny vehivavy mambra amin’ny sehatry ny fihariana. 2018-2019: Amin’izao dia mpitarika amin’ny fametrahana ny Firaha-monim-pirenena ifotony hiaro ny zon’ny vahoaka eo anivon’ny kaominina 7 (Diégo II) miompana amin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana tamin’ny alalan’nyfiarah- miasan’ny mpiara-miombon’antoka GIZ/ProDéCID. Tsy nitsaha-nivoy ny Miralenta ny tenako hatramin’izao. Izany hoe, teo amin’ny sehatrin’ny asa no nahafantarako ny Miralenta. Tafiditra amin’ny sehatra rehetra izy ary tena anisan’ny paik’ady entina amin’ny fampandrosoana maharitra ny fampiharana azy. |
Objectives | -Fampahafantarana ny zo sy fampiroboroboana ny Miralenta ary fanomezana andraikitra ny vehivavy izay mivoy: Fandraisana anjara mitovy ary tena ampiharina, ho an’ny vehivavy eo amin’ny sehatra rehetra (pôlitika, tsy miankina, fanjakana…); Fandraisana anjara amin’ny fiarovana tontolo iainana; Fampihofanana ho Fampahefana ny vehivavy/fikambanam-behivavy sy fikambanan’ny tanora hisehatra amin’ny famoronana asa mampidi-bola (fahazakan-teana amin’ny fihariana) sy fitantanana mifanandrify fahaiza-manaony sy vitany; Fandresendahatra bebe kokoa ny mpitondra ao anatin’ny kaominina hampihatra ny Miralenta sy hampifandray izany eo amin’ny fampandrosoana ny kaominina; Fanampiana ny kaominina hametraka fiara-miasa anivon’ny Vondron’ny Fiaraha-monim-pirenena ifotony miompana amin’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony |
Key activities | 2010-2017: tao amin’ny ACPU-DS: Fametrahana sy fanomezana sehatra ny Fikambanan’ny vehivavy sy ny Fikambanan’ny tanora tamin’ny kaominina 7 mitambatra (ACPU-DS) handray andraikitra ary ho lasa isan’ny herin’ny Kaominina eo amin’ny asa fampandrosoana; 2015: Fiaraha-miasa tamin’ny GL: -Mpampiofana (Kaominina Joffre-ville): Fandresendahatra ny ny kaominina hiditra sy iompana amin’ny Miralenta: Fampahafantarana bebe kokoa ny hevitra ijoroan’ny Miralenta sy fampifandraisana azy eo amin’ny asa fampandrosoana ny kaominina izay miompana amin’ny lohahevitra maromaro: -Hevitra fototra iompanan’ny Miralenta (fanavahana ny Miralenta sy toetra voajanahary (lahy sy vavy); -Miralenta sy ny Fitondram-panjakana (sakana ny vehivavy tsy mahazo manova amin’ny tsaratsara kokoa/sehatra pôlitika); -Miralenta sy fandravonana ady sy disadisa (trangana disadisam-piaraha-monina sy famahana azy); -Foto-kevitra sy pôlitika ahatongavana amin’ny Miralenta (fampisehoana filana fototra nsy filana andavan’andro) -Miralenta sy fiharian-karena (fampatsiahivana andraikitry sahanin’ny vehivavy tsinontsinoavin’ny fiaraha-monina); -Herisetra: Karazany, fiantraikany ary paik’ady hamahana azy; -Fiovaova: Fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fampandroana maharitra (nipoirany,fiantraikany ary paik’ady hiatrehan’azy hampandroso maharitra); Fampiofanana ny Kaominina sy fametrahanana ny Drafit’asa miompana amin’ny Miralenta Fiaraha-miasa tamin’ny PNUD/UNESCO: Fampiofanana ny Kaominina momba ny fampiharana ny Miralenta; Fikambanana ”MOS (Mutuelle des Originaires du Sambirano)”: Mpitarika sy Mpanentana (2018) : Nanentana sy nitarika ny Vehivavy mpikambana hisehatra amin’ny asa fihariana (nitarika tamin’ny fanaovana Projet hidiram-bola hoan’ny mambra tsian’asa,) ; Nampisehatra ny fikambanana amin’ny fiarovana tontolo iainana (voly hazo); Nisehatra tamin’ny Fiaraha-miasa tamin’ny ProDéCID (2018-2019) : Mpanentana/Mpitarika/Mpampiofana : Fametrahana sy Fampivondronana ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana momba ao anaty kaominina 5 Diégo II voatondro (Antanamitarana, Ramena, Sakaramy, Joffre-ville, Antsahampano) ho amin’ny ”Fiaraha-monim-pirenena” ary fampandraisana andraikitra azireo izay miompana amin’ny Miralenta. -Fahatsiarovana ratsy : sedra : teny tsy voahevitra niseho tamin’ny fanoheran’ny lehilahy sasany ny Miralenta talohan’ny naharesy lahatra azy. |
Key challenges | Ireo olana nosedraina tamin’ny fanantanterahana ny asa miompana amin’ny Miralenta: Ny tsy faharisihan’ny olona (misongadina amin’izany ny lehilahy) mamonjy ny fanentanana momba ny Miralenta na tonga fa miala tsimoramora amin’ny fivoriana ; Fanesoana sy fanakiviana an’ireo vehivavy sy lehilahy mazoto (miaraka, eso, teny ratsy tsindraindray) ; Tsy fahasahian’ny vehivavy sasany noho ny tsy fankatoavan’ny vadiny ny Miralenta (herisetra ankolaka) ; Tsy fanomezana lanja loatra an’ilay programa/fotoana nifanaovana teo amin’ny Ben’ny Tanàna sasany nefa tsy mametraka solontena mihitsy. Amin’izao anefa mipetraka ho fanamby amin’ny asako manaraka ny: -Fampiroboroboana ny Fampahafantarana ny zo sy ny Miralenta ary fampahefana ny vehivvay izay miompana indrindra amin’ny: Fandraisana anjara mitovin’ny vehivavy sy ny lehilahy eo amin’ny sehatra rehetra (pôlitika, tsy miankina, fanjakana…); Fandraisana anjara amin’ny fiarovana tontolo iainana; Fampihofanana ho amin’ny Fampahefana ny vehivavy/fikambanam-behivavy sy fikambanan’ny tanora hisehatra amin’ny famoronana asa mampidi-bola (fahazakan-tena amin’ny fihariana) sy fitantanana mifanandrify fahaiza-manaony sy vitany; Fampitan’ireo kaominina nitondra fanovana ireo ny traik’efany ho an’ny kaominina namana hafa hampihatra ny Miralenta; -Fampirindrana ny asan’ny ”Fiaraha-monim-pirenena” ifotony voapetraka isaky ny kaominina 5 iaraha-miasa, momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana maharitra kamiompana amin’ny Miralenta mandrakariva |
Results |
|
Change at the individual level | Eny, tena nanova ny fiainako ny fanantanterahako ny asa. Nahatonga izany fiovana izany dia : – Ny fahazoako fiofanana narahin’asa, fihatrehana atrik’asa momba ny Miralenta, fandraisana anjara tamin’ny fifaninana tamin’ny ”Sommet National” toy itony, fifanakalozana tamin’ny samy mpisehatra, toro-hevitra, … ; -Teo koa ny ezaka sy ny fandrindrana izany traik’efa izany teo anivon’ireo sehatra niasako maro. Ireo nanampy tamin’izany ny: Fiaraha-miasa tamin’ny: – Ramatoa Ben’ny Tanàna Antanamitarana (Diégo II); nitarika, namporisika, nampianatra; – GL, PNUD/UNESCO, ProDéCID; – Serasera, tsirin-kevitra tamin’ny alalan’ny fijerena haino aman-jery, Internet, vaky boky na Rapport-n’asa vita, tantara heno; |
Evidence of change at the individual level | Porofo 1: Anarana: JAOMANORO Filohan’ny Fikambanana ”MOS” Chef de Service Transport |
Change at the household level | Efa nianjadian’ny taiza tsy mitovy atao amin’ny zanaka lahy sy ny zanaka vavy ny tena. Rehefa niteraka dia nitaiza zanaka irery, vavy tokana ary zana-drahavaviko lahy iray. Natomboka tamin’ny fitaizako ireo zanako ny fiovana tato amiko miompana amin’ny Miralenta. Tsy rototra loatra izy teny fa ampiandohana noho ny fahitany ny fiainan’ny tompon-tranonay manana vady sy zanaka lahy, fa rehefa ampy ny fandresen-dahatra sady voaporofo tsara tamin’ny fiainanay tao antokan-trano ilay izy, lasa heriko amin’izao fotoana ireo zanako. Ny mpifanila-bodirindrina aza nitsiriritra ary nampihatra. Lasa ny zanaka lahy koa aza mazoto manampy amin’ny raharaha an-tokan-trano raha oharina amin’ny zanaka vavy. |
Evidence of change at the household level | Porofo 2: Anarana: HOUSSEN Fanampin ‘anarana: Henrfidine |
Change at institutional level | Porofo 3: Anarana : SOATERA Fanampin’anarana: Marie Delphine Andraikitra : tsy misy fidiram-bola |
Evidence of change at institutional level | Porofo 3: Anarana : SOATERA Fanampin’anarana: Marie Delphine Andraikitra : tsy misy fidiram-bola |
Change at a policy level | Eny, nahavita nanova zavatra teo amin’ny lafin’ny ara-pôlitika ny Miralenta: Lafin’ny fitondram-panjakana (rejionaly): -Ny fahasahian’ireo vehivavy misehatra amin’ny toerana pôlitika eo amin’ny fitondrana kaominina: vehivavy nanao Filohan’ny filan-kevitra kôminaly (CR Antsahampano) sy fahafahan’ireo Ben’ny Tanàna, nametraka vehivavy ho lefiny (CR Mangaoko) sy ireo vehivavymitondra servisim-panjakana na ”Privé”: Sefom-pokontany (Morafeno, CR Joffre-ville); -Fandraisan’ny Vehivavy anjara nilatsaka ho Député; -Fandraisan’ny vehivavy maro nandray anjara tamin’ny fandrindrana sy mambra biraon’ny fifidianana; -Fankatoavana sy fahafahan’ny mpitondra lehilahy manome toerana ny vehivavy eo fandraisana mpiasa; -Fankatoavana sy fanohanana ary fifidianan’ny lehilahy ny vehivavy nilatsaka ho fidina eo amin’ny toerana pôlitoka (Ben’ny Tànana, Député, Sefo fonkontany, sns); |
Evidence of change at a policy level | Porofo mivaingana: ”Vokatra ny Fifidianana Député 2019 Diégo II” izay maneho ny fahasahian’ny vehivavy nirotsaka ho fidina ary notahanan’ny vahoaka lahy sy vavy (Miralenta) |
Capacity building | Drafitra tsotsotra amin’ny asa na fanofanana nontanterahina : Dingana Famolavolana/Fanomanana: -Fanaovana jeri-todika tamin’ny asa efa natao aloha; -Fanentanana sy Fametrahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tantsoroka rehetra ; – fanomanana sy fametrahana programan’asa miaraka; -Fametrahana paik’ady entina hampahomby ny asa; -Fanomanana fitaovana mety ilaina hanantanterahana ny asa; -Fijerena ny toerana hanantanterahana ny asa; Dingana fanantanterahana: -fanentanana, fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny asa ; -Fanantanterahana ny asa araka ny programa; Dingana famaranana: -Fanaovana tombana sy tatitra ny asa natao: hanohizana ny asa ho amin’ny tsaratsara kokoa |
Lessons learned and shared | Ireo lesona azo notsoahina tamin’ireo dingana rehetra narahana amin’ny fanantanteraha ny asa: Dingana fanomanana: -Fanekenireo tantsoraka ny fiaraha-miasa amin’ilay asa hatao -Fanekena sy fankatoavan’ny rafitra hanantanterahana ny asa an’ilay asa hatao sy ny programa; vokatry ny asa: -Fitomboan’ny isan’ny fikambanan’ny vehivavy anaty kaominina misehatra amin’ny asa fihariana sy asa fitantantana; -Fivoaran’ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny tantsoroka maro momba ny fampiharana ny Miralenta; -Fitombon’ny isan’ny vehivavy mandray anjara sy misehatra amin’ny asa (fihariana, pôlitika sy fanehoana sy fanoloran- kevitra …); -Fitombon’ny isan’ny lehilahy resy lahatra sy mampihatra ny Miralenta ary manome lanja ny vehivavy mandray andraikitra; -Ny fisokafan-tsain’ireo rafitra sy fikambanana,vondrona,… amin’ny fahafantarany ny atao hoe ”Fiaraha-monim-pirenena” sy ny andraikiny, ,..) ; – Fahavononan’ireo mpisehatra fa indrindra vehivavy eo amin’ny fanantanterahana ny drafitr’asa napetraka momba ny fiaraha-monim-pirenena; |
Next Steps | Ireo lesona azo notsoahina tamin’ireo dingana rehetra narahana amin’ny fanantanteraha ny asa: Dingana fanomanana: -Fanekenireo tantsoraka ny fiaraha-miasa amin’ilay asa hatao -Fanekena sy fankatoavan’ny rafitra hanantanterahana ny asa an’ilay asa hatao sy ny programa; vokatry ny asa: -Fitomboan’ny isan’ny fikambanan’ny vehivavy anaty kaominina misehatra amin’ny asa fihariana sy asa fitantantana; -Fivoaran’ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny tantsoroka maro momba ny fampiharana ny Miralenta; -Fitombon’ny isan’ny vehivavy mandray anjara sy misehatra amin’ny asa (fihariana, pôlitika sy fanehoana sy fanoloran- kevitra …); -Fitombon’ny isan’ny lehilahy resy lahatra sy mampihatra ny Miralenta ary manome lanja ny vehivavy mandray andraikitra; -Ny fisokafan-tsain’ireo rafitra sy fikambanana,vondrona,… amin’ny fahafantarany ny atao hoe ”Fiaraha-monim-pirenena” sy ny andraikiny, ,..) ; – Fahavononan’ireo mpisehatra fa indrindra vehivavy eo amin’ny fanantanterahana ny drafitr’asa napetraka momba ny fiaraha-monim-pirenena; |
📝Read the emotional article by @nokwe_mnomiya, with a personal plea: 🇿🇦Breaking the cycle of violence!https://t.co/6kPcu2Whwm pic.twitter.com/d60tsBqJwx
— Gender Links (@GenderLinks) December 17, 2024