
SHARE:
Name | VAOAVY |
Surname | Andrianirintsoa |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | -Vaoavy Andrianirintsoa, mpampianatra ao amin’ny CEG Andoharanomaintso, mpanolontsiana kaominaly no sady mpitarika fikambanana. Manana vady aman-janaka. -Nanomboka 2008 dia efa nitarika fikambanana. -Efa Lefitry ny Ben’ny Tanana -2001 no nanganana ny cooperativa fiompiana tantely Mpiaramiombina antoka maro no niarahana nandritra ny fitaritana fikambanana toy ny “ONG”, “PNUD”, Fanjakana, “entreprise/projet” nahafahako nanampy ireo mpikambana sy ireo fikambanana izay niarahako niasa; fa indrindra fa ireo fikambanam-behivavy miasa rary, manjaitra, mpamboly sy mpiompy, mivarotra. Ireo asa ataon’ireo vehivavy ireo dia nampiarahina tamin’ny sompitra iombonana izay voalaza etsy ambony izay nampitombo ny vola miditra tao amin’ny tokantrano. Ny fahatsapako fa ny tsy fahampiana teo amin’ny vola miditra ampidirin’ny vehivavy eo amin’ny tokantrano mantsy dia ampisehoan’ny lahilahy ny heriny hoe izy irery ihany no mahavita azy ka tsy mandeha ny tokantrano raha tsy eo izy ka mahatonga azy hanjakazaka ao amin’ny tokantrano. Ny asa fitarihana mantsy dia hetsika atao mba hanovana olona na andian’olona amin’ny alaln’ny teny na hetsika ataon’ny mpitarika mba hisian’ny fandaminana mba hanatratrarana tanjona. Nanomboka ny taona 2008 no nahafantarako ny miralenta avy amin’ny alalan’ny vaovao fahita lavitra, gazety ary ny taona 2010 no nahafantarako ny miralenta miaraka amin’ny Gender Links. Ka avy amin’izany no naharesy lahatra ahy ary nahazahoako vaovao bebe kokoa mikasika ny miralenta. Ny toerana misy anay moa dia toerana ambanivohitra ka tsy dia nahazahoana vaovao firy mikasika izany ka ianao izay liana no mitady mba hampahafantarina ireo mpiara-monina |
Objectives | Ny tanjona dia ny hananan’ny vehivavy fahaleovan-tena ao an-tokantrano hampiasa ny fahaizany hahafahany mampidi-bola. Mikarakara ny ankohonany, manampy izany ny vola nomen’ny vadiny ho azy na ny vola vokatry ny asa nataony. Araka ny fiheverako manokana dia hihena ny herisetra ao an-tokantrano na ao amin’ny fiarahamonina tratra izany tanjona izany. Satria ireo vehivavy ao antin’ny fikambanana dia manana rafitra mifehy, sata, tanjona ary efa voaofana araka izay asa sahanin’izy ireo an-davanandro. Oh: Ny mpikambana miompy akoho dia nahazo fiofanana momban’ny fiompiana akoho. Eo ny miompy trondro izay amidy rehefa tonga ny hasotry ka hividianan vary |
Key activities | Ireo asa goavana natao : izahay dia nanana fikambanana : AINGA MAITSO izay mpiompy tantely ary nahatafatsangana kaoperativa niarahana tamin’ny PROSPERER ny ahy manokana dia nahavokatra tantely 250 litatra mandritra ny fotoana fisarihana , ny fisarihana nefa dia natao in-2 isan-taona nihena anefa io vokatra io fa nisy ny aretin’ny hazo ka nihena ho ampahatelony mihitsy izany teo ihany koa ny fiparitahan’ny aretina atao hoe varoazy ka tsy nisy tantely nitsidina intsony teo amin’ny faritra nisy anay , foana avokoa izany ireo tanjona napetraka. Ny asa fitarihana moa dia hetsika na fomba atao hanovana olona na andian’olona ataon’ny mpitarika ao anatin’ny fandaminana mba hanatratrarana tanjona. Nanomboka 2008 no nahafantarako ny miralenta avy amin’ny vaovao fahita lavitra sy gazety, ary ny taona 2010 no nahalalako ny miralenta izay niaraka amin’ny Gender Links avy amin’izany no naharesy lahatra ahy sady nahazahoako vaovao mikasika ny Miralenta. Ny toerana misy anay dia ambany vohitra ka sarotra vao mahazo vaovao. Voatery tsy maintsy nanagnana koperativa satria moa ny fikambanana dia voafaritry ny lalàna ihany ny asa ataony fa ny koperativa dia mifototra amin’ny fitadiavana tombom-barotra; noho izany dia ny nandresehana lahatra ny sain’ny mpikambanana sy eo amin’ny fikambanana hafa, satria raha jerena ny rafitra koperativa moa dia raharaham-barotra, tsy maintsy misy rafitra arahina, misy volam-panjakana aloha tsy maintsy mahavokatra ny mpikambanana mba omena atao anjara biriky ao anatin’ny koperativa, izany dia noheveriko fa ho tena asa goavana tokoa mandrapahatanterahan’azy ho tena ara-panjakana, ary mihodina tsara mba ho loharanom-bola ny mpikambana. Ny olana tamin’izany dia ny fahatongavan’ny aretina tantely atao hoe “varroise” izay namely ny fiompiana ka nanjary nahakivy ny mpikambana. Tsy kivy anefa ny mpikambanana na dia teo aza izany fa nanao ny asa an-davan’andro ho fidiram-bola |
Key challenges | Ny fananan’ireo vehivavy fidiram-bola ampy sy maharitra. Ao anatin’izany ny fananan’asa, izy io moa tsy voatery manaram-penitra amin’ny voalohany fa miroso tsikelikely ho amin’ny fanatsarana. Maro ny olana nosedraina teo amin’ny fikambanana satria tsy maintsy noterena an-kolaka na mivantana ny mpikambana mba hiova, satria efa fiaianana niainana mandavan-taona ireo fomba amam-panaony, efa fahazarana ho azy ireo izany ka sarotra vao mety ho afaka amin’izany. Ny toe-tsaina koa ny hoe tokantrano fiafihana izany toetsaina izany dia tsy mampivoatra, ny vehivavy dia fanaka malemy, natao ho toy ny fitaovana ao an-tokantrano. Ny toe-tsaina miankin-doha amin’ny vady hany ka rehefa misy tsy fitovian-kevitra na disadisa kely dia nahazo latsa, matetika koa moa tsy voatery ho ampy ny vola ka rehefa tsy ampy ny amin’ny ilavan’ny lehilahy azy ny vola satria izy no mitady ny vola dia mety ho voan’ny teny mafy. Izany rehetra izany dia voatery misy fiantraikany ny amin’ny tena amin’ny fanovana tiana atao. Misy koa aza ny vehivavy dia tsy mizara ny olana amin’ny namana na amin’ny havana na dia efa hita izao aza fa misy zavatra tsy milamina ny ao an-tokantrano na eo amin’ny fiaraha-monina ka tsy maintsy itadiavana vahaolana. |
Results |
|
Change at the individual level | Eny, teo amin’ny fianan-tokantrano dia nanjary niteraka fiovana ohatra teoa amin’ny fitantanam-bola, ny fifanakalozan-kevitra, ny fandraisana fanapahan-kevitra nahafahana nanao fandaminana rehetra. Teo amin’ny lafiny fiarahamonina dia nanjary afaka nandresy lahatra ny mpikambanana satria hita soritra fa nety ny natao, teo amin’ny filan-kevitra ao amin’ny kaominina satria moa ny anjara andraikitra nosahaninay dia resaka fampihavanana rehefa nisy disadisa mahazo eo amin’ny samy fianakaviana: ady tany, fianakaviana tsy mifankahazo dia izahay no mandray andraikitra mampiravona ireo disadisa ka nahitana vokatsoa izany. teo amin’ny fiainam-pikambanana koa dia hita fa milamina sady nampidi-bola ireo asa nosahan’ireo mpikambanana |
Evidence of change at the individual level | Nanjary nandresy lahatra ny olona ny zavatra natao. Tsy mitsanga-menatra ny tena raha mitaha eo amin’ny fiaraha – monina, na eo amin’ny samy mpikambana. Mitombo ny vokatra azo: afaka mianatra ny ankizy ary voaloa ny hofa-trano sy ny saram-pianarana. Ramatoa RAZANANDRAKOTO Noeline no tena nanampy ary nampisy ny fiovana sy fivoarana teo amin’ny fiainanay, ny asany moa dia mpivarotra ary ny andraikiny dia filohan’ny filan-kevitra kominaly. Taloha dia nitrosa, rehefa taty aoriana anefa dia afaka izany ka afaka mividy fitaovana.Afaka mividy vokatra rehefa tong any fiakaran’ny vokatra. Afaka manome vahaolana ho an’ny mpikambana sy ny fiarahamonina rehefa misy ilàna izany. |
Change at the household level | Mihena ny fahasahiranana, mihena manaraka izany koa ny fifandirana madinidinika satria efa samy manana ny andraikiny sy ny anjara asany ka samy manao izay hampahomby izay tandrify azy, ary koa nahay naira-niasa. Maro moa ireo ankizy ka tsy mora ny asa fivelomana sy ny fiantohana azy ireo ka matetika ny fianakaviana n any mpiara-monina no mazàna mamendrofendro. Misy aza ny miteny hoe manao fiteraham – bitro. Amin’izao anefa ny vavy matoa dia efa kilasy fahatelo eny amin’ny “Université” , ny faharoa dia kilasy voalohany. Izany rehetra izany dia vokatry ny ezaka natao dia niteraka fiovana. |
Evidence of change at the household level | Niteraka fiovana teo amin’ny tokan-trano: teo amin’ny fitantanana dia nampiasa kahie fitantanana ny vola miditra sy mivoaka. -Voafehy ny vokatra ary mbola afaka nividy. Afaka nindram-bola satria efa manana ny hatao antoka izay vao omen’ny mpamatsy vola: -Atoa ANDRIANATOANDRO Rolland: mpampianatra, sekretera generaly ny kaominina dia manaporofo fa rehefa misy ny disadisa dia ao anatin’ny mpandray anjara amin’ny fampihavanana indrindra rehefa misy vehivavy na renim-pianakaviana nisara-bady ka nitaky ny zony dia manome vahana ireo vehivay ireo izahay ary manome rariny izahay ary tsy ataonay ambanin-javatra ny fanohanana azy ireo |
Change at institutional level | Rtoa RAZANAMALY Helene: mpikambana ao amin’ny fikambanam-behivavy manao asa rary. Porofon’izany ny fahaleovan-tenany amin’ny varotra ataony amin’ny vokatra rary. Raha te hampivoatra ny firenena dia ny vehivavy no ampivoarina voalohany satria ao amin’ny Baiboly dia milaza hoe: “Omeo vehivavy Hendry hanorenana firenena vanona”. Handray ohatra misy lehilahy iray mandray karama an-tapitrisany: raha tsy mahay mitantana ny vadiny dia ho very maina foana izany ka tsy ahavitàna na inona na inona. Izany fiheverana izany no entina andresena lahatra ny lehilahy hoe tsara raha mahay mifanara-tsaina mba ahahafana mahazo voka-tsoa. Mahay mitantana kokoa ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny lehilahy, indrindra moa efa nampihatra ny fiofanana nomena. Fanentanana sy fanamafisana io Ramatoa nijoro vavolombelona io dia tsy de mahay taratasy loatra nefa raha jerena ny zavatra nataony dia naharesy lahatra tokoa raha teo amin’ny fikambanana nisy azy izay mampihatra ny maha miralenta, izy koa dia fikambanam-behivavy ao am-piangonana ka mora ho azy ny manentana |
Evidence of change at institutional level | Rtoa RAZANAMALY Helene: mpikambana ao amin’ny fikambanam-behivavy manao asa rary. Porofon’izany ny fahaleovan-tenany amin’ny varotra ataony amin’ny vokatra rary. Raha te hampivoatra ny firenena dia ny vehivavy no ampivoarina voalohany satria ao amin’ny Baiboly dia milaza hoe: “Omeo vehivavy Hendry hanorenana firenena vanona”. Handray ohatra misy lehilahy iray mandray karama an-tapitrisany: raha tsy mahay mitantana ny vadiny dia ho very maina foana izany ka tsy ahavitàna na inona na inona. Izany fiheverana izany no entina andresena lahatra ny lehilahy hoe tsara raha mahay mifanara-tsaina mba ahahafana mahazo voka-tsoa. Mahay mitantana kokoa ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny lehilahy, indrindra moa efa nampihatra ny fiofanana nomena. Fanentanana sy fanamafisana io Ramatoa nijoro vavolombelona io dia tsy de mahay taratasy loatra nefa raha jerena ny zavatra nataony dia naharesy lahatra tokoa raha teo amin’ny fikambanana nisy azy izay mampihatra ny maha miralenta, izy koa dia fikambanam-behivavy ao am-piangonana ka mora ho azy ny manentana |
Change at a policy level | Tsy tratra ny tanjona 50/50 nefa kosa mba efa misy vehivavy manana andraikitra eo amin’ny kaominina: filohan’ny filan-kevitra, mambra. Eo amin’ny mpanatanteraka: lefitrin’ ny Ben’ny Tanàna dia vehivavy. Filohan’ny fokontany iray ny vehivavy. Maro ny vehivavy no filoha raha eo amin’ny sehatry ny fikambanana no asian-teny. Na izany aza dia miteraka fiovana ihany izany teo amin’ny sehatra politika raha teo amin’ny faritra misy anay. Raha jerena teo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, rehefa misy ny disadisa ka voatery irotsahan’ny filan-kevitra andraikitra eo amin’ny fapihavanana dia mazàna tena ilaina ny hevitry ny vehivavy. Indrindra ny fiarovana ny zony; fitsinjovana ny ankizy satria ny vehivavy irery ihany no matetika mahatsapa ireo voalaza ireo. Tsy zakan’ny vehivavy ny fanaovana herisetra ka mahatonga azy ireo hiaro fatratra izany. Noho izany dia ilàna fifanampiana izy ireo mba ahafahana manatanteraka ny tanjona miralenta. |
Evidence of change at a policy level | Mandresy lahatra kokoa ny vehivavy manana andraikitra amin’ny sehatra poliotika satria izy ireo matetika rehefa manapa – kevitra dia avy amin’ny teny ieràna. Miaro ny tombotsoa ho an’ny tokatrano, ny ankizy, ny vehivavy : ohatra eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana dia tsy ataony ambanin-javatra satria ny vehivavy mihitsy no mijaly raha tsy milamina ny tany, raha tara fodiana ny ankizy amin’ny alina ka mahatonga azy ireo tsy hilamin-tsaina. Eo amin’ny lafiny fahasalamana indray dia ny reny ihany no sahirana rehefa misy tsy salama. Ny amin’ny fanabeazana dia tsy mety mihitsy ny fisainany raha tsy mianatra ireo ankizy ka manjary aretina ho azy ny mahita ireo zanany tsy mahomby amin’ny fiainana. Ny eo amin’ny toe-karena moa dia ny vehivavy ihany no miantoka na misy na tsy misy ao an-tokan-trano. Ka izany no mahatonga ny mpikambana hanampy tosika ny vehivavy handray andraikitra eo amin’ny sehatra politika mba hananany toerana eo amin’ny sehatra fanapahan-kevitra. |
Capacity building | 1-Daty: Janoary 2018 Asa atao: Fanentanana Tompon’andraikitra: Mpitarika, Adjoint Maire, Filan-kevitra Tanjona: Mahafantatra tsara ireo olana mianjady amin’ny vehivavy 2-Daty: Mars 2018 3-Daty: Janoary 2018 4-Daty: Aprily 2018 Satria miovaova araka ny vanim-potoana ny fivoarana ka raha araka ny fiheverako azy dia mila mpampiofana maty anina sy maharaka toetrandro no tokony omana ny mpikambanana fa ny anay dia mijanona ho mpanolo-kevitra ny fikambanana ihany sy manao asa fanentanana. Amin’izao fotoana izao ny mpikambanana dia mila ny atao hoe “busness plan” ary koa mahay “internet” izany dia ilana fitaovana manara-penitra toy ny “ordinateur” na farafaharatsiny “smart phone” mba ahafahana mifanerasera sy mifampita vaovao. |
Lessons learned and shared | Lesona notsoahina sy fizarana Rehefa natao an-dray mijery izany rehetra izany dia tsy diso ary tokony hamafisina araka izay azo atao ny fanatanterahana ny Miralenta satria tsy vitan’ny lehilahy irery ihany ny fiainana fa tena mila fifanampiana indrindra fa avy amin’ny vehivavy; natao hifanampy ny lahy sy ny vavy, natao hifameno. Ny Soratra Masina aza miteny fa “tsy tsara raha irery ny lehilahy”. Isaka Malagasy dia manamafy koa ny hoe “tsar any roan oho ny iray”. Ilaina koa ny fisian’ny Organisation International toy ny Gender Links mba hanamafy ary manampy eo amin’ny fitakiana izany Miralenta izany : hananana antontam – baovao, antontan – kevitra, fahalalana, fiofanana, serasera, ka ahafahan’ny mpikambana mampitombo ny fahgaiza – manao. Raha izany aza dia tokony hamafisina araka ny lalàana ihany ny fampiharana mahakasika ny miralenta, hoan’ny fiarahamonina misy anay dia mbola maro ireo olona tsy mbola mampihatra ny miralenta fa mbola ny fiainana nentim-paharazana ihany no ampiasain’izy ireo satriany fokontany misy anay dia 23 fokontany ka ny akaiky indrindra dia ny 5km ary y lavitra indrindra dia 30km. |
Next Steps | Dingana manaraka. Ny drafitr’asa manaraka dia toy izao : – Mampiantso fivoriana ho an’ireo voakasika. – Manao tatitra amin’ny mpikambana. – Miara – mandrafitra drafitr’asa mandritra ny taona miaraka amin’ny mpikambana. – Mandamina ny fotoana. – Mizara andraikitra. – Misafidy ny loha – hevitra – Mamertaka tanjona. – Mitady mpiara – miombin’antoka. – Mifanome fotoana ny hiaonana amin’ny manaraka. Amin’ny alalan’ny fikambanana ihany no ahafahako manao asa fanentanana miralenta satria io misy rafitra mitantana azy. Izaho mantsy araka ny voalaza etsy ambony dia efa natafatsangana fikambanana roa (fikambanana AINGA MAINTSO ary fikambanan MIATRIKA) ary efa natafatsangana Koperativa LOHARANO. Satria efa rafitra ara-panjakana ireo ary manana sata sy fifehezana ary fandaminana mazava tsara. Noho izany ao amin’ireo no manao ny fanentanana sy mampita vaovaomahakasika ny miralenta ka manampy ahy amin’izany ireo mpikambanana ny miralenta Gender Links ao amin’ny kaominina mba hahomby tsara ny fiarahamiasa |