Madagascar – BAVY Blandine


Date: September 25, 2018
  • SHARE:

Nanomboka tamin’ny 2012 izay vehivavy ratran’ny herisetra sasany izay manana asa atao hampihofanana amin’ny asa fandraharahana voalohany izay nomen’ny Gender Links . Izao moa izany dia mpitarika mitondra fanovana satria afaka mifaninana amin’ny lehilahy eo amin’ny asa fandraharahana izay ataoko ary mahaleo tena ara-bola tsara mihintsy afaka mamelona ny ankohonako tsara mihintsy.

Maro ny traikefa azoko tamin’ny Gender Links teo ny famphafantarana ny atao hoe herisetra sy ny endrika isehoany. Ny fahatokisan’tena eo amin’ny asa fandraharahana, na fahafantarana ny asa fandraharahana ho atao arakaraka ny zava-misy, ny fomba fitantanana vola, fitaovana, olona, sns.

Ny toerana niarahana niasa tamin’ny Gender Links voalohany tany amin’ny salle d’oeuvre sacre Coeur ; ny faharoa teny amin’ny ex capricort ary ny fahatelo tao amin’ny lapan’y Tanana n’ny toamasina . Ny fahaefatra teny anivon’ny centre de jeune. Ny lesoka tamin’izany dia tokony mijery ny partenariat koa ny Gender Links satria efa niomana tamin’izany ny mpandraharaha rehetra.

Tena hita fa nisy fiovana ilai olona satria afaka nanao izay asa nikarakaraina toy ny fanaovana asa antsitrapo sy ny fanampiany ny namany ary ny ankohonanay noho ny ezaky ny Gender Links , far aha manampy kosa ny Gender Liks nefa zay tsy manao dia zava-poana izany ezaka izany.

Be dia be mihintsy ny anjara biriky ny Gender Links tamin’ny fanomezana fiofanana isan’karazany toy ny: ny fitantanana betsaka ny olona na dia misy fidiram’bola ka tsy mahay mitantana dia ohatry ny tsy misy satria azo androany lany androany.

Ny fiovana dia lasa sahy mandray andraikitra amin’ny asa atao ohatra: izahay ao amin’ny CECJ dia tsy mandray vola nefa afaka ny tenako manatanteraka izany asa izany tsy misy tambiny.

Nisy fiovana teo anivon’ny fianakaviana taloha izany ianao mba hindraman’ny zanakao vola dia tsy manana nefa izao ankehitriny dia afaka mampindrana n znakao na mikarakara na manampy ny fianakaviana izay tsy manan’katao. Ny fomba fandraisan’ny fianakaviana dia toy ny olona rrehetra hajaina ireny fa manomboka masin-teny.

Nisy fiantraikany amin’ny manodidina izany fiovana izany satria tery ny toerana misy anay dia tafavoaka ny gana dia potikan’ny fiara sy motot ary bicyclette dia maty dia ireo mihintsy no miteny hoe maninona moa raha apetraka aty aminay izy ireo dia ianreo no manatona dia izao izahay dia samy mitahiry gana fa ny an’ny zareo tsy atavizina fa amidy amin’izao.

Ny tenako rahateo filohan’ny fikambanana dia mandritra ny fiala-tsasatra ireny dia afaka mampianatra mahandro (mofomamy sns.) sy mampianatra zaitra ny zanaky ny sahirana eo amin’ny fokontany misy anay ny tenako maimaim-poana izany.

Izany zava’baovao izany dia efa nampitako tamin’ny lehibenay tany toamasina ary mety nandefa tatitra taty amin’ny Gender Links fa mbola tsy tong any sary ary mbola alefako aty amin’ny Gender Links ny tatitra rehetra.

Ny olana nisedraiko nandritra ny fitantanana ny fiainako dia ny ara’bola anatanterahana ny asa nefa efa nampianarina izahay asa fitantanana dia afaka mindrana vola tamin’ny ACEP aho namahana izany.

Ny dingana manaraka dia ezahina ny hampiroborobo ny asa fandraharahana natao satria efa betsaka ny traikefa azo dia ampiharina daholo.

Fisaorana no omena ny akipan’ny Gender Links fa indrindra indrindra I Ramatoa IALFINE dia nanampy nampivoatra anay ary tena nampivoatra ny madinika mihintsy ( ohatra tsy nitaingina fiaramanidina aho raha tsy Madama IALFINE) ary enga anie mba ho samy tahian’ANDRIAMANITRA sy ny Razantsika isika mianakavy ary ho lava andro iainana eto antany ary toloran-jafy tehina.