
SHARE:
Name | DIANELA |
Surname | Eliasy Cinna |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | – Mpikambana sady mpampianatra ao amin’ny Formation Professionnalle Duale (FPD), sampan Anglais des Affaires Chambre de Commerce et d’Industrie (CCI) Amoron’I Mania – Maro ny activité sy ateliers de formation natrehana. Voaantso tamin’ireny karazam-pivoriana sy fiofanana ireny – Nitombo ny fifandraisana tamin’ny karazana olona samihafa (VIP) – Voafidy ho filohan’ny Fikambanan’ny Vehivavy 08 Mars. Mpikambana ao amin’ny Vehivavy Miralenta ho amin’ny Fampandrosoana (VMLF). Filoha ny OSC/EAH. Assistante CRDW Diorano Wash Amoron’I Mania. VP-EFOI.RAF Plateforme Mivoatra Amoron’I Mania. Membre FPOI. Présidente Centre d’Ecoute et de Conseil Juridique NY MAMOHA (CECJ). |
Objectives | – « Egalités entre les sexes, Inégalités réduites » – « Eau propre et Assainissement » – « Faim zéro, Consommation et production responsable » – « Travail décent et croissance économique » |
Key activities | – Ady amin’ny Herisatra atao amin’ny Vehivavy sy ny Ankizy indrindra amin’izao « 16 jours d’Activisme » izao. – Fiofanana momba ny fiompiana Akoho gasy, Caille na Tsipoy, Akanga, Vorontsiloza. – Fanentanana mombany Rano, Fanadiovana sy Fidiovana « Eau, Hygiène, Assanissement EAH ». Ny maha zava-dehibe ny fahadiovan’ny Rano mba tsy ho tonga any amin’ny Aretina. – Fananganana ireo Antenina OSC/EAH any amin’ny Distrika efatra : Fandriana, Manandriana, Ambatofinandrahana ary Ambositra – Ny fahatsiarovana ratsy: ireo mpisehatra variana amin’ny fahazarana raiki-tapisaka |
Key challenges | – Feno loatra ny fandaharam-potoana ao anatin’ny herinandro – Misy toerana tsy tongan’ny fiarakodia dia voatery mandeha an-tongotra – Rehefa nahazo fiofanana momba ny fiompianna Akoho Gasy, … ireo ny mpisehatra dia nitombo indray ny mpangalatra ny biby fiompy satria avolenta karazana kokoa ny azy ireo noho ireo mpiompy Ankoho miparitana tsy misy fanaraha-maso. |
Results |
|
Change at the individual level | – Eny, tena nanova zavatra maro, nitombo fahalalana, nahazo traikefa, fahasahiana, tsy nisy tahotra intsony, vonona hisedra ny amin’ny izay miseho. – Noho ireo fiofanana sy fifanakalozana azoko tamin’ireo mpiara-miasa voalaza manaraka ireto: UNFPA, UNICEF, BIT/OIT, WWF, WaterAid, EISA Madagascar, Genderlinks, Linkages/JSI-USAID, Water Week of SADC in Madagascar, VIH/SIDA with PCV Peace Corps Volunteers, … no nanampy ahy tamin’ny fiovana |
Evidence of change at the individual level | – Izaho ANDRIAMANJATOARIVO Jacob Filoha ny Chambre de Commerce et d’Industrie / CCI Amoron’i Mania dia milaza fa RALINIVOMIHAJA dia memdrika amin’ny asa ataony. Nandresy lahatra olona maro hanao ezaka amin’izay manandrify azy, ary nitondra fampandrosoanamaharitra amin’ny maha-pitarika azt. Tena modely ary tsara ho fankan-tahaka.Tena ao aminy ilay fenitra ny « 17 Objectifs de Développement Durables ». |
Change at the household level | – Nanova fomba fijery maro, nanatsara ny fomba fiasa, nampivoatra ny toe-tsaina sy ny fahaiza-manao. – Mitombo ny fifanajana ao an-tokatrano sy ny manodidina. Afaka mifampihaino ny tsirairay (mahay mihaino ny hafa), mahay mifanampy sy mifanakalo hevitra rehefa misy asa iray ho tanterahina. – Ny fahafantaran’izy ireo ny lanjan’ny zavatra rehetra (valeur), ohatra: ny vehivavy, ny lehilahy, ny ankizy, ny vokatra amin’ny fambolena, … ary mifameno sy mifanampy ireo rehetra ireo. |
Evidence of change at the household level | – Izaho RASOLOFOARISOA Lydia Alphonsine, Filoha ny Vehivavy Miralenta ho amin’ny Fampandrosoana / VMLF Amoron’I Mania dia akaiky tena akaiky ary mahita ny fivoaram-piainann’ny fianakaviana misy an’ni RALINIVOMIHAJA ny maha-pitarika nitondra fampandrosoana ho an’olona maro, Tsy latsa-danja amin’izany ireo ankohonany. |
Change at institutional level | – Izaho MAMINIRINA Rijasoa, Agent de Plateforme Mivoatra AMM dia manamaina ireo voalaza eo ambony. Tena mendrika ho azy ny maha-Mpitarika |
Evidence of change at institutional level | – Izaho MAMINIRINA Rijasoa, Agent de Plateforme Mivoatra AMM dia manamaina ireo voalaza eo ambony. Tena mendrika ho azy ny maha-Mpitarika |
Change at a policy level | – Niala tamin’ny fahazarana « Routine » ny tsirairay ary nametraka « Terme de programme ». – Nametraka tanjona sy fomba fijery ho tratrarina « visio », ary narindra hifanaraka amin’izany ny andraikitra « mission ». – Voarindra tsara avokoa ny “Objectifs” sy ny “Strategie de programme” ao amin’ny “Plan d’activités” ny Fikambanana fa tsy nandeha anjambany intsony rehefa miasa. – Faritra Amoron’I Mania no toerana iasana “Zone d’intervention à AMM”. Ny Lehibe ny Faritra, ny Prefet ary ireo tompon’andraikitra ambony aty an-toerana dia resy lahatra avokoa noho ny fiatraikan’ny asa vita hita taratra any amin’ireo toeram-piasan’ny tsirairay « Politique de travail ». – Niova ny fomba fijery, ny fomba fiasa ary ny fomba firesaka. – Nitondra firaisankina hampivoatra sy hampandroso ny faritra misy aty an-toerana ny fahavitan’ny asa. – Ny asa vita dia azo ampiharina amin’ny faritra rehetra na aiza na aiza satria nitondra fiovana. |
Evidence of change at a policy level | …Izaho Simon NOMENJANAHARY, Journaliste et Directeur Radio Feon’i Mania FM 104 AMM dia manamarina fa RALINIVOMIHAJA dia tena Vehivavy Mpitarika sady mpanentana ireo Vehivavy namany amin’ny fandraisana andraikitra. Manana anjara atolotra izy eto amin’ny Radio FM isaky ny Alatsinainy faran’ny volana amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora : « Sensibilisation des masses sur l’Approche Genre » ary azony ovaina ny Lohateny arakaraka ny zava-misy. Ao anatin’ny « 16 jours d’Activisme » izao isika, dia miresaka momba ny « Violences basée sur le Genre » no tena anaovany fanentanana. Efa fotoana maro no niarahanay niasa taminy. |
Capacity building | – Fomba fifandaharana sy fandresendahatra “Technique de Plaidoyer” – Dinika sosialy « Dialogue Social » – Fifampiraharana iombonana « Négociation Collective » – Ny atao hoe fiainam-pikambanana « Vie Associative » – Renforcement des capacités entre les Femmes Opérateur à Amoron’i Mania (voir annexe) |
Lessons learned and shared | – Nandraisana lesona betsaka ny fanatanterahana ny asa : afaka nifampihaino sy nanome torohevitra « Ecoute et Conseil », nialana izay hita fa tsy mety, niezaka nanatsara ny fomba mahasoa hitondrana fampandrosoana ahazoana ny tombotsoa. – Tsy nanenia ary tsy matiantoka ny tenako nanatanteraka ny asa vita ary mbola vonona ny amin’izay atao. |
Next Steps | – Fifampizarana « Echange et politique de développement durable entre les Femmes dans les Région à Madagascar ». Ohatra : Eo amin’ny samy Vehivavy Ny Filohan’ny Fikambananan’ny Vehivavy 08 Mars rehetra eto Madagascar, avy amin’ny Faritra noraisina, izay miisa 22. Tsara raha avory amin’ny toerana iray, hifampizara ny fahaiza-manao izay misy avy amin’ny Faritra misy azy avy. Amin’ny maha Vehivavy mpitarika « Femme Leader » azy ireo dia tsotra ny hampitana ny hafatra aorian’ny fifampizarana. Antenaina ianareo Genderlinks sy ny ekipa mba hamolavola ho amin’ny fanatanterahana izany. |