Madagascar: Irma RAKOTOMALALA


Date: August 24, 2018
  • SHARE:

“Mpitarika mahomby eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana”.

Ny nahafantaran’ny olona ahy tamin’ny voalohany dia noho izaho vice-PDS teo amin’ny kaominina ambonivohitr’I Morondava: tao no nanao fifaninanan tamin’ny fihaonambe antampony dia nahazo ny laharana talohaloha ihany, ka nahatonga ny kaominina Morondava ho Kaominina mendrika, nanomboka teo ny fivoizana mafy ny fampanjakana ny miralenta teo @ asa rehetra natao: fanomezana kopia maimaimpoana ho an’izay tsy nahavita izany, fampandraisana aanjara ny lehilahy t@ fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy, fampandraisana anjara ny rehetra ary fametrahana ho laharam-pahamehana ny vehivavy teo @ fizarana rano fisotro madio (paompin-drano isampokontany); laharam-pahamehana ny vehivavy @ fanaovana asa-tana-maro; fijerena manokana ny vehivavy t@ fizarana toeram-pivarotana tao an-tsena, … Tamin’izany koa dia voafidy ho mpitarika ny Fikambanam-behivavy teo anivon’ny Faritra ny tena (taona 2011), Mbola ny tena ihany no nanangana ny fikambanana Komity Miralenta Mamiratse eto Morondava; nanavao ny birao ny fikambanambehivavy 8 marsa ny 26 janvier 2018 teo dia mbola voafidy ho mpitarika ity fikambanana ity indray ny tena/Tsy vehivavy ihany no mikambana ato amin’ity fikambanana ity fa misy koa ireo lehilahy mahatsapa-tena fa tsara ny fiaraha-miasan(ny miralenta.

Ny tsy fandriampahalemana: ny halatra olona.hanjaka ny filaminana, hampandroso bebe kokoa, handraisan’ny rehetra anjara.

Nanangana ireo fikambanana miralenta:

  1. ireo ihany koa no niara-niasa @ ady @ tsy fandriam-pahalemana
  • natao ny atrikasa itadiavana vahaolana
  • Fampandraisana anjara ny rehetra no atao
  • Ny lehilahy manao ny andrimasompokonolona, ny vehivavy mikarakara ny entimanana (sakafo)
  1. Fitadiavana famatsiam-bola ho an’ny mpikambana hanatsarany ny fari-piainany

Tena nanova zavatra be tamiko ny nanao ity fampiharana ny miralenta ity: nampisy fanomezana toerana mandrakariva ny lahy sy ny vavy indrindra teo amin’ny atao rehetra; fanaovana laharam-pahamehana ny vehivavy. Samy afaka maneho ny heviny ankahalalahana ny rehetra arak’izay hita fa mety hahasoa ny fiainana andavan’andro.Ny tena nahatonga ny fanovana dia ny fahitana fa raha ny vehivavy no manao ny asa, na tompon’andraikitra voalohany @ asa atao iray dia vita tsara kokoa sy malaky.Ny mpiara-miasa, ny fiaraha-monina, ny mpiray fikambanana sy ireo fikambanana hhafa izay Mivoy koa ny miralenta, ny fitondram-panjakana, no anisan’ny nanampyb tamin’izany.

Tao ampiasana dia samy nahatsapa ny rehetra fa ny tolotr’asa omen’ny vehivavy sy ireo manana fahasembanana no tsy maintsy atao Laharampahamehana.

Nampitomboina ny isan’ny vehivavy mpiasa eo anivon’ny kaominina misy anay

Teo amin’ny fikambanana dia samy afaka miady hevitra sy manome ny heviny ny sirairayv ( tanora, vehivavy, lehilahy, manana fahasembanana)

Mahavita bebe kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy raha ny fandraisana andraikitra no resahina, ary ny manana fahasembanana kosa dia tsy latsak’izany.

Ny dingana manaraka tiako hotanterahina dia fametrahana komity ny fandriampahalemana anjakan4ny miralenta @ireo fokontany sisa, Fitadiavana famatsiam-bola hafa bebe kokoa ho an’ireo efa nahazo izany ary Fanentanana ny kaominina manodididna @ fandriampahalemana anjakan’ny miralenta tanteraka.