
SHARE:
Name | RANIRISOARIFIDY |
Surname | Jeanine Pascale |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | Tena manamarika ahy amin’ny maha mpitarika dia ny asako maha mpisolovava ahy. Na eo anivon’ny fiaraha-monina dia tsampako fa mitondra fiovam-piainana sy fandraisana miaraka amin’ny fifanankalozana eo amin’ny olona hafa. Ny fanentanana momba ny zon’olombelona eo amin’ny sehatra misy ny sokajin’olona ara-piaraha-monina no iompananan’ny famelabelarana sy fanentanana. Tsindriko manokana ny amin’ny Miralenta fototry ny fanajana ny zonolombelona. Zo ara-toe-karena : finiaivana hanatsarana ny fihariana, hampivelarana ny fiarim-pianan’ny olona amin’ny alalan’ny fananganana tetikasa madinika. Zo ara-tsosialy : Fahavitrihan’ireo misitraka ny fanentanana nataoko, ka maro ny olona no niova na nanova fihetsika mendrika eo amin’ny mpiara-belona aminy, mahay mifanaja sy mihaino ny hafa, mizara traikefa sy fahalalana momba ny zo fototra. Tsapa fa tafita ny hafatra satria mivaingana ny vokatra hita, miara-mirimbona ny lahy sy ny vavy izay antoky ny fampandrosoana haingana ny firenena. Tranganjavatra niseho izay nanirahana ahy tany Mahanoro nijery akaiky ka nanadihady ireo fokonolona tompon-tany miisa teo amin’ny 900 mahery eo izay niharan’ny fandroahana azy ireo teo amin’ny taniny fa tonga ny taranakin’ny vazaha colon. Tao anatin’ny fihenoana ny alahelon’izy ireo noho ny fanitsakitsahana ireo zo fototra no nampidirana ny Miralenta mba ho fanoitra hanoherana ny ankilany izay manam-bola ka manarama olona vitsy ao amin’ny fokonolona ihany hanao fanokorontanana sy fanimbana ireo fambolena sy foto-drafitrasa madinika nataon’ny fokonolona (toha-drano, lalana madinika). Ankehitriny dia resin’ny fokonolona tamin’ny fahafantaran’izy ireo ny zo ananany ho fiarovana ny Tanindrazana ka nahatsapany fa ny firaisan-kinan’ny lahy sy ny vavy dia tsy inona fa fahatsapana ny fitovian-jo miteraka fifanajana sy fahatsapana andraikitra eo amin’ny fampivoarana ny fiainany. Tafita ny hafatra. |
Objectives | . Ny ampahany amin’ny tanjona napetrako dia ireto avy : – Ady amin’ny fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy : hananan’ny vehivavy asa mampidi-bola, ka hananany fahaleovan-tena ara-bola , hanampiany ny vola izay nomen’ny vadiny azy, hampihenana ny herisetra ataon’ny lehilahy na ny fianakaviana na ny fiaraha monina izay miantraika amin’ny vehivavy. – Ady amin’ny fananan-tany : Misoratra amin’ny vehivavy ny tany, ny fokonolona tsy azo esorina amin’ny tanindrazany na dia misy tombotsoa iombonana aza mba ho fanajana ny hasin’ny tanindrazana sy ny hasin’ny maha olona miaina malalaka eo amin’ny taniny. -Ady amin’ny kolikoly : Fanabeazana isan-tokantrano. |
Key activities | . Ny asa nataoko nisongadina tsaroako amin’ny maha mpitarika ahy dia nasehoko eo am-panatanterahako ny asako maha mpisolo vava : nanao ny asa fanentanana momban’ny zo fananan-tany Kaominina Sandrandahy, Faritra Amoron’i Mania momba. Tany vita baorina tsy ananan’ny tompony Zo mizaka malalaka eo noho ny Didim-pitsarana mandrara azy indray tsy hikasika ny taniny. Rehefa nidinana teny ifotony sy nihaona tamin’ireo Fokonolona manodidina miaraka amin’ny tompon’ny tany mba ahazahoana io loharanom-baovao mazava io dia toy izao no fehiny : natolotra sy naharesy lahatra ny mpanatrika rehetra. – Tsy mahazo miala eo amin’ny taniny vita baorina ny tompony satria ny lalĂ na iraisam-pirenena izay tsy maintsy ankatoavin’ny Firenena Malagasy izay nanao sonia tamin’izany no tsy maintsy ampiharina amin’ireto olona tompon’ny tany ireto. -Namaly ny fangatahan’ny mpanatrika fivoriana ny amin’ny lalĂ na momban’ny ady amin’ny kolikoly. Nisy “dĂ©pliant” nozaraina tamin’izy ireo momba ny kolikoly sy ny ady atao aminy. -Nanamafy nanazava ny amin’ny andro iraisam-pirenena momban’ny zon’olombelona ny 10 desambra izay mbola vitsy ny nahafantatra ny fisian’izany fankalazana izany. Nohararaotina tamin’izany ny fitanisana ireo zon’olombelona and.30 miaro ny zon’olombelona. -Mbola betsaka ny herisetra voatanisan’ny mpandray anjara : fanolanana zaza tsy ampy taona tsy misy fanadihadiana akory noho ny tsy filazĂ na ny heloka. Nentanina ireo Fokonolona mba hanangana “Andriamaso momban’ny herisetra” ka ny Filohan’ny fokontany no notolorana sy handray ny andraikitra feno hahatanteraka ny fandraisana ny fitarainan’ny olona olona niharan’ny herisetra.Ny fahatsiarovana ratsy niainako dia ny nahitako ireo tantsaha tsy tena mahafantatra ny zony ka lasa matahotra na tsy maneho ny marina hita maso. Herisetra goavana atao amin’ny olona ny tsy fampahafantarana azy ny zony. |
Key challenges | Maro ny olana nosedraina na teo amin’ny fikambanana misy ahy indrindra fa teo amin’ny fanaovana asa mpisolo vava. Teo amin’ny fikambanana : Isaky ny fivoriana atao dia ny vehivavy hatrany no tonga eo na dia nisy aza ny fanentanana mba hahatongavan’ny vadin’izy ireo hanatrika ny famelabelarana sy fampizarana traikefa eo amin’ny fandaminana sy fanatsarana ny fiainan’ny ankohonana. Namaly ny tatitra ny vehivavy tonga nilaza fa tsy manam-potoana amin’izany ny vadin’izy ireo fa “mandany andro hono” sady “tsy mampidi-bola ho azy”. Nisy vehivavy nijanona tsy ho mpikambana intsony noho ny fanakanan’ny vadiny azy satria “manely tokan-trano hono”. Noho izany dia mijery vahaolana ahafahan’ny mpitarika mampita ny hafatra ka nanapa-kevitra fa hatao famangiana isan-tokantrano ny fomba hanentanana ny lehilahy momba ny miralenta, ny zavatra hita indray rehefa tonga ny fotoana dia tsy tratra an-trano ny lahy fa niasa hoy ny vavy. -Nanantona ny Filoham-pokontany ny fikambanana mba hiaraha-miasa ka ao anatin’ny Fivoriam-bepokontany no nahazahoan’ny fikambanana namelabelatra ny fitovian-jo’ny lahy sy vavy na ny Miralenta. -Hita koa anefa fa rehefa hiditra eo amin’ny anjara fotoana hanaovana ny fampahafantarana ny Miralenta dia efa nisy sahady ny lehilahy miala mody tsy miandry ny firavan’ny fivoriam-bepokontany. -Nisy ihany koa anefa ireo vehivavy niala tsy ho mpikambana intsony ny fanabeazana nomen’ireo Ray aman-dreny nitaiza azy izay mbola nitazona ny fomba fametrahana ny lahy ho ambony toerana amin’ny sehatra rehetra. -Tsy fahampian’ny enti-manana eo amin’ny fikambanana mba hahafahan’ny mpikambana miatrika atrik’asa sy fiofanana momban’ny Miralenta. |
Results |
|
Change at the individual level | Nanova ny fiainako tokoa ny fanatanterahana ny asa maha mpitarika ahy. Ny antony lehibe tamiko dia nahafantarako sokajin’olona maro be amina sehatrasa marobe ka nahazahoako fahalalana tamin’izy ireo sy nakako tahaka ny fitondran-tena, ny fomba fiteny, sns… Ny atrikasa maro natrehako hatramin’ny maha mpitarika ahy satria mpisolo vava rahateo aho izay nanako tombony dia afaka nifanakalo traikefa amin’ireo mpiara-mizaika amiko sy ireo namako miara-mitolona ao amin’ny fiarahamonim-pirenena misahana ny zon’olombelona (CNDH, CDH, PANAGED, PARGED). – Ny ao amin’ny HCDH (Haut Commissariat de Droit de l’Homme) izay nanendry ahy ho Monitrice de Droit de l’Homme/Elections |
Evidence of change at the individual level | RALAIVAO SamuĂ«l, 60 taona, mpampianatra misotro ronono monina ao Ambanivohitra Ambatolampy manambara toy izao : Tonga taty aminay Ramatoa Jeanine Pascale, mpitarika sady mpisolo vava, ny SociĂ©tĂ© Civile iray izay nitantsoroka anay Fokonolona tompon’ny tanindrazana amin’ny ady tany itorian’olona anakiray anay eo anivon’ny Fitsarana. Tonga nijery ifotony sy nanadihady nijery akaiky ny tany niadiana izay nahitana fa ny tsy fahafantarana tsara ny lalĂ na mifehy ny fananan-tany momba ny BIF sy ny Domaine no fototry ny olana ka nazavain’i Ramatoa Jeanine ny fanazavana amin’ny antsipiriany izay tena nahafapo anay noho ny fotoana nalalaka nifanakalozanay taminy. |
Change at the household level | Ireto avy ny fiatraikan’ny fiovana nisy teo amiko tamin’ny fifandraisako amin’ny olona akaiky ahy sy ny fianakaviako : -Manana fahatokiana betsaka ireo manodidina ahy amin’izay ambarako -Afaka naneho hevitra malalaka fa tsy menamenatra na tsy mandray anjara fitenenana ao anatin’ny dinika ifanaovana izy ireo. -Teo aloha raha masiaka ny fiteniko ka tafintohina ny hafa dia ankehitriny kosa dia mamboatra fiteny mba hahaizan’ny mpihaino ahy ny fampitako ny hafatra. -Resy lahatra tamin’ny fiovako izy ireo na teo amin’ny fisainana, fihetsika ary fiteny, dia mora tamin’izy ireo ny nandray izany ho azy ireo ka nampita hoan’ny hafa manodidina azy koa. |
Evidence of change at the household level | RAHARIMALALA Blandine, 50 taona, manambara ny zava-pantatro sy hitako : Efa ho 10 taona izao no nahafantarako an’i Ramatoa Jeanine Pascale ho mpianorona ny fikambanana roa teto amin’ny Fokontaninay ka nahazahoanay mponina teto Rano fisotro madio sy fanasan-damba ary ny lalana pavĂ© eto anivon’ny Fokontany Mokana. Foto-drafitra notohanan’ny PAIQ (Projets d’Aides aux Initiatives des Quartiers). Andry : Zanany lahy ny tenako ary nampianatra sy nitaiza anay mianadahy momba ny Miralenta ao amin’ny fiainan-tokantrano nahafahanay nanova ny fomba tsy mety sy nanova ny fomba fijery eo amin’ny anjara asan’ny lahy sy ny vavy i mama. |
Change at institutional level | RAZANATIANA Perle, 45 taona, mpikambana : Hatramin’ny nazahoako fiofanana tato anatin’ny Fikambanana momba ny Miralenta sy ny zon’ny vehivavy dia tsapako fa nisy vokany tokoa teo amin’ny tokantranoko. Nanjary niova fihetsika ny vadiko ka na ny firesany aza dia manambitamby sy nihaino ny hevitro, nadray anjara amin’ny fikarakara ny ankizy sy ny ato an-tokantrano na alohan’ny fandehanana miasa na amin’ny fahatongavana miasa hariva. Nanome ny karamany ahy ny vadiko ho tantaniko ka nahafahako nampiasa azy hikarakarana ny ao an-tokantrano. Mahita ihany koa ny tenako ny fiovan’ny fiainan’ireo vehivavy namako nahazo fiofanana tahaka ahy. Tsapako tokoa fa tena mitaky fiovana toe-tsaina sy toetra ny fanajana ny hafa dia ny fahazahoana fahalalĂ na sy fiofanana momba ny Miralenta mba hampandroso ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-belona ka hahatonga fampandrosoana maharitra. |
Evidence of change at institutional level | RAZANATIANA Perle, 45 taona, mpikambana : Hatramin’ny nazahoako fiofanana tato anatin’ny Fikambanana momba ny Miralenta sy ny zon’ny vehivavy dia tsapako fa nisy vokany tokoa teo amin’ny tokantranoko. Nanjary niova fihetsika ny vadiko ka na ny firesany aza dia manambitamby sy nihaino ny hevitro, nadray anjara amin’ny fikarakara ny ankizy sy ny ato an-tokantrano na alohan’ny fandehanana miasa na amin’ny fahatongavana miasa hariva. Nanome ny karamany ahy ny vadiko ho tantaniko ka nahafahako nampiasa azy hikarakarana ny ao an-tokantrano. Mahita ihany koa ny tenako ny fiovan’ny fiainan’ireo vehivavy namako nahazo fiofanana tahaka ahy. Tsapako tokoa fa tena mitaky fiovana toe-tsaina sy toetra ny fanajana ny hafa dia ny fahazahoana fahalalĂ na sy fiofanana momba ny Miralenta mba hampandroso ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-belona ka hahatonga fampandrosoana maharitra. |
Change at a policy level | Nisy tokoa ny fiovana nateraky ny Miralenta teo amin’ny lafiny ara-politika. Hita taratra fa efa afaka maneho hevitra ampahibemaso ny vehivavy ka mahatonga azy ireo handray andraikitra ary hanana ny toerana hampiharany ny andraikitra sahaniny. Tsapa eto amin’ny Firenena fa efa mitombo isa ny vehivavy Sefo-pokotany, ny Ben’ny TanĂ na, ny Solombavambahoaka, ny Ministra, ny Senatera. Manolona izany dia efa nisy koa fiofanana nomena ireo izay maniry tehitondra fahefana momban’ny fahaiza-mitarika olona ary nisitra an’izany ireo vehivavy rehetra manana ny toerana isan-tsokajiny. Hita ihany koa fa mavitrika tokoa ireo vehivavy manana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina. Maro koa ireo vehivavy mpandraharaha misehatra amin’ny fampiroboroboana ny faritra misy azy na ny firenena misy azy. Ohatra amin’izany ireo vehivavy mitantana orinasa vaventy sy ireo mitazona andraikitra saro-pady eo amin’ny fitantanana. Efa misy fikambanam-behivavy eran-tany izay mivondrona ho iray izay misahana manokana ho amin’ny fampivelarana ireo vehivavy mbola tena iharan’ny tsindrihazolena ataon’ny vadiny tahak’ireo firenena ao Afrika izay tena mbola mitana ny fomban-drazany fa ny vehivavy dia fitaovana eo ampelatanan’ny lehilahy. |
Evidence of change at a policy level | Ny politikan’ny Firenena ankapobeny dia mifototra amin’ny Miralenta izay tsy maintsy apetraka eo amin’ny anjara toerany mba ho fanoitra hampandrosoana ny fivelaran’ny maha olona eo amin’ny lafim-piainana maro. Voarakitra ao anatin’ny fanambarana iraisam-pirenena momban’ny zon’olombelona izany ary koa ao anatin’ireo Fifanekena iraisam-pirenena izay tsy maintsy hajain’ny firenena ho fankatoavana ny lalĂ na velona iraisan’ny firenena mikambana.
Efa maro dia maro ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika ary tena malaza izy ireo ary tsy diso anjara amin’izany isika eto Madagasikara. Vao tsy ela akory izay no nanendrena ny vadin’ny mpitondra ambony ho Ambasadaoron’ny herisetra aty Afrika, izay tohanan’ny mpamatsy vola UNFPA. |
Capacity building | Drafitra tsotsotra amin’ny asa na fanofanana notanterahako nentina hampitomboana ny traikefan’ny hafa : -Nidina ifotony nitety ireo Sekoly hampianatra ny zo fototra maha olona izay nizarana ireo lalĂ na 30 raiketin’ny fanambarana iraisam-pirenena momban’ny zon’olombelona. -Namangy tokantrano vitsivitsy izay fantatra fa mbola marefo ny fahafantarana ny Miralenta, ka ny reny sy ny ray ary ny zanaka no nizarana ny fiofanana. -Fampitomboana ny fahaizamanaon’ireo mpitarika momba ny Miralenta tamin’ny alalan’ny atrikasa fifanakalozana traikefa. -Fihaonana amin’ireo Fikambanana efa manana traikefa ambony mikasika ny Miralenta. -Fanamafisana ny fisian’ireo toerana ifaneraseran’ny mpisehatra momban’ny Miralenta sy ireo iharan’ny herisetra (tsy vitsy ny lehilahy manantona io toerana io ankehitriny) |
Lessons learned and shared | Ireto avy ireo lesona azo notsoahana tamin’ireo dingana rehetra narahana amin’ny fanatanterahana ny asa : -Nitondra fanovana eo amin’ny toe-tsaina sy fomba fihetsika ary ny fomba fanao eo amin’ny samy mpiara-belona izay mitarika famendrehan-toetra. -Nitondra fanatsarana eo amin’ny fomba fiainana ankapobeny sy tarika fampampandrosoana mba ho tsaratsara kokoa noho ny teo aloha. -Nitondra fangaraharana sy fahaizamanao ny asan’ny mpitarika -Olon’ny serasera sy liam-pandrosoana amin’ny zava-miseho mikasika ny zon’olombelona sy ny fampandrosoana eo aminy. -Mijery eny ifotony amin’ny alalan’ny fitsidihana ireo sekoly no nahafantarana ny zava-misy marina mahakasika ny ankizy izay fototrin’ny fanabeazana mahomby mba ho olom-pirenena vanona. -Tsapa fa betsaka ny vita sy nahitam-pahombiazana nefa kosa mbola maro ireo paika ahatratrarana ny fahatanterahan’ny Miralenta; mila kitapom-bola betsaka kokoa hampirindra tsara ny asa fampiroboroboana ny fivelarana eo amin’ny maha olona eo anivon’ny manodidina azy izay ilaina -Mijery eny ifotony amin’ny alalan’ny fitsidihana ireo sekoly no nahafantarana ny zava-misy marina mahakasika ny ankizy izay fototrin’ny fanabeazana mahomby mba ho olom-pirenena vanona. |
Next Steps | Ny drafitrasa ho atao manaraka dia ny misehatra amin’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy vavy sy lahy izay tena mbola mirongatra ankehitriny satria tsy menatra intsony ireo mampiatra izany imasom-bahoaka. -Hametraka fiaraha-miasa amin’ireo tambazotra efa misy ka hatsaraina ny fomba fitiliana io aretina mamoafady io. -Tena ilaina ihany koa ny fomba fiasa maty paika sy mahomby avy hatrany izay hatsaraina ihany koa ny fomba ahazahoana ny vokatra mba ahafahana manenjika avy hatrany ho fampiharana ny lalĂ na manan-kery eto amin’ny Firenena. -Tsy azo tapahana ny fifandraisana eo amin’ireo firaisamonim-pirenena manana traikefa ambony momba ny ady amin’ny herisetra amin’ny ankizy, ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ka ny UNICEF no lohalaharana amin’izany. -Tohizana hatrany ary atao matetika aza ny fampitana amin’ny haino aman-jery ny lalĂ na momban’ny zon’ny ankizy, zon’olombelona, ary ny zon’ny fiarovana. -Tokony omen’ny fanjakana lanja bebe hatrany ny fanampiana ho an’ireo mpisehatra manokana ny amin’io ady manohitra amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy io na ara-pitaovana izany na ara-bola |