Madagascar: Jola Gilbert Lanto


Date: June 14, 2019
  • SHARE:

Name LANTO
Surname Jola Gilbert
Country Madagascar
Give a short history of the leader Nanomboka ny taona 2002 dia efa mpanentana sy mpitarika teo anivon’ny fiaraha-monina ny ny tenako ary fampianarana olon-dehibe “Alphabetisation fonctionnelles Intensive pour le developpement” no nanombohako izany asa fitarihana izany.Tamin’io fotoana io indrindra no tena nahatsapako fa ny vehivavy no tena lasibatra amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ary tena mizaka ny tsindry hazo lena ao an-tokantrano.Tena ady tamin’izany ny mandresy lahatra ireo lehilahy manana vady mianatra.Na dia teo aza izany dia resy lahatra ireo lehilahy ny amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy.Noho ny fahitako ireo olana ireo tamin’izany fotoana izany indrindra no nampitsiry hevitra ahy fa tena hanome lanja ny vehivavy .
Tsy nionona tamin’io traik’efa io fotsiny ny tenako,noho ny fahitako ny zava-nisy,ka lasa nanamafy ny fahaiza-manao mba afahako manome lanja ny vehivavy eo anivon’ny fiaraha-monina.Ka tamin’ny resaka fomba fampitomboana ny vola miditra,fandrafetana drafi-pihariahana,fahasalaman’ny reny sy ny zaza,fikajiana ny tontolo iainana ary ny fandravonana ny disadisa no nanamafisako izany fahaiza-manaoko izany ary dia lasa tena nampalaza ahy nanerana ny faritra izay niasako izany fahaiza-manaoko izany.Izaho koa moa dia olona tena tia karokaroka ary tena nampirobobrobo ny toeram-piasako ilay fahaiza-manaoko ary dia lasa asa foto-pivelomako mihintsy io asa io taty aoriana.
Ny paik’ady nampiasaiko taty aorina,rehefa feno tanteraka ilay fahaiza-manaoko na ao anatiny na tsy ao anatin’ny mombamomban’ny asa hataoko(therme de reference)dia:
Ampianariko mamaky teny sy manoratra ary mikajy,avy eo avondronako ho 15 ka hatramin’ny 25 olona dia omeko fiofanana momban’ny fampitomboana ny vola miditra amin’ny alalan’ny fanaovana tahiry ifampindramana ao anatiny mba hanamora ny fiatrehana amin’ny fasahiranana momban’ny fahasalamana,fampianarana ny zaza,fambolena sy fiompiana.Rehefa mihodina tsara io fanaovan’izy ireo ny tahiry io dia omena fiofanana sy paik’ady amin’ny fandrafetana drafi-phiariana(business plan) indray.Avy eo dia omena fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao maro isa-karazany izay mahasoa ilay fikambanana(fandravonana disadisa,fitadiavana mpiara-miombon’antoka,fiainam-pikambanana..sns…
Objectives -Tsy hisian’ny tsindry hazo lena mianjady amin’ny zaza amam-behivavy.
-Fahaizana/fampianarana sy fahafehezana ny lalam-barotra.
-Fampitomboana ny vola miditra
-Faresehan-dahatra amin’ny fampiasana tekinika nohatsaraina/manara-penitra(Fambolena,fiompina).
-Fampian’ny fomba fijery lavitra ihotra amin’ny fiainana.
-Fasahian’ny vahoaka maneo hevitra sy hanantona biraom-panjakana
-Fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny daholobé.
Key activities -Fanentanana sy ny fampahafantarana ny vahoaka ny amin’ny voka-dratsy ateraky ny Heritsetra sy ny voka-tsoa azo avy amin’ny alalan’ny fandraisan’anjaran’ny lahy sy ny vavy miaraka mba hitondra filaminana sy fampandrosoana
-Fampianarana ireo olona feno 15 taona no miakatra mamaky teny sy manoratra ary mikajy (Alphabetistion Fonctionnelles Intensive pour le Developpement.
-Fampianarana momba ny fitantanana tsotsotra(Comptabilité Simplifié).
-Fampiofanana mahakasika ny resaka fanaova ny tekinika manara-penitra/nohatsaraina(fambolena,fiompiana).
-Fampiofanana ireo fikambanana mahakasika ny fanamafisana ny fahaiza-manao,Fitondrana tsara tantanana(Bonne gouvernance),Fahaiza-mitarika(leadership),fiainam-pikambanana(Vie associative),fandravonana disadisa(Gestion de conflit) ary ny tombotsoa azo avy amin’ny miralenta
-Fampiofanana mahakasika ny Haivarotra sy ny fandrafetana Drafi-pihariahana (Agri- Business).
-Fametrahana ny Sosialy sy ny Tahiry Iombonana eo anivon’ny Fiaraha-moninaVSL(Association d’epagne et de credit villageois).
-Fananganana ara-panjakana ireo fikambanana izay mila izany mba hanamora ny fampaharetana (pérennisation)
-Nampifandray ireo fikambanana tamin’ny tambazotra samihafa.
-Fandravonana ny resaka disadisam-piaraha-monina amin’ny tsy fitoviana tombotsoa iraisana.
-Fanentanana ireo renim-pianakaviana sy ny vehivavy bevohoka hanatona tobim-pahasalamana.
-Fametrahana paik’ady fampaharetana ny asa hatao mba handeha tsy ho voizina intsony.
-Fanaovana vangivangy araha-dinika sy fampahatongavan-tsaina tamin’ny alalan’ny fanaovana sondage mahakasika ireo vehivavy tokony omena anjara lova.
-fanaraha-maso sy tomban’ezaka.
Key challenges IREO FANAMBY
-Nametraka fanamby sy fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy mba tsy hisian’ny mizana mitanila eny anivon’ny fiaraha-monina ny tontolo Ambanivohitra ary nampiditra izany ao anatin’ny drafitr’asa
-Hamongotra sy hanafoana ny tsindry hazo lena
-Fizakan-tenan’ny tokantrano amin’ny lafiny ara-toe-karena mba tsy hisian’ny herisetra.
-Fitantanana mangarahara
-Fiainana milamina lavitran’ny tebiteby.
-Fametrahana tetik’asa amin’ny alalan’ny asa fampitomboana ny vola miditra ao anatin’ny fotoana fohy (Activités Generatrices Revenus)sy fandrafetana frafi-pihariana(business plan),mba ho tokantrano lavitry ny korontana satria mantsy rehefa misy ny fidiram-bola dia mifanaran-tsaina tsara ny ao antokanrtrano ary tena afaka mifanampy ny mpivady tsy ny mpianakavy ka ho foana hoazy ny heritsetra ka lasa toka-trano milamina lavitry ny tebiteby
-Fampianarana mamaky teny tsy manoratra ary mikajy ireo olon-dehibe ireo mba hisian’ny mizana mitovy eo amin’ny lahy sy ny vavy ao antokantrano sy amin’ny lafin’ny fiaraha-monina,satria ny tsy fahaizana koa dia anisan’ny vato misakana amin’ny fanatanterahana ity miralenta sy ny fampandrosoana ity aty amin’ny tontolo ambanivohitra.
-Fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza.OLANA NOSEDRAINA TAMIN’NY FANATANREHANA NY ASA
-Fahtsarotan’ny lalana satria dia mandeha ambonin’ny rano vao tonga amin’ilay toerana
-Tsy mba fananana moyen afahana mivezivezy manatanteraka ny asa
-Tsy fisian’ny teti-bola afahana manatanteraka tsara ny asa mahakasika ny resaka miralenta fotsiny.
-Somary sarotra mandray ihany ny olona hitondrana fanovana ety ambanivohitra noho ny fasahiranana mahazo azy ireo ka tsy mba manana faharetana.

Results

Change at the individual level Nasian’ny fiaraha-monina lanja ny tenako ary lasa tena anisan’ny asa fivelomako.Tena lasa nampiova ahy sy ny toetrako sy ny fahaiza-manaoko tanteraka koa ilay fanatanterahako ny asako toy ny : fananana fomba fijery lavitra,fananana vina,fahaizana mandray andraikitra,fananana fahaiza-mihaino,fananana fahatokisana,fananana toe-tsaina mirona amin’ny fahombiazana,fahaizana mifantoka amin’ny zavatra atao,faminavinanina mialoha ny zavatra hitranga,tsy mba miandry baiko fa tonga dia manatanteraka ny zavatra atao,mandray asa an-tsitrapo tsy miandry baiko,tia fifandraisana,tia mifanakalo hevitra ary ny fahafantarana ny manahirana ny hafa sy ny tsirairay.
Nanampy ahy tamin’izany dia ireo fikambanana tsy miankina toy ny (PNUD,CRS,FFF Malagasy Mahomby) sy ny fifampizarana traik’efa maro be izay nataoko(visites echanges).
Evidence of change at the individual level – I Ramatoa Esther dia olona tena sahirana ara-pivelomana.Nomeko fiofanana momban’ny drafi-pihariany izy ary tonga dia novatsiako vola avy hatrany 60.000 Ar ilay tetik’asany(business legume eny antsena).Ary nasaiko nanokatra kaonty tamin’ireny Institut Micro Finance ireny mba hanamora ny fidramany vola maromaro rehefa te hanitatra ny fitadiavam-bolany izy.Amin’izao fotoana izao io madama io dia efa lasa lavitra satria raha mihodikodina eo antsena izy nampiasa ilay vola tamin’ny voalohany,dia amin’izao izy efa mandeha mitety tsena maka vokatra any ifotony.Vokatr’izany dia lasa nanome hasina ahy ny namany sy ny fianakavian’io madama io.
Change at the household level -To teny ao anatin’ny fianakaviana ny tenako,ary rehefa misy raharaha dinihan’ny mpianakavy dia matetika tsy maintsy eo ny tenako vao misy drafitra mati-paika tapaka.
-Ten lasa havanana amin’ny fandravonana disadisam-pianakavy sy ny olana ara-tokantranon’ny mpivady.
-Anisany tena nanamarika ahy koa tao anatin’ny fianakaviana dia ny nanentanako an’izy ireo momba ny fanaovana tahiry ifampindramana anatiny mba hanamora sy hiatrehana ny fahasarotana amin’ny ara-bola raha misy ilana izany ary dia efa maro ireo mpianakavy sy mpiara-monina manodidina no efa manao azy io.
-Natoroko ny fanambadiako mihintsy ny taratasy fifanarahanay sy ny mpampiasa izay ahitana ny sora-bola karama.
Evidence of change at the household level Nisy fotoana dia niady ary efa nifampizara entana tsikelikely ilay namako izay antsoina hoe « Sitrakiniaina » izay tokantrano tena sahirankirana.Tsy mba nampilaza tamiko moa io namako io fa olona mpiara-monina teny akaikiny no nilaza tamiko.Teo noho eo ny tenako raha vao nahavoaray ilay vaovao,tonga dia nandray fanapahan-kevitra avy hatrany nandeha tany amin’izy mivady,nandravona ilay disadisa.Rehefa natao ny famotopotorana dia hita fa vokatry ny tsy fisiana no nahatonga ilay olana.Niangavy an’ilay namako izay antsoina hoe RASOANJANAHARY Jacqueline ny tenako mba hanome asa ho azy.Noraisiny ho mpiambina sy mpikarakara ny zaridainan’io madama io izy mivady ka nandray vola teo amin’ny 140.000Ar.
Change at institutional level Tamin’ny taona 2006 dia niasa tao Mananjary tao amin’ny BDEM/CRS ny tenako ka Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Hery Mamy Alain no mpandrindra ny tetik’asa tamin’izany.Tekinisianina ny toerana nisy ahy. Rehefa nitondra indray i Herman Ramiaramanana Coordonnateur de progrmme BDEM/CRS ny taona 2009 dia lasa Assistant ary chef de zone tany amin’ilay faritra niasako indray ny tenako.Ny 2013 dia nataon’ny CRS(Catholique Relief Service) Assistant Socio organisateur indray ny tenako.Marihiko etoana fa ny fahaiza-manao sy ny traik’efa maro izay ananako ary ny fanatsarako ny fomba fiasako na dia tsy ao anatin’ny therme de reference izay hitan’izy ireo fa tena nafahana nametraka ny resaka miralenta teo amin’ny sehatry ny fampandrosoana no tena nampalaza ahy tamin’ny fanatanterahako ny asako satia dia saika fikambanam-behivavy avokoa no voatariko ary nahagaga ireo vahiny mitsidika mihintsy ilay fahaiza-manaoko tamin’ny fitrihana ireo fokonolona.Ny Janvier 2019 dia niantso ahy io andriamatoa Herman Ramiaramanana io fa misy fanadihadihana hatao mahakasika ny olana tsy mampandroso ny vahoaka eny ambanivohitra tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ary tena mifantoka amin’ny resaka miralenta ilay izy,ka ny hafatra napetrany tamiko dia hoe : « Matoky ny fanadihadihana ataonao izahay Papa Jola fa tena voafehinao io fanadihadihana io ».
Evidence of change at institutional level Tamin’ny taona 2006 dia niasa tao Mananjary tao amin’ny BDEM/CRS ny tenako ka Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Hery Mamy Alain no mpandrindra ny tetik’asa tamin’izany.Tekinisianina ny toerana nisy ahy. Rehefa nitondra indray i Herman Ramiaramanana Coordonnateur de progrmme BDEM/CRS ny taona 2009 dia lasa Assistant ary chef de zone tany amin’ilay faritra niasako indray ny tenako.Ny 2013 dia nataon’ny CRS(Catholique Relief Service) Assistant Socio organisateur indray ny tenako.Marihiko etoana fa ny fahaiza-manao sy ny traik’efa maro izay ananako ary ny fanatsarako ny fomba fiasako na dia tsy ao anatin’ny therme de reference izay hitan’izy ireo fa tena nafahana nametraka ny resaka miralenta teo amin’ny sehatry ny fampandrosoana no tena nampalaza ahy tamin’ny fanatanterahako ny asako satia dia saika fikambanam-behivavy avokoa no voatariko ary nahagaga ireo vahiny mitsidika mihintsy ilay fahaiza-manaoko tamin’ny fitrihana ireo fokonolona.Ny Janvier 2019 dia niantso ahy io andriamatoa Herman Ramiaramanana io fa misy fanadihadihana hatao mahakasika ny olana tsy mampandroso ny vahoaka eny ambanivohitra tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ary tena mifantoka amin’ny resaka miralenta ilay izy,ka ny hafatra napetrany tamiko dia hoe : « Matoky ny fanadihadihana ataonao izahay Papa Jola fa tena voafehinao io fanadihadihana io ».
Change at a policy level -Teo amin’ny lafiny fikambanana indray dia saika vehivavy daholo no mpitarika ny fikambanana ary ny anankiray tamin’ireo vehivavy ireo aza dia lasa filohan’ny fokontany ao IRONDRO district Manajary sady tena lasa mpitarika mahafatra-po mihintsy,izay antsoina amin’ny anarana hoe Madame Jeanne.
-Tamin’ny fifidianana filoha-pirenena farany teo iny ny tenako dia nanao mpanara-maso mahakasika ny zon’olombelona (observateur droits Humains)tao amin’ny fokontany Ampitankely Fianarantsoa.Marihiko etoana fa asa antsitra-po no nataoko taminio fotoana io.
-Maro koa ireo vahoaka fa indrindra ireo renim-pianakaviana sy ny tanora feno 18 taona no nikarakara ny kara-dava na ny kara-panondro teo anivon’ny kaominina.
Evidence of change at a policy level -Nisy Fotoana ny ben’ny Tanana tao Lazarivo district Betioky Sud, Andriamatoa Ralifotsy Laurent no nisaotra ahy tamin’ny nanetanako ireo mpikambana notarihiko izay tsy nanana kopia sy kara-panondro, mba hikarakara izany.
-Nisaotra ahy koa i madame Jeanne Filoham-pokontany tao IRONDRO fa noho ny fanamafisako ny fahaiza-manaony tao anatin’ilay fikambanana no anisany nasahiany nilatsaka nanao filoham-pokontany.
-Tamin’ny fifidianana filoha-pirenena fihodinana voalohany farany 07 Novambra 2018 teo, dia nisaotra sy nankatsitraka ahy ny mpitondra tao amin’ny fokontany izay nipetrahako, tamin’ny fomba sy paik’ady izay nampiasaina ny megaphone, nentina hanairana ireo olona hanefa ny adidiny tamin’ny andron’ny fifidianana iny ary lasa nataon’izy ireo lay izy tamin’ny fihodinana faharoa.
-Ny ankamaroan’ireo fikambanana izay notarihiko dia miara-miasa amin’ireny mpiara-miobon’antoka ireny daholo ny ankamaroany (PROSPERER, SAFF FJKM, CSA..Sns..).
Capacity building -Fametrahana ny paik’ady fampaharetana(Mise en place des principes de pérennisations.)
-Traik’efa momban’ny hetsika tsotra nefa azo tanterahina(Petite Action Faisable Importante).
-Formation Aproche Genre integré aux activités pour le Developpement.
-Formation leadership
– Formation capture des Bonne pratique, Innovation et Leçon apprise des activités des développements (Intervention au Niveau des Bénéficiaires cible)
-Formation en animateur de sites d’alphabétisation
-Formation sur l’approche genre intégré aux activités
-Formation en IEC (Information-Education-Communication) / CCC
(Communication pour le changement des comportements) porte-porte ou
VAD, Sensibilisation des mass et CIP
-Formation en éducateur de santé Projet « KAOMININA MENDRIKA SALAMA
-Formation WASH sur l’approche PHAST
-Formation PDF (Plan de Développement Fokontany)
-Formation Marketing (Elaboration Business Plan)
-Formation VSL (Village Saving and Loans ou Associations Villageois d’Epargne et de Crédit interne.)
Lessons learned and shared -Efa manomboka hirahirain’ireo vahoaka any ambany ravi-maintso any ny miralenta satria efa manomboka mazava tsara amin’izy ireo ny tena politikan’izany paik’ady mahakasika an’izany resaka miralenta sy ny fampandrosoana izany.
-Efa manomboka sahy mandraikitra sy omen’ireo fiaraha-monina hasina ny vehivavy aty amin’ny tontolo ambanivohitra
-Efa manomboka sahy miditra birao-panjakana ny vahoaka.
-Ny tena paik’adytsara rehefa mivoy an’ity miralenta sy ny fampandrosoana ity dia paik’ady fampandraisan’anjara ny rehetra no tena mahomby ampiasaina(Approche participative).
-Ny mpanentana na mpikatroka momban’ny miralenta sy ny fampandrosoana dia mila mahavoafehy tsara an’ilay paik’ady(approche) ny miralenta ary resy lahatra amin’izany vao afaka hitarika ny olona mahakasika izany.
Next Steps -Fananaganana drafitr’asa manokana sy fitadiavana famatsia-bola sy mpiara-miombon’antoka ho an’ny miralenta sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.
-Fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny Fitantanana,fahasalamana,famahana disadisa,fampianarana,fampiasana ny teknolojia vaovao,famolavolana drafitr’asa,fiatrehina sy fisoroana ny fiovaovan’ny toetr’andro…sns…
-Fametrahana drafitra maty paika momban’ny fampaharetana an’ilay tetik’asa(Principe de perenisation).TENY FAMARANANA:Anisany tena nahafahako nivoy sy nanatanteraka ity miralenta sy ny fampandrosoana ity bebe kokoa tamin’ny fanatsarana ny asa fanentanana sy fitarihana izay nataoko,na dia teo aza ny toetra maha-pitarika ahy sy ny fahaiza-manao ary ny traik’efa maro ananako mahakasika ny asa fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra dia anisany nanome lanja bebe kokoa ny fandraisako anjara tamin’ny fifaninanana izay nataon’ny Gender Link’s tamin’ny fanatratrarana ny fenitry ny SADC.Izay nafahako nandray anjara,dia tena lasa nampalaza ahy sy nahafaly ireo toera-piasako mihintsy ilay izy satria isaky ny avy manatanteraka sommet ny tenako dia manao tatitra sy mifampizara amin’izy ireo mahakasika ny lesona azo notsoahina tamin’ny alalan’ny fanehoana,fifanakalozana sy fifampizarana(capture des bonnes pratiques,lecons apprise et innovation.),ka lasa anisany tena nampiroborobo sy nahafantaran’olona ny tetik’asa izay nataoko momban’ity miralenta sy ny fampandrosoana izany.