Madagascar: LANTO Jola Gilbert


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

“Andao hifanome tanana amin’ny fampanjakana ny miralenta sy ny fampandrosoana ary famongorana ny herisetra mianjady amin’ny tokantrano”.

Kaominina LAZARIVO-SOASERANA no fihaviko .Matihanina amin’ny Serasera sy fandresehan-dahatra ary manana fahaiza-mihaino sy fandravonana.

Hatramin’ny faha 15 Taonako dia efa mpitarika ny tenako nanomboka teo amin’ny fokontany ka hatrany andakilasy.Rehefa nanomboka feno taona kosa anefa dia mbola nitihizako teny anivon’ny fokontany izay nitoerako tamin’ny alalan’ny  asam-pokontany sy ny fitarihana ny olona eo amin’ny fanaovana asa iombonana.

Maty tampoka ny raiko niteraka ahy ny  taona 2000 izany hoe teo amin’ny faha 22 taonako tamin’izay.Nisy 5 mianadahy izahay no navelan’ny maty miaraka amin’ny reninay izay vehivavy tsy mba manana foton’asa fa mpikarakara tokantrano.Tena nijioga ny mafy io reninay io tamin’ny famelomana anay satria tsy mba matory atoandro otran’ireo olona milamina ara-piainana fa vao maraina alina amin’ny 4 maraina dia efa lasa manenjika mitsakana entana kely amidy eny antsena,ka nanomboka nahitako io fijalian-dreniko tamin’ny famelomana anay io no tena nanomezako lanja ny vehivavy fa tena mizaka ny tsy eran’ny aina ao antokantrano izy ireo fa indrindra fa ny renim-pianakaviana.

2 taona taorianio izany hoe ny taona 2002 dia naheno tamin’ny radio anankiray tao Fianarantsoa ny tenako fa mitady olona maharesy lahatra sy mahatarika olona,indrindra fa ny vehivavy eny ambanivohitra tsy mahay manoratara sy mamaky teny.Rehefa natao moa ny fitsapana dia anisan’ireo voaray hitarika sy hampianatra olon-dehibe(Alphabetisation fonctionnelles intensive pour le developpement) izay hofanin’ny PNUD ETATS UNIS ny tenako tany Andriamboasary.Vao nanomboka niasa amin’izay ny tenako nanomboka ny taona  2003 ka mandrakin’ny hitantarako ny  momba ahy  amin’ny fotoana amakianao ny fanazavazako ny lalam-pianako momban’ny fitarihana sy ny miralenta  izao amin’ny sehatry ny asa tontolo ambanivohitra dia nanome lanja ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandraisan’anjara sy fanapahan-kevitra eo amin’ny lafiny fiaraha-monina sy ny fikambanana.

Raha ny tena marina dia toetra voajanahary amiko mihintsy ilay fahaiza-mitarika satria ny taona 2010 ny tenako vo tena nahazo fiofanana momban’ny Approche Genre et leadership izay niarahana tamin’ny ONG CRS.MG.

Anisan’ny tanjona  vohizoko ny :

  • Tsy hisian’ny mizana mitanila eo amin’ny fiaraha-monina
  • Hampangarahara ny fitantanana
  • Hamongotra sy hanafoana ny herisetra mianjady amin’ny tokantrano sy ny isam-batan’olona
  • Hampivoatra ny fiainan-tokantrano
  • Fampivoarana ny mpiara-belona
  • Fampivoarana ny toeram-piasana
  • Hampiroborobo sy hanome vahana ny miralenta
  • Hametraka ny fitoviana eo amin’ny lahy sy vavy
  • Hamongotra sy hanafoana ny tsindry hazo lena

Mba ahatongavana aminin’izany dia ireo manaraka ireto ny asa nataoko

  • Mampiofanana ny fikambanana mahakasika ny fanamafisana ny fahaiza-manao,fitondrana tsara tantanana,fahaiza-mitarika.
  • Manamora  ny fikambanana  amin’ny fananganana ara-panjakana
  • Fanentanana ara-pahasalamana
  • Fandravonana disadisa
  • Fanentanana sy fifampizarana ny ady amin’ny heritsetra

Taloha zaho dia olona saro-kenatra,nefa ankehitriny dia tena niova rehefa tafiditra tao anatin’ny sehatry ny fitarihana sy fametrahana ny miralenta ity.Lasa sahy miady hevitra ny tenako ary afaka mipetraka amin’ny toeran’ilay olona izay mifampiresaka amiko,ary lasa manana fahaiza-mihaino sy fandravonana(capacité d’ecoute et de synthèse) ny tenako,ka rehefa zaho no maneho hevitra sy mandray fitenanana any anaty fiaraha-monina ,toeram-piasana…sns….. dia resy lahatra foana ny olona amin’ny hevitra na soso-kevitra izay avokako na resahiko.Tsy tongatonga hoazy anefa ireo fiovana voalaza ireo fa noho ny fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao izay avy amin’ireo fikambanana tsy miankina(PNUD,CRS,FFF Malagasy Mahomby) tsy ireo maro tsy voatanisa.

Fiovana teo amin’ny toeram-piasako indray dia lasa manao staff meeting izahay isaky ny faran’ny herinandro.Raha teo amin’ny fikambanana izay notarihako indray dia manao fivoriana jery todika fona izy ireo isaky ny faran’ny volana ary managana drafitr’asa vaovao indray

Olana nosedraina tamin’ny fanatanrehana ny asa dia:

  • Fahatsarotan’ny lalana
  • Fampiasana voambolana izay tsy mifanaraka amin’ny tontolon’ny zava-misy any ambanivohitra
  • Tsy fahandriam-pahaleman
  • Fari-pahaizan’ny olona mandray ilay fanentanana sy hafatra izay tiana hampitaina.

    Dingana manaraka dia ny Fanamafisana ny fitondrana tsara tantana, Fametrahana réseau mba aharitra mandrakizay ilay tolotra napetraka amin’ireo fikambanana ireo, Fampitomboana ny asa mapidi-bola (Activés Generatrice Revenue, Fanintarana ny fampianarana Mamaky teny tsy Manoratra ary Mikajy, Fampianarana fandrafetana Drafi-piharihana.