Madagascar: Marie Chantal Razanamasy


Date: June 3, 2019
  • SHARE:

Name RAZANAMASY
Surname Marie Chantal
Country Madagascar
Give a short history of the leader Vao nahavita ny fianarako aho, tonga dia niasa, ireto avy ireo Tetik’asa niasako:
– 2009-2010: UNC-MAD HĂŽpitaly-Kely Toamasina, mandray an-tanĂ na ireo vehivavy manano-tena (mĂ©decin investigateur)
– 2010-2011: MĂ©decin-formateur tao amin’ny SANTÉ NET2 Toamasina1
Koa satria moa tsy tetik’asa ireo rehetra ireo, dia im-betsaka aho no manontany tena ny amin’ny hoaviko. Izany no nanapahako hevitra fa hiditra amin’ny asam-panjakana (nanomboka tamin’ny Martsa 2011)
Ankoatra ny asako ao amin’ny Service Neuro-psychiatrie – Hopitaly Be, niezaka koa ny tenaNa teo aza ireo adidy rehetra ireo, izay mameno ny fotoako mandavan-taona, dia nipetraka hatrany ny finiavana sy herim-po ary hambom-bo maha-vehivavy, ka nanosika ahy hikaroka foana ny fomba isehoana sy ampisehoana ny lanja sy toeran’ny Vehivavy
Objectives Ny tanjona dia ny mba hananan’ny vehivavy asa mampidi-bola ,ka hananany fahaleovan-tena ara-bola , mba hahafahany mikarakara ny ankohonany , na hanampiany ny vola izay nomen’ny vadiny azy .
Hampihenana ny herisetra ataon’ny lehilahy na ny fianakaviana na ny fiaraha monina izay miantraika amin’ny vehivavy :
– ny mpikambana dia miompy akoho nomena fiofanana dia afaka mivarotra rehefa mahazo vokatra
– Fanaovana sompitra iombonana dia ataon’ny mpikambana eo ihany
– Fiompiana trondro antanimbary : mampiditra zana trondro ny volana octobre , fotoana fanetsana , alaina amidy ny volana juin , ny vola azo ividianana vary amin’ny hasotry
Key activities Ireo asa goavana natao : izahay dia nanana fikambanana : AINGA MAITSO izay mpiompy tantely ary nahatafatsangana kaoperativa niarahana tamin’ny PROSPERER ny ahy manokana dia nahavokatra tantely 250 litatra mandritra ny fotoana fisarihana , ny fisarihana nefa dia natao in-2 isan-taona nihena anefa io vokatra io fa nisy ny aretin’ny hazo ka nihena ho ampahatelony mihitsy izany teo ihany koa ny fiparitahan’ny aretina atao hoe varoazy ka tsy nisy tantely nitsidina intsony teo amin’ny faritra nisy anay , foana avokoa izany ireo tanjona napetraka.
Ny asa goavana natao dia ny nananganana koperativa. Izany moa dia tsy mitovy amin’ny fananganana fikambanana tsotra fa efa mifototra amin’ny fitadiavana tombontsoa; noho izany ary dia ny fandresera lahatra ny samy mpikambana sy ny ao amin’ny fikambanana hafa ka ilĂ na fahamatorana satria raharaha ara-barotra no atao. Misy ny rafitra tsy maintsy arahana; misy volam-panjakana tsy maintsy aloa; tsy maintsy mahavokatra betsaka izany ny mpikambana vao afaka mampandeha io koperativa io. Noho izany dia nilĂ na mpiara-miombon’antoka toy ny PROSPERER, Chambre de Commerce, Consultant. ireo rehetra ireo anefa dia mila ifampiresahana amin’ny mpikambana, indrindra eo amin’ny famokarana, fiainam-pikambanana, fiarahamonina, fokontany, ny kominina, mba hoe tena ilaina tokoa izany. Rehefa tafatsangana iokoperativa io dia nitranga ny aretina “varroase”. Io moa dia aretin’ny tantely ka tsy misy niangana intsony ny fiompiana tantely ny mpikambana rehetra. Soa ihany fa nisy ny asa hafa toy ny “Sompotra iiombonana”, “fiompiana akoho” , ary “raharaha varotra rary” ka ireny no nataon’ny mpikambana sy raharaha fidiram-bola an-davan’andro. amin’izao fotoana izao dia efa manomboka miverina indray ny fiompiana tantely ka ireny no hanamafisana orina ny koperativa, ary ao izahay no manamafy ihany koa ny mirelenta.
Key challenges Ireo fanamby
Anatin’izany ny fananana asa izy io moa tsy voatery hoe manarapenitra fa miroso tsikelikely amin’ny alalan’ny fanatsarana .
Maro ny olana nosedraina teo amin’ny fikambanana satria tsy maintsy liana paikady mba hiteraka vokatsoa ny fanovana tiana hatao. Satria efa fiainana niainany andavanandro ireo ka sarotra moa ny miala amin’ny mahazatra. Anisan’izany ny toetsain hoe ny tokatrano tsy ahahaka , ny tokatrano fiafiana , fanaka malemy ny vehivavy ka natao toy ny fitaovana ao an-tokatrano fotsiny , ny toetsaina miankin-doha amin’ny lehilahy ka rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra dia miteraka disadisa ka matetika ny vehivavy ihany no mahazo latsa .Ny vola moa dia tsy voatery ho ampy foana ka rah any lehilahy irery ihany no mitady ny vola dia raha vao tsy avy amin’y itiavany azy dia mahazo teny mafy .Misy koa ireo vehivavy dia tazominy ho azy irery ny olana ao amin’ny tokatrano ka sarotra ny hamahana izany ka rehefa misy zavatra mitranga ety ivelany vao hitan’ny fiaraha monina ka tsy maintsy nitadiavana vahaolana .VOKATRA AZO :
Noho ny fanentanana natao sy ny tolokevitra nomeny : ny fiainana moa dia mila mifanampy .Ny anjara biriky nomena dia ny fifanakalozana.Rehefa manaiky izy ireo fa hiditra ao anaty fikambanana dia misy rafitra ifampifehezana ao , manaraka fandaminana ary misy ny asa atao .Izany rehetra izany dia miteraka vokatsoa eo amin’ny fikambanana . Ohatra teo amin’ny lafin’ny fiainam-pikambanana dia ny fampiharana ny fiofanana mahakasika ny fitantana fikambanana ,fitantanana vola : fotoana , vokatra , fitaovana eo koa ny fitantanana disadisa ( gestion de conflit).

Results

Change at the individual level Niteraka fiovana teo amiko tokoa satria ny olona zay ao anaty fikambanana dia nivoatra satria voafehiko ny asako satria nampiasa kahie fitantanana ny vola miditra sy mivoaka .Ny fampiharana ny fiofanana azo , ny fitantanana ny fotoana , ny fitantanana ny vokatra ary ny fampiharana ny teknikam-pamokarana dia niteraka fiovana ka nisy fiantraikany aratsaina teo amin’ny fiaraha monina.
Nampiharina eo amin’ny tokatrano koa ny fahaizana mitarika satria ny tenako dia raim-pianakaviana no sady mpampianatra ka mora ny nampiharana izany tao amin’ny tokatrano. Ilaina tokoa izany eo amin’ny tokantrano sy eo amin’ny fiarahamonina.
Evidence of change at the individual level Nanjary nandresy lahatra ny olona ny zavatra natao. Tsy mitsanga-menatra ny tena raha mitaha eo amin’ny fiaraha – monina, na eo amin’ny samy mpikambana.
Mitombo ny vokatra azo: afaka mianatra ny ankizy ary voaloa ny hofa-trano sy ny saram-pianarana. Ramatoa RAZANANDRAKOTO Noeline no tena nanampy ary nampisy ny fiovana sy fivoarana teo amin’ny fiainanay, ny asany moa dia mpivarotra ary ny andraikiny dia filohan’ny filan-kevitra kominaly.
Taloha dia nitrosa, rehefa taty aoriana anefa dia afaka izany ka afaka mividy fitaovana.Afaka mividy vokatra rehefa tong any fiakaran’ny vokatra.
Afaka manome vahaolana ho an’ny mpikambana sy ny fiarahamonina rehefa misy ilĂ na izany.
Change at the household level Nanjary nandresy lahatra ny olona ny zavatra natao. Tsy mitsanga-menatra ny tena raha mitaha eo amin’ny fiaraha – monina, na eo amin’ny samy mpikambana.
Mitombo ny vokatra azo: afaka mianatra ny ankizy ary voaloa ny hofa-trano sy ny saram-pianarana. Ramatoa RAZANANDRAKOTO Noeline no tena nanampy ary nampisy ny fiovana sy fivoarana teo amin’ny fiainanay, ny asany moa dia mpivarotra ary ny andraikiny dia filohan’ny filan-kevitra kominaly.
Taloha dia nitrosa, rehefa taty aoriana anefa dia afaka izany ka afaka mividy fitaovana.Afaka mividy vokatra rehefa tong any fiakaran’ny vokatra.
Afaka manome vahaolana ho an’ny mpikambana sy ny fiarahamonina rehefa misy ilĂ na izany.
Evidence of change at the household level Niteraka fiovana teo amin’ny tokan-trano: teo amin’ny fitantanana dia nampiasa kahie fitantanana ny vola miditra sy mivoaka.
– Voafehy ny vokatra ary mbola afaka nividy.
Afaka nindram – bola satria efa manana ny hatao antoka izay vao omen’ny mpamatsy vola:
– Atoa ANDRIANATOANDRO Rolland: mpampianatra, sekretera generaly ny kaominina.
Voaloha ny sara-pianaran’ny ankizy mianatra eny an-drenivohitra, jiro sy hofan-trano, …
Hita fa manaraka ny tokony ho lamina sy fandaminana ao an-tokan-trano ny ankizy araka ny andaminana azy eo amin’ny zara asa sy ny adidy tokony hataony tandrify azy.
Afaka mifanakalo hevitra ny fiainana ao an-tokatrano tsara.
Change at institutional level Porofon’ny fiovana eo anivon’ny rafitra:
Rtoa RAZANAMALY Helene: mpikambana ao amin’ny fikambanam-behivavy manao asa rary. Porofon’izany ny fahaleovan-tenany amin’ny varotra ataony amin’ny vokatra rary. Raha te hampivoatra ny firenena dia ny vehivavy no ampivoarina voalohany satria ao amin’ny Baiboly dia milaza hoe: “Omeo vehivavy Hendry hanorenana firenena vanona”.
Handray ohatra misy lehilahy iray mandray karama an-tapitrisany: raha tsy mahay mitantana ny vadiny dia ho very maina foana izany ka tsy ahavitĂ na na inona na inona.
Izany fiheverana izany no entina andresena lahatra ny lehilahy hoe tsara raha mahay mifanara-tsaina mba ahahafana mahazo voka-tsoa. Mahay mitantana kokoa ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny lehilahy, indrindra moa efa nampihatra ny fiofanana nomena.
Fanamarihana sy fanamafisana. Io Ramatoa voalaza eo ambony io dia tsy dia ampy fahaizana ara-taratasy firy nefa rehefa voaentana izy dia mora kokoa ny andresena lahatra ireo mpikambana miaraka aminay. Izany dia noheverina fa tafita ny hafatra ka mahatonga anay hihevitra fa tafita ny tanjona miralenta. Tombanana amin ‘ny akapobeny koa anefa raha jerena ny toe-kareny dia hita fa misy fivoarana satria mpivarotra rary no ataony.
Evidence of change at institutional level Porofon’ny fiovana eo anivon’ny rafitra:
Rtoa RAZANAMALY Helene: mpikambana ao amin’ny fikambanam-behivavy manao asa rary. Porofon’izany ny fahaleovan-tenany amin’ny varotra ataony amin’ny vokatra rary. Raha te hampivoatra ny firenena dia ny vehivavy no ampivoarina voalohany satria ao amin’ny Baiboly dia milaza hoe: “Omeo vehivavy Hendry hanorenana firenena vanona”.
Handray ohatra misy lehilahy iray mandray karama an-tapitrisany: raha tsy mahay mitantana ny vadiny dia ho very maina foana izany ka tsy ahavitĂ na na inona na inona.
Izany fiheverana izany no entina andresena lahatra ny lehilahy hoe tsara raha mahay mifanara-tsaina mba ahahafana mahazo voka-tsoa. Mahay mitantana kokoa ny vehivavy raha ampitahaina amin’ny lehilahy, indrindra moa efa nampihatra ny fiofanana nomena.
Fanamarihana sy fanamafisana. Io Ramatoa voalaza eo ambony io dia tsy dia ampy fahaizana ara-taratasy firy nefa rehefa voaentana izy dia mora kokoa ny andresena lahatra ireo mpikambana miaraka aminay. Izany dia noheverina fa tafita ny hafatra ka mahatonga anay hihevitra fa tafita ny tanjona miralenta. Tombanana amin ‘ny akapobeny koa anefa raha jerena ny toe-kareny dia hita fa misy fivoarana satria mpivarotra rary no ataony.
Change at a policy level – Fiovana teo amin’ny sehatra politika.
Tsy tratra ny tanjona 50/50 nefa kosa mba efa misy vehivavy manana andraikitra eo amin’ny kaominina: filohan’ny filan-kevitra, mambra. Eo amin’ny mpanatanteraka: lefitrin’ ny Ben’ny TanĂ na dia vehivavy. Filohan’ny fokontany iray ny vehivavy. Maro ny vehivavy no filoha raha eo amin’ny sehatry ny fikambanana no asian-teny.
Na izany aza dia miteraka fiovana ihany izany teo amin’ny sehatra politika raha teo amin’ny faritra misy anay. Raha jerena teo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, rehefa misy ny disadisa ka voatery irotsahan’ny filan-kevitra andraikitra eo amin’ny fapihavanana dia mazĂ na tena ilaina ny hevitry ny vehivavy. Indrindra ny fiarovana ny zony; fitsinjovana ny ankizy satria ny vehivavy irery ihany no matetika mahatsapa ireo voalaza ireo.
Tsy zakan’ny vehivavy ny fanaovana herisetra ka mahatonga azy ireo hiaro fatratra izany. Noho izany dia ilĂ na fifanampiana izy ireo mba ahafahana manatanteraka ny tanjona miralenta.
Evidence of change at a policy level – Mandresy lahatra kokoa ny vehivavy manana andraikitra amin’ny sehatra poliotika satria izy ireo matetika rehefa manapa – kevitra dia avy amin’ny teny ierĂ na. Miaro ny tombotsoa ho an’ny tokatrano, ny ankizy, ny vehivavy : ohatra eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana dia tsy ataony ambanin-javatra satria ny vehivavy mihitsy no mijaly raha tsy milamina ny tany, raha tara fodiana ny ankizy amin’ny alina ka mahatonga azy ireo tsy hilamin-tsaina.
Eo amin’ny lafiny fahasalamana indray dia ny reny ihany no sahirana rehefa misy tsy salama. Ny amin’ny fanabeazana dia tsy mety mihitsy ny fisainany raha tsy mianatra ireo ankizy ka manjary aretina ho azy ny mahita ireo zanany tsy mahomby amin’ny fiainana.
Ny eo amin’ny toe-karena moa dia ny vehivavy ihany no miantoka na misy na tsy misy ao an-tokan-trano. Ka izany no mahatonga ny mpikambana hanampy tosika ny vehivavy handray andraikitra eo amin’ny sehatra politika mba hananany toerana eo amin’ny sehatra fanapahan-kevitra.
Capacity building – Fanamafisana fahaiza-manao.
Mitady mpiara-miombin’antoka izay iarahana miasa amin’ny kaominina.
Manolotra soson-kevitra amin’ny mpikambana mba ahafahany maneho sy mandamina ny fotoana.
Fanaovana drafitr’asa izay iaarahana manao amin’ny samy mpikambana
Daty / Asa atao / Tompon’andraikitra / Tanjona
Janvier 2018 Fanentanana – Mpitarika Mahafantara tsara ireo
– Adjoint Maire olana mianjady
– Filan-kevitra amin’ny vehivavy

Mars 2018 Fifanakalozana – Mpitarika Mahazo antontam-
Fanofanana – Adjoint Maire baovao ny samy
– Filan-kevitra mpikambana

Javier 2019 Fanaraha-maso – Mpitarika Mampihatra ny
– Adjoint Maire fanofanana natao
– Filan-kevitra

Avril 2019 Tombana – Mpitarika Mahazo vokatra
– Adjoint Maire
– Filan-kevitra

Satria miovaova araka ny vanim-potoana ny fivoarana ka araka ny fiheverako azy dia mila mpampiofana matianina sy maharaka ny toetr’andro no omena ny mpikambana fa ny ahy dia nijanona ho mpanolon-tsaina ny fikambanana ary manao asa fanentanana. Amin’izao fotoana izao ohatra ny mpikambana dia mila ny atao hoe: “Businessplan”, ary koa mila mahay Internet, mila manana “ordinateur” (solosaina) n afarafaharatsiny “Smart Phone” mba ahafana mahara-baovao.

Lessons learned and shared Lesona notsoahina sy fizarana
Rehefa natao an-dray mijery izany rehetra izany dia tsy diso ary tokony hamafisina araka izay azo atao ny fanatanterahana ny Miralenta satria tsy vitan’ny lehilahy irery ihany ny fiainana fa tena mila fifanampiana indrindra fa avy amin’ny vehivavy; natao hifanampy ny lahy sy ny vavy, natao hifameno.
Ny Soratra Masina aza miteny fa “tsy tsara raha irery ny lehilahy”. Isaka Malagasy dia manamafy koa ny hoe “tsar any roan oho ny iray”.
Ilaina koa ny fisian’ny Organisation International toy ny Gender Links mba hanamafy ary manampy eo amin’ny fitakiana izany Miralenta izany : hananana antontam – baovao, antontan – kevitra, fahalalana, fiofanana, serasera, ka ahafahan’ny mpikambana mampitombo ny fahaiza – manao.
Raha izany ary dia tokony hamafisina araka ny lalĂ na manan-kery mihitsy ny fampiharana ny miralenta satria ho an’ny fiarahamonina misy anay dia eo amin’ny 5km manodidina ny renivohitran’ny kominina no hota soritra hoe mba misy fivoarana. Nefa dia mahatratra 30km ny fokontany fran’ny lavitra indrindra; ireny anefa dia mbola mampiasa ny fiarahamonina nentim-paharazana ka mbola ilĂ na ezaka be ny mirelenta.
Next Steps – Dingana manaraka.
Ny drafitr’asa manaraka dia toy izao :
– Mampiantso fivoriana ho an’ireo voakasika.
– Manao tatitra amin’ny mpikambana.
– Miara – mandrafitra drafitr’asa mandritra ny taona miaraka amin’ny mpikambana.
– Mandamina ny fotoana.
– Mizara andraikitra.
– Misafidy ny loha – hevitra
– Mamertaka tanjona.
– Mitady mpiara – miombin’antoka.
– Mifanome fotoana ny hiaonana amin’ny manaraka.FAMINTINANA
Mahavelom – panantenana ary tsy mahakivy satria tena hita fa mba misy fivoarana tokoa ary misy firoboroboana eo amin’ny sehaztry ny Miralenta ka tokony hiezaka mafy ny mpikambana.
Omena fisaorana manokana ireo mpikarakara sy ny ekipan’ny Gender Links Madagasikara, ny mpitondra fanjakana, ny mpiara – miombona antoka ka dia miandry ny olona hiantefany sy mpisehatra sisa mba hahatanteraka tokoa ny Miralenta./
Marina fa tsy mora ny manao zavatra, nefa raha tsy manomboka dia tsy mahavita ka hanatratrarana ny tanjona.
Amin’ny alalan’ny fikambanana ihany no ahafahako manao io asa io. Izaho mantsy araka ny voalaza etsy ambony dia efa nahatafatsangana fikambanana roa : “Ainga maintso, Miatrika” ny iray; ary nahatafatsangana koperativa : “Loharano”. Satria efa rafitra ara-panjakana ireo ary manana sata mifehy azy mazava tsara. Noho izany amin ‘ireo aho no manao asa fanentanana miralenta.