Madagascar: Marie Chantal Razanamasy


Date: June 14, 2019
  • SHARE:

Name RAZANAMASY
Surname Marie Chantal
Country Madagascar
Give a short history of the leader Hatramin’ny nanaovana fifaninanana niaraka tamin’ny Gender links sy ny famakiana ny torolalana ao anatin’ny Fenitry ny SADC andininy faha 4-8 sy ny andininy 20-25
Ary dia nampidirina tao anatin’ny drafitr’asa hotanteranin’ny fikambanana izay tarihiko ( FITAFIBE “Fikambanan’ny Tantsaha mivohy ny Fivoarana ato anatin’ny faritra Betsileo” ny fampahafantarana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra hitondrana ny anjara biriky eo amin’ny fanatanterahana ny fenitry ny SADC (SARY)
Objectives Tanjona: ny hampiharan’ny olona rehetra ny miralenta
Tanjona ihany koa ny hampihenana amin’ny taha farany ambany ny ady amin’ny herisetra
Hahafahan’ny rehetra handray anjara amin’ny fampandrosoana miainga avy ao antokantrano eo amin’ny fiaraha-monina ary indrindra ny firenena
Hahafahan’ny rehetra mandray andraikitra sy mampihantra ny fiofanana azony ka hampisy fiovana eo amin’ny fiainan-tokantrano sy ny fiharian-karena
Key activities Fampiofanana sy fampahafantarana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra an’ireo olona ifotony
Fampiofanana tanora 15 taona ka hatramin’ny 29 taona tsy mianatra an-tsekoly intsony fa ampianarina asa hivelomany toy ny fambolena sy fiompiana
Fampidirana ny tetibola momban’ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ary ireo fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy ao amin’ny tetibolan’ny kaominina sahambavy
Nitarika ireo vehivavy manao foara fampiratiana ny vokatra
Nandray anjara tamin’ny foara nisy toy ny FEPA, FERMADA
Fahatsiarova ratsy: maty ny akoho sy ny trondro sasany hampiratiana tamin’ny foara FERMADA nohon’ny lozam-pifamoivoizana efa akaiky hiditra an’Antananarivo
Key challenges -Mbola misy ireo lehilahy noresena lahatra tamin’ny fampiharana ny miralenta
-Lavitra ny toerana nampanaovana fiofanana mitety kaominina ka nahareraka
-Olana nanembatsembana ny tsy fandriampahalemana satria dia matahotra ny mpampiofana fa sao heverin’ny dahalo ho manambola ka tafihany
-Vitsy ny piara-miombon’antoka ka mianto-tena ny mpikambana manatanteraka ny fampiofanana
-Mbola manjaka ny fitiavan-tenan’ny lehilahy ka izy ireo ihany no manatanteraka ny asa fampiofanana eny ifotony sady eo ihany koa ny hasarotam-piaro be loatra

Results

Change at the individual level Eny, nampitombo ny farim-pahaizako ny fanatanterahana ny asa
Nampisy fifampitokisana bebe kokoa teo amin’ny mpiara-miasa satria miara-misalahy
Nampisy fiovana tsara teo amin’ny mpiara-monina ny fanaovana asa sosialy
Mitombo ny fidiram-bola ao antokantrano manampy ny lehilahy mapidim-bola
Milamina ny fiainan-tokantrano, mizotra ara-dalana ny fianaran’ny ankizy
Afaka mampiasa vola amin’izay zavatra ilana azy
Evidence of change at the individual level Izaho RAZAFINDRAIMANGA Nambininjanahary Elodie dia manamarina etoana fa nisy fiovana tsara teo amin-dramatoa RAZANAMASY Marie Chantal eo amin’ny lafiny fitondran-tena sy ny fifandraisana amin’ny olona mpiara-monina satria dia lasa mpitarika ny olona eo amin’ny sehatra fampandrosoana maharitra
Change at the household level Mitombo ny fidiram-bola ao antokantrano manampy ny lehilahy mapidim-bola
Milamina ny fiainan-tokantrano, mizotra ara-dalana ny fianaran’ny ankizy
Afaka mampiasa vola amin’izay zavatra ilana azy
Tsy nisy intsony ny adiady sy ny herisetra nisy tao antokantrano
Lasa fakan-kevitra ny tena rehefa misy ny fivoriam-pianakaviana, fivoriam-pokon’olona
Evidence of change at the household level RASOANIRINA Vivianne sy RAKOTONIRINA Sylvain. Mpivarotra
dia nahatsapa ny fiovana teo aminy rehefa natao taminy ny fanentanana momban’ny ady amin’ny herisetra satria izy ireo dia fiady lava, mikorotana tokantranony ka dia nampahafantarina azy ny zo sy andraikitry ny tsirairay momban’ny ady amin’ny herisetra hita ao amin’ny fenitry ny SADC 20-25 ka naharesy lahatra azy mivady
Change at institutional level Izaho RAVAOSOLOL Edwige mpikambana ao ami,n’ny vovonam-pikambana FITAFIBE izay tarihin-dramatoa RAZANAMASY Marie Chantal dia manamarina etona fa izy di mpitarika mahafatra-po ary olona liam-pivoarana mahakarokaroka sy to-teny amin’ny mpiara-moniina sy mpiara-miasa
Vehivavy tena leader ka izany no nahatonga anay mpikambana nifidy azy ho filohan’ny fikambanana FITAFIBE hatramin’ny taona 2012 mandrak’ankehitriny 2019 izao
Evidence of change at institutional level Izaho RAVAOSOLOL Edwige mpikambana ao ami,n’ny vovonam-pikambana FITAFIBE izay tarihin-dramatoa RAZANAMASY Marie Chantal dia manamarina etona fa izy di mpitarika mahafatra-po ary olona liam-pivoarana mahakarokaroka sy to-teny amin’ny mpiara-moniina sy mpiara-miasa
Vehivavy tena leader ka izany no nahatonga anay mpikambana nifidy azy ho filohan’ny fikambanana FITAFIBE hatramin’ny taona 2012 mandrak’ankehitriny 2019 izao
Change at a policy level Eny, tena manova zavatra eo amin’ny lafiny ara-politika ny miralenta, ohatra nohon’ny fitondrako tolon-kevitra amin’ny maha vehivavy mpanolon-tsaina communal ahy dia mijery manokana ny vehivavy sy ny sahirana ny mpitondra amin’ny kaominina Sahambavy
Mandray anjara feno amin’ny sehatra fanapahan-kevitra eo amin’ny fikambanana ny vehivavy sady mitondra tolon-kevitra
Ny iraisam-pirenena dia ny lalàna dia manambara fa mitovy ny zon’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fananan-tany
Evidence of change at a policy level Porofon’ny fanovana teo amin’ny sehatra polotika
Ny mpitan-tsoratra ny vovonam-pikambanana FITAFIBE
RAFANOMEZANJANAHARY Evariste dia lany ho Ben’ny Tananan’ny kaominina Ikalalao noho ny asa fivoizana ny Miralenta sy ny Fampandrosoana tao amin’ny kaominina misy azy izay asa notanterahan’ny vovonana FITAFIBE
Capacity building Fiofanana fahaiza-mitarika (Leader Ship) nataon’ny fikambanana nomena ny mpikambana tsirairay nakana expère mpampiofana
Fampiofanana momban’ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ( formation des formateurs)
Fampiofanana momban’ny fambolena sy fiompiana isan-karazany hampitomboana ny farim-piainan’ny isa-tokantrano
Lessons learned and shared Noho ny fanentanana sy fampahafantarana ary fiofanana maro izay natao dia nihena ny tahan’ny ady amin’ny herisetra
-Maro ireo efa nampihantra ny miralenta raha oharina amin’ny mbola tsy resy lahatra
– Vitsy ny adin’ny mpivady miakatra amin’ny ambaratonga toy ny ao amin’ny FKT, CR…
Next Steps Ny drafitr’asa manaraka dia mbola ho fanamafisana ny ady amin’ny herisetra sy ny miralenta hoan’ireo izay mbola tsy resy lahatra
Ampitomboana ny fiofanana mahakasika ny seham-pihariana
Ampihofanina ny teknikam-piofanana ny sarambaben’ny mpikambana
Fanentanana ny olona hivondrona ao anatin’ny fikambanana