
SHARE:
Name | RAHARISOA |
Surname | Marie Louise |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | Voaantso tany toamasina aho hiatrika fiofanana nandritry ny foaran’ny vehivavy ka avy any aho no nampihatra izany teo anivon’ny fikambanana FAFED (Femme et développement). Taorian’nizay dia voaantso hiasa eo anivon’ny CECJ nanomboka ny taona 2010. |
Objectives | Hanala ny vehivavy ao amin’ny fahantrana, fanentanan azy ireo hanao asa fidiram-bola hialana amin’ny herisetra sy fanentanana azy ireo hanao fandrindram-piterahana mba tsy ho vesatra loatra eo amin’ny fianakaviana |
Key activities | Fampiarana ireo vehivavy karazana fahaizamanao ahafahany miavotra eo amin’ny fiainana; Fanentanana ireo vehivavy hanao fanabeazana aizana; Fiantseherana amin’ny fanafoanana ireo endrika herisetra rehetra misy , indrindra ny eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy. |
Key challenges | Vitsy ny olona tonga ankoatr’ireo mpikambana rehefa misy ny fivoriana; Tsy ampy ny fidiram-bolan’ny fikambanana; Misy ireo lehilahy sasantsasany misakana ny vadiny hanatrika fivoriana, eny fa na amin’ny lafiny fandrindram-piterahana aza izany. |
Results |
|
Change at the individual level | Fahasahiana sy fandresen-dahatra ireo vehivavy iharan’ny herisetra mba hioatra eo amin’ny fiainany. |
Evidence of change at the individual level | “Tsy tapaka mihintsy izy isaky ny fivoriana ary mandray anjara mavitrika amin’ny fandraisam-pitenenana.” RASOARIVOARILALA Yvonne – Mpitan-tsoratry ny CECJ |
Change at the household level | Nitombo ny fahaizana manoro sy mananatra ny zanaka sy ny fianakaviana ka nahaizan’izy ireo nitondra-tena eo anivon’ny tokantranony. |
Evidence of change at the household level | “Resy lahatra tanteraka aho taorian’ny adihevitra mikasika ny miralenta nataon’i Neny.” RAJOELISON Tovonjaka , Mpiasan’Ambatovy |
Change at institutional level | “Maro ny fahaiza-manao hainy ary dia zarainy tsy amim-pihambahambana eo anivon’ny fikambanana izany”. RAZAFINDRAZAY Berthe, Mpiandraikitra voalohany CECJ |
Evidence of change at institutional level | “Maro ny fahaiza-manao hainy ary dia zarainy tsy amim-pihambahambana eo anivon’ny fikambanana izany”. RAZAFINDRAZAY Berthe, Mpiandraikitra voalohany CECJ |
Change at a policy level | Fanentanana ny vehivavy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ( toy ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana sy ny fandehanana mifidy) |
Evidence of change at a policy level | ” Isany ampinga nampitombo ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy faharoa 2018 ity ny fanentanan’ny CECJ” RALISON Jean Emile – Mpiandraikitra faharoa CECJ |
Capacity building | Fizarana ireo fahaizamanao; Fiantsoana matihanina hanazava ireo sehatra mila izany (mpitsara, dokotera…); Fidinana eny ifotony amin’ny alalan’ny fitetezana tanàna |
Lessons learned and shared | Azo atao ny miady amin’ny herisetra, azo tratrarina ny tanjon’ny 50/50 amin’ny 2030 |
Next Steps | – Fitadiavana toerana handraisana ireo vehivavy voan’ny herisetra ; ny fomba anatanterahana izany dia fitadiavana mpiaramiombon’antoka toa an’Ambatovy (izay vonona hanolotra fitaovana); – Fitadiavana mpiara-miasa sy famatsiam-bola entina ampiroboroboana ny fikambanana.Andraikitra lehibe ny fampianarana ireo vehivavy hiady amin’ny herisetra sy amin’ny fitovin-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy ka mila ezaka lehibe sy mitohy. |