
SHARE:
Name | MODESTINE |
Surname | MODESTINE |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | Izaho nanomboka nitondra fikambanam behivavy tra pahasembanana taminny taona 2017,Teto Toamasina no nanombohako nanaovana ny asa rehetra momba izany.Nikiry mafy aho ka tonga mpitarika. Efa ela izahay vehivavy tra pahasembanana no nivohy mafy momba ny miralenta , dia taty aoriana nisy fiofanana momba io miralenta io nampanaovinny mpiaram iombon antoka ,toy ny PNUD sy Ministeran ny Mponina tamin izany fotoana izany. tay aoriana ihany koa dia anisan’y nivohy an izany ny Gender Links, izay anisan’ny niantso anay,ka nampitombo hatrany ny traikefa momba ny fahafantarana momba ny mira lenta,Ary ny maha zava dehibe azy dia ny isian ny fifanajana eo amin ny maha lahy sy vavy; ary ny fametrahana ny lentan ‘ny vehivavy mba tsy ho ambany noho ny lehilahy. Raha ny marina dia nyfifandrimbonan’ny vavy sy ny lahy no tena miralenta. |
Objectives | -Ny tanjona napetrako dia mbà ho maro ny olona hisehatra amin ny mira lenta -Hampitombo n isan’ny sokajy tanora hitondra fanentanana -Hampihena ny tahan ‘ny herisetra mahazo ny vehivavy eo anivon’ny fikambanana , ny fiaraha monina. -Hampihena ny aretina vokatry ny firaisana ara nofo -Hampianatra sy hitarika ny ankizivavy mba tsy hirotsaka amin y firaisana ara nofo sy voka aloha loatra sy tsy nirina. -Hametraka paika ady momba ny tsindry hazolena mahazo ny vehivavy. |
Key activities | -Fanentanana tany Brickaville nanao plaidoyer tamin ny manam pahefana sy mpitondra tany .Nisy olona manana fahasembanana teo amin ny 20 no nanatrika teo, ary nitondra olona 15 manam pahasembanana avy aty toamasina. Ny loha hevitra tamin izany dia n fahafahana mivezivezy malalaka sy ny zon ‘ny vehivavy manam pahasembanana. -Fanentanana ihany koa teo anivon n’ny fivondronamben’ny fikambanan’olona manana fahasembanana teto amtampontananan’i Toamasina ,izay antsin ahoe CROPH ou Collectif Regional des Organisations des Personnes Handicapées. -Nanaraka atelier niaraka tamin’ ny PFPH ou Plate forme des personnes handicapées tany Antananarivo , satria mba ho hentiko hampahafantatra fa afaka mivezivez y tsara ny olona manana fahasembanana,aminny alaln’ny fisitrahanany zony izay hita ao amin’ny Article 26 izay mampahafantatra fa afak aampiasaina tsara ny fitaovana ahafahana mivezivezy tsara. |
Key challenges | Maro ny olana nosedraina , tao ny ngoavana, tao koa ny madinidinika. Ohatra : -raha mandeha mamonjy fanentanana dia mila mitondra ankizy mpikambana ao anty fikambanana nefa ny enti-manana hitondrana azy rehetra tsy misy .Noho izany dia tsy maintsy tsongaina ny ankizy izay ho entina. Raikitra ny fanomezan tsiny fa hoe manavakavaka ny mpitarika. – Ny tsy fahampian ny fitaovana ampiasaina ohatra hoe video projecteur ; eny fa na dia banderolles aza dia manahirana ny manamboatra azy satria tsy ampy vola. -Tao koa ny fahatsapana fa mbola tsy de ampy ny traikefan ‘ny tena indrindra tamboalohany. -Ny toetrandro ihany koa dia nanisy olana satria raha sendra feno ranobe ny lalana dia sahirana amin ny fivezivezena izay tsy maintsy atao. Nohezahina novahana araky ny fitrangany ny olana. |
Results |
|
Change at the individual level | -Tena nanova ny fianako ny fahalalako momba ny miralenta sy ny traikefa azoko. Maro ny zavatra tsy fantatro teo aloha nefa nohon ‘ny fahazoako fiofanana dia nitombo ny fahalalako : ny mikasika ny taovam pananahana; ny aretina azo avy amin ny firaisan ara nofo toy ny MST ,SIDA sy ny sisa. -Nahazo fahalalana ihany koa aho avy amin’ireo olona izay nentaniko : nisy fizarana sy fifanankalozana traikefa rehefa miaraka. -Nitombo ny firaisan kinan’ny mpikambana ary miara mientana sy miasa araky zay tratra. |
Evidence of change at the individual level | Mr Jean Christophe, Lehiben’ny Fivondronam-pikambana ny olona manana fahasembanana eto amin ny faritra atsinanana , dia nilaza fa lasa tia karokaroka , tsy matahotra ny miditra aminny birao, ary tia miresaka sy manadiady. Mandeha manao tournée matetika manentana i Modestine. |
Change at the household level | -Nentiko teo aminn fianakaviak izay zavatra nianarako sy ny traikefako dai tafa paka tamin izy ireo sy ny olona akaiky ahy izany: ny fianakaviako di amahatsapa fa lasa sarotiny mihitsy aho amin ny lafiny fahadiovana, indrindra mahakasika ny taovam pananahana(ny lahy sy vavy. Ohatra manapy ny atinankanjo aminny masoandra dia tsy maintsy atao, na dia efa nosasana taminny savony aza , mba hamonona ny mikraoba. |
Evidence of change at the household level | -Fabiola Carla dia milaza fa :Taloha ny tokantranony dia tsy niasa saina loatra tamin izany fahadiovan ‘ny vatana izany. ankehitriny kosa dia efa hitataratra fa tafiditra ao anatin’ny fiovana tanteraka, indrindra ny toe tsaina. Satria taloha dia tata bava amin ny fitenenana ny zanany ao anatin ny adolatsento izy amin ny fanadiovana ny vatana sy ny atin akanjo satria napetrapetraka fotsiny teny izy ireny fa tsy nodiovina….Raha sendra sasany kosa dia natapy amin ny toeran atkona satria malotoloto jk=kely dia tsytiany ho hitan ‘ny olona. Tena nandaitra ny fanentanany satria na ny vadiny aza dia nisy fiovana ,nananatra |
Change at institutional level | Ramatoa Sambany Annick Beatrice , dia mamamarina fa ny fikambananay dia misy fiovana be amin izao,satria betsak ny fahalalana azonay , izay tsy ary ho voatanisakoeto ,fa ny nisongadina dia ny fahazoanay ny fikarakarana sy fikajiana ny taovam pananahanan ny fanaovana fanabeazan ‘aizana; izay mbola maro ny tsy mahalala ny momba izany |
Evidence of change at institutional level | Ramatoa Sambany Annick Beatrice , dia mamamarina fa ny fikambananay dia misy fiovana be amin izao,satria betsak ny fahalalana azonay , izay tsy ary ho voatanisakoeto ,fa ny nisongadina dia ny fahazoanay ny fikarakarana sy fikajiana ny taovam pananahanan ny fanaovana fanabeazan ‘aizana; izay mbola maro ny tsy mahalala ny momba izany |
Change at a policy level | Nanao fandresendahatra (plaidoyer ) teo anivon ny mpiandrakitra ny fahasalamana sy ny mpitondra fanjakana izahay noho ny alafosan ny sara piterahana. Ny vehivavy manam pahsembanana matetika dia tsy maintsy didiana . Nivaly ny fangatahana ka nahazo KIt fiterahana maimaimpoana, natokana ho anay, avy aminny Inner Wheel. Nitondra fanovana teo amin ny fiaraha monina sy ny fikambanana ny tenako. Tsy vesatra hoan ny firenena ny vehivavy mamampahasembanana. |
Evidence of change at a policy level | Ny vehivavy manam pahasembanana eto am tampontanan’i Toamasina dia misedra olana manokana rehefa hiteraka, ka voatery manao fanabeazana aizana tsy fidiny vokatry ny fahalafosan’ny kojakoja sy saram piterahana.Kalo Christine dia faly fa afaka niterak soa amantsara sy tsy nisytebiteby izy tamin’ny saram piterahana,ary nahazo kit maimaimpoana nohon’ny fanadresendahatra nataon ny fikambanana notarihan i Modestine |
Capacity building | -Fanentanana momba ny fanabeazan ‘aizana teo amin ny mpikambana: Dingana voalohany : fiantsoana ny mpikambana hilazana fa hisy fanentanana -Fijerena ny toerana hanaovana ny fanofanana :manatona ny Talem paritry ny Mponina,matetika dia ao izahay no mahazo toerana tsy misy sarany. -Fanantonana mpiara miombon antoka afaka hanampy ara pitaovana na ara bola ; fiaraha miasa tamin’ ny Talem paritry ny Mponina izay,mpitsabo -Fandrafetana ny lamin’asa sy fandaharana. -Fanatanterahina ny fanofanana. -Tomban’ezaka sy fanarahi -maso aorian ny fanofanana |
Lessons learned and shared | Ny vehivay matetika dia heverin ‘ny fiaraha monina fa fanaka malemy, indrindra moa fa vehivavy manana fahasembanana. Noho izany dia -Mila fahatokisan tena rehefa hanao zavatra satria betsaka ny olana tsy ampoizina met mitranga. -Vonona hihaino ny hafa sy mandray ny tsikera entina hanatsarana ny dingana na asa manaraka -Fahavononana hianatra sy hanitatra ny fahalalana -Tsy mitazona ny fahalalana hoan ‘ny tena samy irery fa mizara eo amin’ny mpiray fikambanana sy fiarahamonina.Izany no miantoka ny fampandrosoana maharitra ka handraisan ny vehivavy andraikitra. – – |
Next Steps | -Hanofana vehivavy maromaro kokoa ,indrindra ny ankizy vavy ,eo ambaninn ny fitarihan i Gender Links sy ny fiaraha miasa amin ireo mpiara miombon’antoka, Anisan’ny lohahevitra amin’izany ny Fahasalamana ara pananahana, ny karazana herisetra manjo ny vehivavy., ny zon ‘ny vehivavy sy ny ankzy. Mbola betsaka ny ankizivavy ,na antanan-dehibe na any ambanivohitra no tsy mahafantatra ny momba izany nohon’ny fomba amampanao nentin- drazana, na koa ny hevitra raikitapisaka . Vonona hiara hiasa amin’ireo malala tanana eto an toerana na any ivelany ho fampitaovana sy hampitomboana ny enty manana eo amin’ny fampitomboana ny isan ‘ireo olona afaka misitraka ny fanentanana sy fampiofanana. |
GL Special Advisor @clowemorna opens the floor & breaks the ice in welcoming all the different grantees with their country's @WVLSouthAfrica Conference#GenderEqaulity#CSW69 pic.twitter.com/P9zDtXcIAy
— Gender Links (@GenderLinks) March 5, 2025