SHARE:
Name | RAZAFITSARANDRO |
Surname | NORLINE |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | Araka ny voalazako etsy ambony dia ny taona 2009 aho no nitarika fikambanana voalohany raha mbola mpitantsoratra kominaly tao amin’ny kaominina Mandromoromotra aho, roapolo ny isan’ny mpikambana tamin’izay fa telo volana taty aoriana kosa raha nahita ny tombontsoa azo avy tamin’ny vokatra legioma izay niarahan’ny mpikambana ny mpiara-monina dia lasa nirotsaka ho mpikambana avokoa ka lasa nitombo hatramin’ny efapolo mahery ny mpikambana . Ny taona 2014 dia nisy vondron’olona avy any amin’ny kaominina Mahatalaky nanatona ahy ka niangavy ny mba hananganana fikambanana any amin’izy ireo ka lasa tokoa aho nanangana izany fikambanana izany ; marihako fa fikambanana maromaro no niara natsangana tamin’io fotoana io. Rehefa niverina matetika mijery ireo fikambanana ireo anefa aho dia lasa tamana ka nonina maharitra teo Mahatalaky satria betsaka ireo vehivavy no niangavy ahy hilatsaka ho fidina ho ben’ny tanana. Marihako fa ny taona 2010 aho no nanomboka nanamafy ny resaka miralenta tamin’ireo mpikambana rehetra izay notarihiko. |
Objectives | Ny tanjona kendrena kosa anefa dia ny: -Ho vehivavy manana anton’asa maha velona ka tsy ho vesatrin’ny fiaraha-monina; -Ho olompirenena vanona, -Ho vehivavy sahy, mijoro ary afaka mandray fanampahan- kevitra hentitra; -Ho vehivavy sahy maneho hevitra amin’ny lafiny rehetra na eo amin’ny fiaraha- monina izany na eo amin’ny lafiny politika na eo amin’ny fampandrosoana, |
Key activities | Be dia be ireo asa nontanterahana teo amin’ireo fikambanana ireo fa ny tena tina ho tsindriana eto dia ny: -Fanomezana akanjo mafana ho an’ ireo Be antitra rehetra ato anatin’ny kaominina ambanivohitry Mahatalaky; -Fanomezana sakafo ho an’ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC mandritra ny fotoana anatrehany izany fanadinam-panjakana izany satria be dia be ireo ankizy avy any amin’ny fokontany na kaominina hafa tsy manana toeram-panadinana no tonga manatrika izany fanadinam-panjakana izany aty amin’ny kaominina; -Managana fikambanana rehetra izay mitady fanampiana sy mikarakara ny antota-taratasy ilaina amin’ny ahatongavan’ny fikambanana hijoro ara-dalana sy aram-panjakana; -Mandray antanana ireo vehivavy rehetra iharan’ny herisetra ato amin’ny kaominina taolagnaro sy ny kaominina manodidina rehetra amin’ny alalan’ny CECJ Taolagnaro; -Nilatsaka ho ben’ny tanana sy manampy ireo vehivavy hilatsaka ho fidina ho ben’ny tanana amin’ny fikarakarana ny antota-taratasy rehetra ilaina amin’izany; -Fanentanana ny mpikambana sy ny mpiara- monina mba tsy hampanabady ankizy aloha loatra toy ny ankizy latsakiny 18 taona; -Mampifanantona ireo mpandraharaha mpividy entana sy ny mpikambana mpivarotra entana toy ny tsihy sy satroka -Mitady toerana hivarotan’ireo mpikambana mpandrary tsihy sy satroka ety andrenivohitra -Nanampy nandresy lahatra ary nikarakara ireo tokatrano amin’ny alalan’ny fanaovana fisoratam- panambadiana faobe izay niarahana amin’ny ministeran’ny ponina eto amin’ny faritra anosy, izany dia nonaterahina tamin’ny andro iraisampirenena ho an’ny fianakaviana ny 15 may 2019 lasa teo – |
Key challenges | Ny olana nosedraina kosa anefa dia ny fanilikilihana ataon’ireo olona sasatsasany izay manana fahaizana ambonimbony kokoa nohon’ny hafa sy ireo olona manam-bola ambony noho ireo mpikambana; Ny fanilihana na fanasarotana ataon’ireo manampahefana toy ny fokontany sy ny kaominina amin’ny fikarakarana ny antota-taratasy fananganana fikambanana; Ny tsy fahaiza- mihaino Ny tsy fitovian’ny farim-piainana sy ny fari-pahaizana; Ny fomba fanaovana na fanoratana ny antota-taratasy fangatahana famatsiam-bola ho an’ny fikambanana; Ny tsy fahampian’ny fahaiza-manao amin’ny lafiny rehetra na ara-teknika izany na aram-pitantanana na eo amin’ny lafiny fifandraisana indrindra fa eo amin’ny fomba fitondrana fikambanana; Ny fitondrana ireo olona iharan’ny herisetra indrindra ireo maratra mafy sy voadona aram-pananahana mankany amin’ny tobim-pahasalamana. Ny fidinana ifotony amin’nyasa fanentanana rehetra atao any amin’ny fikontany sy ny kaominina manodidina rehetra; Ary ny lafiny ara-bola izay fotra iaingana ninoninona zavatra atao ; |
Results |
|
Change at the individual level | Tena nanova ny fiainako tokoa raha io asa notanterahiko io satria lasa nanana fahasahiana aho eo amin’ny lafin’ny rehetra na aram-piaraha-monina izany na eo amin’ny lafiny ara-politika satria efa nilatsaka ho ben’ny tanana aho ny taona 2016 lasa teo. Nivelatra ihany koa ny fifandraisako tamin’ireo sampan’asa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny Fikambanana ATAS, Ny minisiteran’ny ponina ,ny polisim-panjakana ary ny avy ao amin’ny fitsarana. |
Evidence of change at the individual level | Andriamatoa RAKOTOMAMPIVERINA Felix Julson, Filoha mpitarika ny ATAS (Association des Techniciens Agronome du Sud), nilaza ny hafaliany amin’ny fanatonana azy matetika mba hanome fiofanana momba ny fambolena na fiompiana indrindra fa ny fambolena sy famokarana legioma ho an’ireo fikambanana rehetra izay efa voatsangana mba hanatsarana ny farimpiainan’ny mpikambana tsirairay sy mba haha matihanina azy ireo amin’ny alalan’nizany famokarana legioma izany |
Change at the household level | Misy ny fiantraikany raha ny fiovana no jerena eo amin’ny fifandraisana amin’ireo olona akaiky sy ny fianakaviana satria dia efa maro ny olona mandalo mangataka fanampiana sy torohevitra aty amiko; misy amin’izy ireo anefa no raisin’ny fianakaviako amin’ny fitoana tsy maha eto an-toerana ahy ka anaovany tatitra amiko rehefa tonga aho, fa raha ny eo anivon’ny fiaraha-monina kosa dia hita taratra avy ety ivelany ny fahaiza-miaina sy fifanajana ary indrindra ny fahaizana miara-monina. |
Evidence of change at the household level | RANDRIANANTENAINA Jean Odora, zanako lahimatoa izay efa maha voafehy tsara ny asako na eo amin’ny fitondrana sy fandraisana fikambanana izany na eo amin’ny asa fandraisana ireo olona manana olana ka mitady torohevitra sy fanampiana avy amiko; izy ihany no mandray sy manome fahafaham-po ho an’ireo mpikambana sy olona mana olana ireo ary dia manao tatitra amiko izy rehefa tonga aho. |
Change at institutional level | Ramatoa RASOAMAMPIONONA Alice; Sefo fonkotany Ampasikabo izay nilaza sy nisaotra ny mpikambana tamin’ny fandraisana an-tanana nataon’ny ekipa ireo vehivavy anakiroa izay niharan’ny herisetra avy tao amin’ny fokontany iandraiketany; Nanamafy ihany koa izy fa vonona ny hiara miasa amin’ny fikambanana raha misy tokony hilana izany satria tsapany tokoa fa amin’ny fomba matotra sy manaradalana no andraisan’ny mpikambana ireo olona iharany herisetra ireo ary tsy vitan’izany fa mbola mitohy amin’ny ambaratonga hafa toy ny polisy na ny fitsarana raha tsy vita eto ny fifandaminana sy ny fifampiraharahana ary fandaminana. |
Evidence of change at institutional level | Ramatoa RASOAMAMPIONONA Alice; Sefo fonkotany Ampasikabo izay nilaza sy nisaotra ny mpikambana tamin’ny fandraisana an-tanana nataon’ny ekipa ireo vehivavy anakiroa izay niharan’ny herisetra avy tao amin’ny fokontany iandraiketany; Nanamafy ihany koa izy fa vonona ny hiara miasa amin’ny fikambanana raha misy tokony hilana izany satria tsapany tokoa fa amin’ny fomba matotra sy manaradalana no andraisan’ny mpikambana ireo olona iharany herisetra ireo ary tsy vitan’izany fa mbola mitohy amin’ny ambaratonga hafa toy ny polisy na ny fitsarana raha tsy vita eto ny fifandaminana sy ny fifampiraharahana ary fandaminana. |
Change at a policy level | Tena nanova zavatra tokoa raha ny miralenta eo amin’ny lafiny politika satria mitombo isa ny vehivavy mandray anjara amin’ny fifidianana isan-tsokajiny izay mbola tsy nisy hatramin’izay; raha ny fomba nentim-paharazana dia tsy mety raha ny vehivavy no mitondra vahoaka fa ankehitriny kosa dia tsapa tanteraka fa mitondra fanovana lehibe eo amin’ny lafiny ara-toetsaina ny miralenta; pororfon’izany dia: -16 ny isan’ireo vehivavy nilatsaka ho ben’ny tanana raha tsy hilaza ankoatrin’ny distrikan’ny Faradofay aho, ny 6amin’izany kosa no lany ary 7 kosa ny vehivavy lasa mpanolontsaina kaominaly; -Sefo fokontany Ampasikabo sy ny lefiny dia vehivavy ihany koa izay tsy mbola fahita aty antsimon’ny nosy hatramin’izay; -Vehivavy milatsaka ho fidina ho solombavam-bahoaka amin’ny 27 may ho avy izao kosa dia miisa 3 , ary inoana ny hahalany ny iray farafahakeliny raha anakiroa ny toerana ho an’ny distrikan’ny Taolagnaro; |
Evidence of change at a policy level | Ramatoa SOARLINE, Ben’ny tananan’ny kaominina Ampasimena, izay nangataka fanampiana tamiko teo amin’ny fikarakarana ny antota-taratasy filatsaha-kofidina ho ben’ny tanana ary dia lany soa ama-tsara ankehitriny, marihana fa niara nilatsaka tamiko izy ary nitady fanampiana sy torohevitra avy aty amiko tamin’ny fotoam-panomanana ny fifidianana. tonga nisaotra ahy izy ary niangavy ihany koa ny mba hanampiana azy sy hanomezana torohevitra mahakasika ny fananganana fikambanana aram- panjakana sy nangataka fanampiana avy amin’ny fikambanana ny mba hanomezana fiofanana momba ny fitantanana sy ny fomba fitondrana fikambanana izay tiany ho tanterahina ao amin’ny kaominina misy azy |
Capacity building | Ny drafitra ho atao dia ny: -Fitiliana ireo karazan’ olana fototra misy any ifotony mba hahaizana mandray fanampahakevitra sy hijerena ny mety ho vahaolana mifandraika amin’izany; -Fananganana ireo vondron’olona maniry ho fikambanana; -Fanofanana ireo birao ho an’ireo fikambanana vaovao; izany fiofanana izany dia mikasika ny fomba fitantanana sy ny fomba fandrindrana na fitondrana fikambanana -Fandrafetana drafitr’asa mifandraika amin’ny filan’ny mpikambana tsirairay; -Fitadiavana famatsiam-bola ho an’ny fikambanana; |
Lessons learned and shared | _Ny lesona azo tsoahana tamin’ny fanantanterahana , efa manana fahasahiana, mametraka program Afaka mivelatra amin’ny sehatrasa misy na mahaleotena na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny mpitandro ny filaminana, ny fitsarana, ny minisiteran’ny ponina aty amin’ny faritra, indrindra fa ireo tetikasa na fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana; Mahazo fanasana foana avy amin’ireo manampahefana isan-tsokajiny raha misy ilana izany ary mandefa solontena amin’ny anaran’ny fikambanana izay miafara amin’ny fanaovana tatitra. |
Next Steps | Ny drafitra ho atao dia ny: -Fitiliana ireo karazan’ olana fototra misy any ifotony mba hahaizana mandray fanampahakevitra sy hijerena ny mety ho vahaolana mifandraika amin’izany; -Fananganana ireo vondron’olona maniry ho fikambanana; -Fanofanana ireo birao ho an’ireo fikambanana vaovao; izany fiofanana izany dia mikasika ny fomba fitantanana sy ny fomba fandrindrana na fitondrana fikambanana -Fandrafetana drafitr’asa mifandraika amin’ny filan’ny mpikambana tsirairay; -Fitadiavana famatsiam-bola ho an’ny fikambanana; |
📝Read the emotional article by @nokwe_mnomiya, with a personal plea: 🇿🇦Breaking the cycle of violence!https://t.co/6kPcu2Whwm pic.twitter.com/d60tsBqJwx
— Gender Links (@GenderLinks) December 17, 2024