Madagascar: Phillipe Soloniaina


Date: June 3, 2019
  • SHARE:

Name SOLONIAINA
Surname Philippe
Country Madagascar
Give a short history of the leader Ny Ben’ny Tanànanay dia Renim-pinakaviana toin’ny rehetra fa tena mampiavaka azy dia manana tanjona hanatsara hatrany ny Kaominina misy azy izy, mpampianatra tamin’ny sekoly privé izy taloha ka noraisin’ny Ben’ny Tanàna teo aloha dia Andriamatoa Mandza Jacky Denis ho seketera hisahana ny Fiankohonana tamin’ny taona 2004 fa tamin’ny taona 2005 no nidirako niasa tato amin’ny Kaominina, Raim-pianakaviana tia fahamarinana, mpampianatra mpisolotoerana tao amin’ny sekoly privé Avotra Lazaret Antsiranana, nisy fanentanana antaon’ny tompon’andraikitra Genderlinks dia i Ramatoa Alphine nahasarika an’ny Ben’ny Tanànay ny fanentanany sady tonga dia nanana etaheta mba te hitondra izany aty amin’ny Kaominina hiasany izy fa izaho kosa dia efa resilahatra sady tsy mba te-manambany ny vevivavy fa mbola tsy nanampotoana fa miasa isan’andro afa tsy alahady ihany,
Objectives SOA MANDROSO TSY MIVERIN-DALANA dia tanjon’ny Kaominina Antanamitarana io, fa izahay ao anatiny dia manao izahay hanatratrarana io Tonjona io amin’ny fara herinay.
Key activities Izaho dia niasa tao amin’ity Kaominina ity tamin’ny taona 2005, ka natao ho Percepteur mpaka ny Ristourne no asako sady niasa teny amin’ny barage Ekonomika izahay, hitan’ny Ben’ny Tanàna fa tsy nandeha ny hetra, izany hoe olon-kafa no nanamboatra ny karadava na (avis d’imposition) tatao aminay dia nampiantsoa ahy ny Ben’ny Tanàna fa hiverina hiasa ato anatin’ny birao ka hisahana ny fanamboarana ny (avis d’imposition) io ka nanomboka tamin’izay dia nianatra sady nampiasa tetika rehetra izahay mba haleo tena fa tsy olon-kafa na manao ny (avis) nay, marihina fa taloha dia be ny vola tsy tafiditra tato amin’ny Kaominina nohon’ny tsy fisian’ny kara dava Ohatra tamin’ny 2006 katramin’ny 2007.
Key challenges Ireo fanamby dia ny tanjona teo aloha dia HANARINA SY HAMPIRINDRA ity Kaominina ity Izahay, azo lazaina fa tratra ihany izany amin’izao fotoana izao ka nahatonga ny Ben’ny Tanàna nanova ny Tanjona ho vaovao indray, marihina fa tena tsy mora ny nanatontosa izany zavatra izany mila hery, finiavana, fahafozantena, fandresendahatra mba hihova amin’ny izay nahazatra. Ohatra vitsivitsy nataoko: mila nahafehy ny solotsaina izahay nianatra nampiasa Ordinateur izahay, nanao ny recensement Fiscal izahay mba hahaizanay ny contribuable ato amin’ny Kaominina, nampiditra ny Information nazo izahay (Saisies des informations) nanlefa tany amin’ny Centre Fiscal B misahana sy mampianatra izay tokony atao araka ny lalàna velona, averina aty amin’ny Kaominina ary ho zaraina eny amin’ny Contribuable rehetra.

Results

Change at the individual level Tena nanova ny fianan’ ny Kaominina tokoa ny fampiarana ireo zavatra voalaza tetsy ambony ireo sy nanova hay manokana koa satria maro ny zavatra noratovina nandritran’izany fotoana maromaro izany, nanampy ny fahazako ny mampiasa solotsaina io asako io, nahaizako ny lalàna mifehy ny Hetra ankapobeny sy ny tsy azo atao amin’izany, nahavita namoaka avis maromaro ho boky ka atao dika mitovy ho telo: ny iray ho an’ny Contribuable, ny iray ho an’ny Kaominina sady asiana fanamariana ao ambadika ary iray farany ho an’ny Centre Fiscal.
Evidence of change at the individual level Ny fananan’olona io karadava io dia maneo fa nahavita adidy amin’ny Kaominina izy ireo , taloha tsy nanana io ny olona dia mitebiteby isanandro satria tsy mba voaraikitra ao anatin’ny bokin’ny Kaominina ny anarany ao ny olona mbola anatin’ny tsy fananana tsy mahatakatra ny hamita ny taratasin’ny taniny eny amin’ny Domaine, eo ko tany mbola misy ady mba hanamporofoina fa io an’olona iray, io koa ny fandraisana anjara mavitrika hampandrosoana ny Kaominina.
Change at the household level Tena nanampy sy nampitombo ny fifandraisanay sy ireo mponina rehetra sahaninay ato amin’ny Kaominina ny asa nataonay io satria hainay ny taniny sy tranony ary ireo mombomba azy sy izay tena tanjony amin’ny ho avy ka raha misy olokafa mitady hanao zavatra hafa amin’io taniny io dia izahay no mampilaza sy mampahatsiahy fa efa manatompo ilay tany na koa ho alafo ilay tany noho ny fiaraha miasa izay apetraka mazava tsara.
Evidence of change at the household level Ny fisian’ny Kara-dava dia entina mamehy ny mpiray lova mba tsy ho alaimpanay hanao hafetsena haka ny tany sy hivarotra azy antsokosoko izany hoe dia tokony irahan’ny mpiraitampo rehetra ny fivarotana ny tany sy fizarana ny lova avy tamin’ny Ray aman-dReny raha tsy eo izy, raha mbola eo kosa dia izy ilay Ray na Reny mitondra anarana amin’ny tany sy trano no mitsinjara ny fananany ho an’ireo zanany ireo ka raketina ato amin’ny Kaominina Oh: misy olona anakiray manan tany 6000 m2 ka manana zanaka diny mianadahy dia izy ihany no manolotra
Change at institutional level I Ramatoa TEFY Marie Elyse dia olona manana tany ato anatin’ny Kaominina antanamitarana ankoatra ny taniny any amin’ny toeran-kafa, tena nahafa-po azy sy tena marisika izy mandoha ny hetrany, izahay dia manentana ihany koa ho an’ny olona manana tany mba hanao trano amin’ny taniny satria be ny ady tany misy nefa ny tompony sy fantatra na lavitra be ka tsy tratra antso fa raha misy olona mitoetra eo amin’ny tany dia manampy anay amin’ny ahitana sy hiaraha-miasa izany Ohatra ny hetra izy mbola tany tsy misy trano dia Ar 40 000 rehafa misy trano dia Ar 2 000 isantaona no efainy
Evidence of change at institutional level I Ramatoa TEFY Marie Elyse dia olona manana tany ato anatin’ny Kaominina antanamitarana ankoatra ny taniny any amin’ny toeran-kafa, tena nahafa-po azy sy tena marisika izy mandoha ny hetrany, izahay dia manentana ihany koa ho an’ny olona manana tany mba hanao trano amin’ny taniny satria be ny ady tany misy nefa ny tompony sy fantatra na lavitra be ka tsy tratra antso fa raha misy olona mitoetra eo amin’ny tany dia manampy anay amin’ny ahitana sy hiaraha-miasa izany Ohatra ny hetra izy mbola tany tsy misy trano dia Ar 40 000 rehafa misy trano dia Ar 2 000 isantaona no efainy
Change at a policy level Nahavita nanova zavatra tokoa raha ny ara-politika no jerena satria ny Ben’ny Tanàna naka anay niasa dia Lehilahy fa nodimbiasan’ny Ben’ny Tanàna vaovao dia Ramatoa AMINA, izay nanova sy nanatsara amin’ny fomba rehetra nisy teto amin’ny Kaominina ary tsy hoe tsy ilaina ny Lehilahy fa mampanjaka ny 50/50 kosa izy porofo fa zaho dia lehilahy notendreny hisahana ny Hetra izay goragora teo aloha mba tsy hilazana hoe tsy nandeha.
Evidence of change at a policy level RABEMAHAFAHA Justin Sefo Fokontany Maromagniry dia mijoro vavolombelona fa tamin’ny Fitantanan’ny Ben’ny Tanàna Vehivavy dia maro ny tombotsoa nozan’ny fokontany: nahazao birao vaovao sady misy efitrano hivoriana, nahazo Marche intercommunal na Tsena hivarotan’olona, niampy ny efitrano fianarana ary nahazao borne fontaine hakan’ny mponina raho fisotro madio, tamin’ny fitondrana taloha tsy mbola nisy zavatra vita
Capacity building Ny fahaizanay mifehy ny solontsaina dia isan’ny nentinay nampitomboana ny traikefan’ny olon-kafa Kaominina mila vonjy aminay Oh rehefa manao devoir ny GenderLinks izy ireo dia eto amin’ny Kaominina Antanamitarana no Centre izay ivondronan’ny Kaominina manodidina izay mandray anjara, izay ato amin’ity Kaominina ity dia tena tia manampy ny hafa ka indraindray aza ny asa-aman-draharahanay dia mandefitra fa manampy ny namanay sahirana izahay amin’ny traikefa anananay.
Lessons learned and shared Azo lazaina fa nanao zavatra maro tokoa ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpiasany nefa olomblona ihany izy satria lasy adino na napetrapetraka tery anjorombala ny fianakaviana na hoe ny vadi-amanjaka satria ny fotoana rehetra dia lany aty amin’ny Kaominina ihany na dia any antrano dia mbola manaraka eny ihany izany, misy ihany koa ny fitarazoan’ny asa indraindray satira ny olona iray dia mitana andraikitra maromaro Ohatra: izahay mpiasa atoamin’ny Kaominina mihisa eo 13 eo nefa mahavita misahana sy ampadeha ny raharaha rehetra anatiny sy ivelan’ny Kaominina.
Next Steps Tokony havaozina ny fanaovana Recensement Fiscal isakin’ny 3 taona mba ahaizana ny tena teo-draharaha misy satria mety efa miampy ny trano any anelenelan’ny Fokontany any mety tsy nandalo taty amin’ny Kaominina. Avoaka isa-ntaona ny (avis d’imposition) kara-dava sy alefa manaraka izany koa ny fitakiana sy fanentanana ho an’ny rehetra mba handoa adidy ka homena loka izay marisika indrindra. Hotohizana ny tatitra mikasika ny vola azy sy ny farisian’ny fokontany mandoa adidy ary tokony tsy atao ny asan’olona izay tsy mba tena manda ny mamita ny adidiny!