Madagascar: RAFARAMIHANTA Bodosahondra


Date: August 24, 2018
  • SHARE:

“Fiaraha-mihentana ny Lahy sy ny Vavy..”

Mpivarotra ny no asako, manambady ary niteraka dimy. Vadin`ny Ben`ny Tanana teo aloha aho.Filohan`ny Fikambanam-behivavy “oliva”; Komitin`ny MIRALENTA Soavinandriana, EFAMIRA, Filoha mpandrindra ny Tetikasa Ankizy Krismasy  Faritra ITASY.

Ny mpitarika atolotra etoana dia vehivavy manambady tokana, niteraka dimy mianadahy, vadinny Benny Tanana teo aloha. Hatramin`ny fahatanorany izy no efa zatra mandray andraikitra: birao amin`ny sampana tanora ao amin`ny fiangonana, voafidy filohan`ny  Dorkasy indray taty aoriana ary nitarika ny fanatanterahana ireo soritr`asa mandritra ny taona toy ny fizarana bodofotsy ho an`ireo mahantra lahy sy vavy ao amin`ny fiangonana, fizarana vary sy savony ho an`ireo gadra any amin`ny fonja. Tsy nijanona tao anaty rindrina efatra ny fiangonana, anefa, fa ho fanampiana sy fampivelarana ny fiainan`ny vehivavy teo amin`ny fiarahamonina, dia nanangana ny fikambanam-behivavy” OLIVA” izy,ny fiarahana tamin`ny AFISOD izay nanofana alphabetiseur 22 vavy, niofana tamin`ny FAMAK (ady amin`ny kolikoly).

Nanentanamomba ny ady amin`ny vih-sida koa izay niarahana tamin`ny CLLS.

Ny Miralenta izay niarahana tamin`ny Gender Links sy ny EISA ka niforonan`ny Komitin`ny MIRALENTA Soavinandriana.Tamin`ireny rehetra ireny dia Filoha nitarika hatrany ity vehivavy ity.

Tonga ny EFAMIRA, miaraka amin`ny ONG SAHA, ny Fevrier 2016, nampiofana sy nampahafantatra ireo zon`olombelona indrindra ny zon`ny vehivavy, izay matetika iharan`ny tsindry hazolena samihafa vokatry ny tsy fahaizana sy tsy fahalalana.Fikambanam-behivavy maromaro no indray nampiofanin`izy ireo.

Nitondra fiovana teo amin`ny fikambanana tokoa ny asa satria dia mba sahy mandray anjara amin`ny tetikasa sy hetsika misy eo amin`ny Tanana sy toerana misy azy ireo vehivavy voaentana sy manaraka fiofanana. Liana tokoa ireo vehivavy rehefa mikasika zo sy ny miralenta no resahana satria dia mahakasika azireo mivantana izany. Malaza tokoa ny fikambanana ary manjary atahoran`ireo lehilahy sasany tsy maty manota. Mahatsiaro ho tompon`andraikitra ireo vehivavy fa tsy mpitazam-potsiny intsony. Ny fiovana teo amin`ny fikambanana mantsy dia maro toy ny fanelanelanana eo amin`ny vahoaka sy ny mpitondra, mizara vaovao amin`ny vahoaka, manara-maso ny fiasan`ny BIF (Birao Ifotony Fananantany) izay miorina eto amin`ny renivohitry ny Distrika, mameno ny banga tsy vitan`ny kaominina eo amin`ny fiahina ny fiainam-bahoaka,mitaky ny fampiharana ny zon`olombelona sy miaro izany, manentana sy mamporisika ny olom-pirenena handray anjara amin`ny fiainan`ny kaominina. Manindrahindra ny soa iombonana sy ireo soatoavina ekena erantany toy ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon`olombelona.Mandray anjara amin`ny asa famokarana,mitaky fanovana ( plaidoyer, lobbying), mandray anjara amin`ny fanaraha-maso (observation) sy fanairana ( alerte, interpellation). Manaitra ny kaominina amin`ny lafin-javatra tsy mety eo amin`ny kaominina, mitaky ny fampiharana sy fanajana ny lalàna. Mila mifanasaka ny lahy sy ny vavy eo amin`ny fampandrosoana mba tsy handringa.

Ny dingana manaraka tiako hotanterahina dia mba ahamora ny Manentana ny olona mba hiditra anaty Fikambanana anana hampitombona ny fahaiza-manao sy Manentana  ny olona indrindra ireo vehivavy hanao ny fangatahana ny fanaovana kara-taniny mba ahafahany misitraka feno ny zony tamin`izany (AVOTRA, OLIVA, VONONA,SAMITAH), ka anisan`ny birao neken`ireo vehivavy 100 mahery ho Filoha mpitarika izany fikambanambe izany indray izy.

Olona sariaka sady maresaka, mora hatonina no toetra iray tena anisany itiavan`ny maro azy ary mavitrika sy vonona hatrany na dia manana toe-batana vaventy aza, ka na diantongotra lavitra tokoa aza no tsy maintsy hizorana rehefa hanentana dia ampifaliana hatrany no hamakivakiany izany.

Ny andron`ny vehivavy 08 Mars moa, dia tsy amelan`ny olona, fa izy no mitarika sy manentana miaraka amin`ireo ao amin`ny Population ny hetsika sy fety rehetra atao. Tsy nitandroany vola aman-karena izanyfa nekeny sy nataony ampanetre-tena tokoa.

Ny Tetikasa Ankizy Krismasy iarahana amin`ny SAMARITAN`S PURSE dia izy no mpandrindra aty amin`ny faritra Itasy.

Nanovan’ny fiainan’ny tena manokana tokoa ny fanatanterahana ity asa ity. Nampivelatra tamin`ny lafiny maro ary tena nampitombo ny fari-pahalalana azo satria tsy maintsy nandray sy nanovo aloha tamin`ny alalan`ireo fiofanana sy atrikasa maro izay natrehina vao afaka mizara, toy ny fiofanana nomen`ny  Genderlinks, ny EISA,  ny Ministera ny atitany,ny Ministerany ponina,ny Efamira, ny Samaritan`s purse. Ankoatr`izay dia manana fifaliam-po anaty satria mahasambatra tokoa ny manampy ireo mpiara-belona amin`ny tena indrindra ireo vehivavy manana fahasahiranana amin`ny fisitrahana ny zony maro samihafa. Niala ny henatra ary nitombo ny fahasahiana. Teo koa ny ankohonana izay tena nanohana tokoa indrindra tamin`ny fotoan-tsarotra.

Nitondra fiovana teo amin`ny fikambanana tokoa ny asa satria dia mba sahy mandray anjara amin`ny tetikasa sy hetsika misy eo amin`ny Tanana sy toerana misy azy ireo vehivavy voaentana sy manaraka fiofanana. Liana tokoa ireo vehivavy rehefa mikasika zo sy ny miralenta no resahana satria dia mahakasika azireo mivantana izany. Malaza tokoa ny fikambanana ary manjary atahoran`ireo lehilahy sasany tsy maty manota. Mahatsiaro ho tompon`andraikitra ireo vehivavy fa tsy mpitazam-potsiny intsony. Ny fiovana teo amin`ny fikambanana mantsy dia maro toy ny fanelanelanana eo amin`ny vahoaka sy ny mpitondra, mizara vaovao amin`ny vahoaka, manara-maso ny fiasan`ny BIF (Birao Ifotony Fananantany) izay miorina eto amin`ny renivohitry ny Distrika, mameno ny banga tsy vitan`ny kaominina eo amin`ny fiahina ny fiainam-bahoaka,mitaky ny fampiharana ny zon`olombelona sy miaro izany, manentana sy mamporisika ny olom-pirenena handray anjara amin`ny fiainan`ny kaominina. Manindrahindra ny soa iombonana sy ireo soatoavina ekena erantany toy ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon`olombelona.Mandray anjara amin`ny asa famokarana,mitaky fanovana ( plaidoyer, lobbying), mandray anjara amin`ny fanaraha-maso (observation) sy fanairana ( alerte, interpellation). Manaitra ny kaominina amin`ny lafin-javatra tsy mety eo amin`ny kaominina, mitaky ny fampiharana sy fanajana ny lalàna. Mila mifanasaka ny lahy sy ny vavy eo amin`ny fampandrosoana mba tsy handringa.

Ny dingana manaraka tiako hotanterahina dia mba ahamora ny Manentana ny olona mba hiditra anaty Fikambanana anana hampitombona ny fahaiza-manao sy Manentana  ny olona indrindra ireo vehivavy hanao ny fangatahana ny fanaovana kara-taniny mba ahafahany misitraka feno ny zony.