Madagascar: Rahelibenja Harisoa Mamy Tiana


Date: September 25, 2018
  • SHARE:

Anisan’ny vehivavy  niharan’ny herisetra  tao amin’ny  toka-trano  aho.                                                                                   Manan-janaka  3 lahy  aho , maditra  ny vadiko : manitsakits-bady  ary matetika  tsy  mody an-trano, ary niafarany  dia nadao  tanteraka ny  tokatrano  mihintsy.                                                                                               Rehefa  nitaraina tany  amin’ny  CDEF   aho  dia nampidiriny  hanaraka  ny  fiofanana  nataon’ny GL,  ary rehefa  mahazo  fahalalana   mikasika  fampandehanana asa   fandraharahana  aho, dia tonga  dia  nampianariko teo amin’ny asa   fandrarahana  natao  ko  ary  misy  vokatra  tsara   kokoa  izay  satria arahiko ny manodidina  ny asako  teo  amin’ny  fanombohana  ny asa  ireo  fitaovana  sy akora ilaina   ary ny fanaovana  fenadihadiana   ireo  toeram-pivarotana  ireo aho  vokaroko  sy ireo  mpanjifa   mandray ny  entako  sy  fomba  fintantanana  ara- bola  izay  karakaraiko  fandovana ireo vola  sy ny entana   miditra  sy mivoaka  isan’andro , ary rehefa    nontanaterahako  an-tsakany sy ampitiavana  izany  dia  nahazoako  tombony  hahafahako  manao tahiry  ary  mbola  afaka   mindra-bola  tamin’ny mpampin-drambola  aho  entiko   nanitarana  sy   nifidianana   fitantantana  nampitombona  ny varotra ,  ka voafehiko  tsara  ny  famerenam-bola  teo amin’ny   tsosa  ny teo amiko  amin’ny fiainako  ary ny  fiofanana   azoko tamin’ny fampandehanan-draharahana asa nataoko ;  Tena hitako  fa  nisy  fiovana  teo amin’ny  fiainako dia  ny tsy  fiankinan-doha  tamin’ny olona  intsony  ny   vola  niodinana  azoko  dia afaka  mamaha  tsara ,ireo  filana  ilaiko  isan’andro  tao amin’ny  tokatrano   na isam-bolana  izany ,  ary mbola hafaka  manampy  ny hafa  koa  aho  na ara bola  na asa Tanana  sy torohevitra  fanomezana traikefa , afaka  mividy  fitaovana  ao  an-tokatrano  ohatriny olona rehetra.

Manaboatra  sy mivarotra  la glace  clarinnette , yaourt  maison , yaourt à boire , esqimaux , ary  ireo fihofanana  azoko  tamin’ny GL no  nanitarako  sy  nanatsarako  ireo asako  ireo  ary misy  foana  ny fahatsiarovako  nataon’ny  izy ireo  teo amin’ny  fiaraha miasa   teo aminay ,  ka mapirisika ahy bebe kokoa   hampivelatra  ny tanjona  tokony  ho  tratrariko  ho  lasa  tsara tsar  kokoa  ohatra afaka  mapitombo   ny vokatra  aho   ary mampiditra mpiasa  vaoavao  manome  asa  ny hafa ,  ary nihitatra  hatrany  ny  toeram-pivarotako  ( client )  ny entana halefako  mamaah olana  eo amin’ny  fianakaviana  sy ny  mpiara-monina .                                                                                                                                                                                                              Ka ny  fiofanana ( na  fahalalana)  azoko  tamin’ny GL  sy ireo  tantsoroka  nataony  no nampisy  ny fiovana  ny  fiainako.

                                                                                                                                                                         Ka noho izany traikefa  nanako  izany  dia  tena mitondra  fiovana  ho ahy  izay satria  taratr ‘olona  ny fiovako  teo amin’ny fahaizamanao  afaka  mampivoatra tsara  sy manatratra  ny asako  aho  teo amin’ny hahalalana   ankapobeny  amin’ny    fandehanam-barotra  na  ny fitantanana  ara –bola   na  fanombohana  an’izany , ka  niroborobo  ny asako  sy  mihitatra  hatrany  ary afaka mamaha  olana  eo amin’ny tok-trano ko  sy adidy hafa .                                                                                                                                                                  Afaka  mbola  manampy ny  fianankavina  fa tsy ilay ampiana ohatriny taloha  intsony, mamaha ny olany  ara-bola  na torohevitra.

                                                                                                                                            Na  eo amin’ny fiainan- tokatranoko  dia hita  taratra  fa afaka  manana  izay  zavatra  tokony hilaina  izahay  ohatra  hofatrano ohatra  mividy Armoire , meumble , ilaiana )  mba hitoviana amin’ny olona  na  eo amin’ny sakafo  koa aza  mba  misy  fiovana .                                                                                                               Na  dia  teo anivony  manodidina  aza  ahy  dia  nisy fiatraikany  izany  satria  afaka  nifampizara  ireo traikefa ko  aho amin ‘ireo  mbola  hanomana asa  atao sy efa manao  nefa  tsy miodina  ilay asa , ka nozaraiko   tamin’izy ireo  izany  mba  ampihena  ny herisetra  ka tokony ( ohatra  mampianatra  manao asa  manamboatra  sy mivarotra  clarinette  izy ireo  na teo  amin’ny fanangonana  asa  sy fitantanam-bola , ary  fanitarana any zany amin’ny tombombarotra  sy ny tahiry  na lelem-bola  hafa  na miasa  amiko  izy ireo ( efa  olona roa  izao )  tena faly  be  zareo  satria  manampy  azy ireo  fampandrosoana  ny fiainany   izany ,  teo koa  ny fanomezana   asa  azy ireo satria  rehefa  mihitatra ny asa  dia  tsy maintsy  maka  mpanampy  iray atokisana   dia ireo olona   tsy manana  asa  atokisana   eo anivony  manodidina  no  nalako ,   na dia  teo koa aza  ny fanomezana  fanamboniantena   fa raikitapisaka )  fa ny  vehivavy  dia  tsy afaka  manao  na inona inona  akoatry ny mikarakara  ao  an-tokatrano  dia miandry ny vola  avy amin’ny lehibe   ka  izany  no mahatonga ny herisetra  dia ampiana  izy ireo  fantako aza fa afaka manao zavatra  hafa  atao amin’ny  talenta  hananany , sy ho afaka  hivoatra  fampianarany  ny fahalalana  izany  azo  hanaovana   sy tanterahiny (information)  azo.

Afaka  manampy ny  mpiara-monina  teo amiko  aho   na fizarana traikefa  ohatry teo  amin’ny manodidina.

                                                                                                                                                                                                          Mahatsiaro  fa manana  fahaleovantena  izy teo amin’ny  fiainanany  ary   afaka  miatrika  ny adidy  atrehany. Niharany  ny herisetra  ara-bola  teo amin’ny tokatranony  ka ny fiofanana  noraisiny  ( fahalalana)  sary notanterahako   antsakany sy andavany  ary  am-pifaliana  sy zoto-po  mab  nahazoana  vahaolana  tamin’izany. Niezaka   hanitatra tsara tsara bebe  kokoa  amin’ny fomba  matianina  sy  tomombana   mba hampandroso  azy   bebe kokoa  sy ny asa  fandraharahana  na amin’ny  alalan’ny  vola  eo an-tanana  na fitandrovanana   fiaraha hombinasa  sy  famindram-bola .

Mametraka  fisaorana  sy  fankasitrahana   ho anareo  mpampiofana  sy  mpikarakara  ary tena  afa-po  tokoa  izahay  tamin’ny nataonareo  taminay  satria  nahitanay  vokatra    tsar a be tokoa  teo amin’ny  fiainanay , Andriamanitra  manakarempahasoavana  anie  hitahy  bebe kokoa  anareo  rehetra , ary  mbola vonona  foana  hiaraka  aminareo  raha  sitrakareo