Madagascar: RAHERINDRAINY Fidilaza


Date: August 21, 2018
  • SHARE:

‘ Fanohanana ireo olo-marefo antoka lehibe hanatratrarana    ny     tanjon’ny miralenta sy hiadivana amin’ny herisetra’.

Avy ao amin’ny kaominina distrika VOHIBATO Matsiatra Ambony ny tenako. Lehiben’ny sampandraharaha miadidy ny Mponina ny Fiahiana ara-sosialy ary ny Fampandrosoana ny Vehivavy Vohibato. Zadraharaha eo amin’ny lafiny fanentanana sady izaho rahateo sady mpanakanto ka miezaka mivoy ny miralenta sy ny ady amin’ny harisetra amin’ny alalan’ny hira ary an’isany tena imasoahana ihany koa ny fampitoviana ny vahoaka toy ny fiarovana ny olo-marefo.

Ny taona 2010 no nanomboka niantsehatra tamin’ny fametrahana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny tenako. Tao aorian’ny nahatsapako fa tena ilaina ny fijoroana vehivavy sy ny fanohanana azy ary ny famporosihana ireo olo-marefo izay tsapa fa maro an’isa ka tokony hitondra asa fampandrosoana ho an’ny faritra misy azy. Teto Matsiatra Ambony, tao amin’ny distrikan’ny Vohibato no niantombohan’ny asa momba ny miralenta. Tamin’ny alalan’ny haino amanjery no nahenoako voalohany ny hoe miralenta ary nanamafy izany ny fifanankalozana traikefa miaraka amin’ireo rafitra sy olona mpikatroka amin’ny miralenta, ohatra gender Links, olona: Ialfine Papisy.

Zava dehibe ny fametrahana ny miralenta satria, misy olona tena tsy ho afaka amin’ny asa fampadrosoana mihintsy raha mbola hanjaka ny fanilikilihana, ohatra ny fiheverana ataon’ny fiarahamonina hoe: vesatra hatrany ny olona sembana na ireo lehilahy mieritreritra fa natao ho velomina sy hiteraka fotsiny ny vehivavy.

Tsapa ary hita fa tena tsy handroso ity firenena ity raha tsy misy tohana ho an’ny olo-marefo : zokiolona , sembana, vehivavy , ankizy; ary tsy maintsy tanterahina izany mba hamokatra izy ireo ary hanatratrarana ny tanjon’ny miralenta ary ho ady amin’ny herisetra.

Miopana amin’ny fampandraisana andraikitra sy fanohanana ary fampahatongavatsaina ny asa natao.

*Ezaka fiahiana ny zokiolona

*Ezaka fampihariana ny vehivavy

*Ezaka fiahiana sy fampihariana ny sembana

*Ezaka fiahiana ny ankizy

 Tamin’ny alalan’ny fikambanana fampiofanana, fampahafanatarana zo  sy andraikitra,fanentanana, fampahatongavantsaina , fanohanana , ary fanaganana tambazotra miaro.

Nanova mba ho tsaratsara kokoa, nisintomako lesona bebe kokoa ny fifaneraserana amin’izy ireo.

Ohatra: eo amin’ny zokiolona: lasa nahafehy fomba fijery maha Malagasy na amin’ny fiteny na amin’ny fomba na amin’ny fisainana

Eo amin’ny sembana: tamin’ny niararako tamin’izy ireo indray dia nahalalako fa tsy misy olombelona tsy manana risim-po ary dia mbola adidintsikampikatroka ara-sosialy ihany ko any maporisika sy mankahery azy ireo ho vonona sy handray andraikitra amin’ny asa fampandrosoana.

Lasa fahazarana ny mijery ny fifandanjan’ny lahy sy vavy ohatra ny  stagiaire dia ezahina ampitoviana. Raha mba samy mieritreritra toy izany mantsy ny toeram-piasana maro dia inoana fa hahomby ny miralenta ka samy afaka handray andraikitra tsy misy fanavakavahana.

Fomba mahomby hampandraisana andraikitra ny rehetra ny miralenta, ka noho izany tsara raha entanina avokoa ny ministera rehetra na ny sehatra tsy miankina mba hanome tombodahiny ny fomba fijery miralenta.

Tsara ihany ko any manao fifaninanana teny manaitra (message fort), mba ho mora miampita ny hafatra ohatra “herisetra falio, ty ampela toliho(herisetra fadio, ny vehivavy ampio)”.

Ilaina ny fanamafisana ny fiofanana indrindra ho an’ny vehivavy ambanivohitra.