Madagascar: RAHINIARISOA Jeannine


Date: August 24, 2018
  • SHARE:

“Ny vehivavy sy ny lehilahy miara-mientana antoky ny fampandrosoana”.

RAHONIARISOA Jeannine dia anisan’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana ”Ikoto sy Ikala”.Avy any Soavinandriana Itasy ary nikarakara ny fanomanana ny fankalazana ny fetin’ny 8 marsa.

Tamin’ny taona 2013 no nahalalako voalohany ny atao hoe “miralenta”. Sendra nipetrapetraka  naka aina aho ka nihaino radio no nahaeno filazana izay manasa ny olona rehetra tsy  ankanavaka mba hanatrika ny famelabelaran-kevitra izay karakarain’ny tomponandraikitra ao amin’ny “miralenta”  teto amin’ny distrika  Soavinandriana  Itasy.Izaho moa dia vehivavy liam-baovao sy tia karokaroka ary tia mandray andraikitra ka dia naniry tokoa hanatrika ny fivoriana ary tsy handriko ery ny ahatongavan’ny fotoana.

Nandritra ny fivoriana dia maro be tokoa ireo lohahevitra no voaboasana. Nanombohana ny fivoriana dia nanazava izy ireo ny atao hoe “miralenta”.Ny “miralenta” hoy izy ireo dia entina ilazana fa ny vehivavy sy ny lehilahy  dia mitovy lanja, izany hoe samy manana  ny zo sy adidy ary  fahafahana iombonana ahafahan’ny tsirairay mivelatra amin’ny maha olona azy .

Betsaka ireo olana mianjady amin’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha- monina,eo ireo herisetra samihafa (vono,fanolanana), fitondrana vohoka aloha loatra( zaza mbola tsy ampy taona),vohoka tsy niriana izay miteraka fanalan-jaza ary mety hiteraka fahafatesana hoan’ny rennin-jaza, ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro, ny fahasarotam-piterahana,ny tsy fahampian’ny fanohana ara-pasalamana, ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny fiheveran’ny lehilahy ny vehivavy hoy toy ny fanaka malemy ary ireo maro be tsy voatanisa.Mba ho vahaolana amin’ireo indrindra no nijoroan’ny “miralenta”.Rehefa maro ireo vehivavy mandray andriaikitra dia ho foana tsikelikely ireny olana maro be ireny ary isitraka ny zony vehivavy tsirairay avy.Izany hoe tokony ho maro ireo vehivavy mpitantana ny fokontany, commune ary tokony ho entitra izy ireny hanaramaso eo amin’ny fanajana sy fampiharana ary hampitombo ireo lalana misy miaro ny zon’ny vehivavy.

Rehefa nahazo fahalalana momban’ny ‘miralenta’ sy ny maha zava-dehibe ny fampiharana azy dia nanolon-tena hizara izany amin’ireo mpiaraha-monina aho mba hanantanterahana izany dia nanao fanentanana  ny tenako ny amin’ny tokony handraisain’ireo vehivavy andraikitra hijoro sy hanohitra ny fanosihosena ny zony.Izany moa dia fankalazana notanterahina nandritra ny andro maneran-tany hoan’ny vehivavy.

 Manoloana ny olana maro mianjady amin’ny vehivavy dia tapa-kevitra ny tenako handray andraikitra amaha izany.Nanentana ny olona mba hampiatra “ny miralenta” izany dia notanterahina mandritra ny fankalazana ny fetin’ny vehivavy.

Nanova ny sainako ho tsara tokoa ny fidirako sy nandraisako ny fiofanana momba ny miralenta ary tena tafalatsaka tanteraka aho ankehitriny  amin’ny fandresen-dahatra amin’ny olona rehetra izay tafaresaka amiko;Ny lehilahy reseko lahatra hanome  ny zo ny vehivavy.Ny vehivavy tarisako resaka hahay maneho hevitra a an-tokatrano.Satria nahay niteny sy nandahan-teny eny imason’olona, sahy manentana sy mitana zavatra goavana na ao an-tokatrano na eo amin’ny fianakaviana na eny amin’ny fiaraha-monina na eny anivon’ny commune ny tenako.

Ny fidirako tao anatin’ny fikambanana miralenta “IK0T0 sy IKALA” no tena nahitako izany tombotsoa izany ka nanovozako ny mety rehetra.

Hitako fa nisy fiovana tokoa ny asa natao satria rah any eto soavinandriana Itasy manokana no lazaina dia raha vao miresaka momba ny baolina dia tsy maintsy izaho, izahay no antsoina fa tsy misy zavatra tomombana eo, raha misy mandaka izany hevitra izany.koa na inona andraikitra omena ahy dia ny momba ny baolina basket ball dia ananako fahefana manokana ny mitantana azy ary tsy maintsy ataoko.Nahitako ireto fiovana ireto tokoa : ananako fahefana matianina izany, tsy dia sarotra ny anangonako olona amin’ny arivo mijery ny fety. Afaka mifanandrina n any vavy lehibe na ireo zaza vao misandratra satria moa ianareo ny teny averiko matetika dia ny hoe “mifam-pitaiza isika ary mifampita talenta, izahay reny efa nahita traik’efa maro, ianareo mpianatra vaohampianarina ka mahaiza mifanome Tanana.

Marihiko eto fa tena tafita ny tanjona tamin’izany, tomombana tokoa ny zavatra natao, nilamina sy vita avokoa ny hetahetan’ny tsirairay, voahaja ny fotoana,nosokafana amin’ny  fomba ofisialy ary dia nakatona amin’ny fomba ofisialy.Rehefa nanontaniana ny mpifanandriana rehetra tamin’ny vola izay nomena azy atao hoe “solondranom-boakazo” izay bitika tokoa izay nahitana ekipa efatra tao amin’ny foot ball ary valo kosa tao amin’ny basket ball izay milaza ny tsirairay fa tsy ny vola no zava- dehibe fa ny firaisan-kina.

Ny dingana manaraka dia ny Fampiofanana momba ny sakafo, Fikarakarana ny 08 marsa 2019, Fikarakarana fetin’ny fahaleovantena ary ny Fampiofanana arak’asa ho an’ny tanora.