Madagascar: RAKOTONARIVO Nirilanto Ando


Date: August 24, 2018
  • SHARE:

Nisy fampilazana tamin’ny haino aman-jery tao an-tanàna fa aorian’ny matso izay atao mandritry ny andron’ny vehivavy 08 Martsa 2015, dia hanao fanentanana mikasika ny miralenta ny filohan’ny komitin’ny Miralenta ao Soavinandriana Itasy. Nandresy lahatra tokoa ny kabary fanentanana izay natao izay nampahafantatra sy nampahalala ny zo tokony isitrahan’ny tsirairay indrindra ny vehivavy. Voalaza ihany koa ny tokony hiadiana amin’ny herisetra  amin’ny endriny maro samihafa. Ohatra : tsy famelomana vady aman-janaka, tsy fandraisana anjara amin’ny raharaha atao ao an-tokantrano, fikasihan-tanana vehivavy, fanopàna an-kitsirano ny vady sy ny zanaka ao an-trano; tsy fihainoanan’ny ankizy ny tenin’ny Ray aman-dReny, etc…

Nanolo-kevitra ny biraon’ny komity ny hananganana ny sampan’ny birao miralenta any amin’ny Kaominina Masindray, koa dia nanolo-tena avy hatrany aho ny hanao mpitarika Miralenta Masindray – Soavinandriana Itasy.

Ny fahitana sy famakafakana fa mbola betsaka ny herisetra hita sy iainana eny anivon’ny tokatrano sy ny fiarahamonina rehetra eny.

NY fampihenana ho antsasa-manila ireo trangana herisetra izay misy amin’izao fotoana izao izay tanjona iraisana amin’ny SADC hatramin’izay:

  • Fanovàna ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao
  • Fiarovana ireo zaza amam-behivavy
  • Fampianarana ireo vehivavy sy tanora haneho hevitra ary haharesy lahatra mba ho llehilahy sy vehivavy samy tompon’andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy.

Tena nanova ny fiainako ny fanatanterahana ny asa satria :

  • Lasa modely eo anivon’ny fiaraha-monina mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava
  • Lasa nahasahy niteny mivantana amin’ny olon-drehetra mikasika ny Miralenta,
  • Afaka ny tahotra sy henatra amin’ny maso  sy ny fitsaran’ny fiaraha-monina

Ny Ray aman-dreniko, ny Filohan’ny Komitin’ny Miralenta Soavinandriana Itasy ary ny manam-pahefana teo an-toerana (sefo fokontany, Maire) no nanampy ahy tamin’izany.

Lasa betsaka tokoa ny olona liana amin’ny fampiofanana izay atao, izay raha oharina tamin’ny taona lasa dia 56 ka lasa 98 izy ireo tamin’ity taona 2018 ity.

Ny dingana manaraka tiako hotanterahina dia Mandresy lahatra ireo vehivavy voahofana mba hanaparitaka ny fahalalàna azony sy Hanitatra ny fampiofanana any amin’ny kaominina telo manodidina.