
SHARE:
“Fampidirana ny miralenta ho fampandrosoana ny vehivavy”.
Mpanabe ny asako ary mifototra aminâizay ny fiainako manontolo. Indray andro dia tonga an-trano ny Sefom-pokontany nitady olona hiofana. Tsy nazava tamiko ny antonâny fiofanana sy izay hatao fa ny masaka tao an-tsainy fotsiny dia hoe mila mpanabe ao anatinâny fiofanana. Tsy nanda aho satria mahafinaritra ahy ny miofana. Rehefa tao anatinâny fiofanana izay vao fantatro fa ny Gender Links no nampiofana tao ary fiofanana momba ny miralenta no hatao. Niofana nandritra ny andro vitsivitsy ka teo no nahatsapana tsirony fa mahafinaritra ny mandalina momba ny miralenta. Nanomboka teo dia roboka taminâny asa ka vantany vao vita ny fiofanana dia voafidinâny mpiofana mba hitarika ny miralenta tao aminâny Kaominina Bemasoandro.
Nanomboka teo no nandalinana ny miralenta ka noezahina ny nanaparitaka azy satria tsara ny hevitra sy ny fototra iorenany dia ny fametrahana ny miralenta eny ifotony, fampandraisana andraikitra ny lahy sy ny vavy, mba hiteraka fampandrosoana. Tsy izany ihany fa nahaliana ny nahafantra fa isanâny miady aminâny fanikilihana ny vehivavy ny miralenta ka mametraka ny anjara toeranâny vehivavy eo aminâny fiaraha-monina sy ny fitantanana. Miady aminâny herisetra ihany koa ny miralenta.
Ohatra aminâizany ny nandresena lahatra ny Benâny Tanana taminâny fotoanâandrony ny mba hahafahana mahatonga ny kaominina ho âCentre dâexcellenceâ, izy benâny Tanana taminâizany mihitsy no tsy dia tena resy lahatra raha toa ka entim-behivavy. Resy lahatra ihany izy taty aoriana.
Ny fahitana fa misy ny fanilikilihana. Tsara ny hametrahana lamina maty paika mba hampirindra ary tokony hitovy ny fitondrana ny lehilahy sy ny vehivavy.
Mila lehilahy mahatsapa fa mitovy zo aman-kasina ny lahy sy ny vavyary mifameno ireo aminâny fampandrosoana.
ireo manaraka ireto ny asa nataoko:
Nanova ny fiainako ny fanatanterahana ny asa :
Vokany lasa tia nanampy ny hafa, nanome sehatra kokoa ny vehivavy, tia mifampizara, mazoto nampiofana, âŚ
Nanampy ahy betsaka taminâizany ny vadiko izay efa resy lahatra ihany koa aminâny miralenta ka manoro ara-kevitra.
Voalohany dia nihena dia nihena ny herisetra an-tsekoly raha oharina taminâny taona alohanâny 2015. Ireto avy ireo heverina fa herisetra an-tsekoly:
-herisetra mivantana misy fikasiham-tanana na ataonâny Mpianatra samy Mpianatra na ataonâny Mpampianatra aminâny Mpianatra na ny Tomponâandraikitra aminâny Mpianatra
-herisetra ara-tsaina: endrika fanivaivana sy fanambaniana ataonâny Mpianatra samy Mpianatra na ataonâny Mpampianatra aminâny Mpianatra na ny Tomponâandraikitra aminâny Mpianatra.
Ny dingana manaraka hatao dia: fanohizana ny asa efa natao: fanoratana aminâny gazety, fampiofanana, fanampiana ny hafa, fiezahana hanitatra ny ambaindainâny miralenta aminâny kaominina hafa ary fanitarana tanteraka ilay tetikasa momba ny vehivavy.
GL Special Advisor @clowemorna opens the floor & breaks the ice in welcoming all the different grantees with their country's @WVLSouthAfrica Conference#GenderEqaulity#CSW69 pic.twitter.com/P9zDtXcIAy
— Gender Links (@GenderLinks) March 5, 2025