
SHARE:
“Fampandrosoana ny vehivavy miaianga avy amin’ny fanentanana sy ny miralenta”.
Izaho dia nianatra teny amin’ny Oniversite Andrainjato ary nahazo ny Maîtrise ne Droit ny taona 1999 nanohy niofana ho Mpisolo vava ary natokana ny taona 2000
Naira-niasa tamin’ny fikambanam-behivavy (CAFFna COLECTIF DES FEMMES FIANARANTSOA), tao Fianarantsoaka voafidyFiloha Lefitra ny fikambanana ny taona 2015, ary niofana momba ny “leadership feminine” nokarakarain’ny fikambanana.
Tao anatin’izany sehatra izany no nivelarako misimisy kokoa rahany Miralenta no resahina.
Taty aoriana (Janoary 2018) dia natsangana ny tambazotran’ny Vehivavy “VITRIKA”, tao Fianarantsoa no nanomboka ny asa FKT Imandry, izay sehatra iray ifampizarana ireo vehivavy ny olana sedrainy amin’ny fahasalamana fanabezana ny ankizy, famoronana asa tena sy fanatsarana ny fiainan-tokantrano.
Ny fisian’io tambazotra io, ohatra no nahatsapako fa tena singa fototry ny fampandrosoana miainga avy ao an-toka-trano ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny fahatsapany manokana fa manana an-topiovana izy raha ny Miralenta no asiana topi-maso kely.
Fahatsapana fa ny vehivavy dia loharanon’ny fampandrosoana eo @ lafim-piainana manontolo dia ny maha-olona izany; ny reny ihany koa no mamolavola ny personnalité ny zaza raha vao teraka ka hatramin’izy mizaka tena.
Fampandrosoana ,ny tontolo ambanivohitra miainga amin’ireo fahaiza-manao sy zava-misy eo an-toerana @ fampahaleovan-tena ny vehivavy sy ny fahaiza-mitarika.
Mamporisika ny vehivay marefo hitrandraka ny fahaiza-manao ao aminy mba ahafahanay mivelatra eo @ tontolo fiarihana sy mampisongadina ny maha-olona azy.Ny fahitana ny vehivavy, ny renim-pianakaviana mandany fotoana maro amin’ny fikarakarana ny tokantranony, ambanivohitra Ambatofinandrahana.
Ny tanjona dia ny:
Nanampy ahy koa tsy manao didijadona tao an-trano, fa nahay nampandray anjara ny hevitry ny hafa ka nahafaka nametraka fifankatiavana, fifanampiana, fifamelana, soatoavina vaovao, hoan’ny ankohonako.
Anisan’ny tena nanampy ahy tamin’izany ireo rantsa-mangaika izay efa nolalovako toy ny “Association CAFF” ny ireo fiofanana maro natrehana. Teo ihany koa ny fanakekezana tamin’ny vondron’olona marefo.
Nisy fiovana ihany koa aloha ny tao amin’ny toeram-piasana satria haiko tsar any nametraka ny asako amin’ny mpiasa eo ambany fitantanako ary tsy nampifangaro izany tamin’ny fiaina-tokatranonay aho. Marihina moa fa ny cabinet d’etude-ko dia ao Fianarantsoa fa izaho mandeha amin’ny faritany matetika ka dia apetrako amin’ny mpanampiko ny fitokisana ny fandehanan-draharaha rehefa tsy eo izaho. Izany fitokisana izany dia apetrako amin’ny fahaizan’ilay olona ka ny vola miditra dia apetrako aminy feno ary izy indray manolotra ahy ny vola miditra amiko.
Ny dingana manaraka hatao dia Manofana ireo vehivavy mivoaka ny fonja ho fanomanana azy ireo ho Mpitarika mba ho tonga tompon’andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina momba ny fandraharahana, fanitarana ny seham-pamokarana, ny fitandroana ny fahasalamana ara-pananahana.
GL Special Advisor @clowemorna opens the floor & breaks the ice in welcoming all the different grantees with their country's @WVLSouthAfrica Conference#GenderEqaulity#CSW69 pic.twitter.com/P9zDtXcIAy
— Gender Links (@GenderLinks) March 5, 2025