Madagascar: RASOLOMAMPIONONA Kanto Ericka


Date: August 24, 2018
  • SHARE:

“Handray anjara feno miaraka tsy misy rohirohy, tsy misy fanavakavahana ary ho to teny feno, sahala amin’ny olon-drehetra mba hitondra fiovana miaraka amin’ny zavatra atao ho tombotsoan’ny ankohonana sy ny fianakaviana ary ny firenena.”

Mpandrindra voalohany ny toby nomerika ho an’ny vehivavy na ny Maison Digitale pour les Femmes Fianarantsoa amin’ny alalan’ny tetik’asa de l’Espoir pour Elles.

Mpikambana ao amin’ny Tehina Manga/ Collectif des Associations de Femmes de Fianarantsoa (CAFF)

Nampiavakaahy ny lalam-piainako sy ny lalam-piofanana nandalovako teo amin’ny sehatra firotsahana amin’ny asa sosialy dieny mbola tanora satria:

  • 18 taona: Firotsahana an-tsitrapo niasa tao amin’ny ivotoerana fihainoana sy fandraisana olona iharan’ny herisetra niaraka tamin’ny Vondrom-pikambanana CAFF
  • 24 taona: Niofana ho mpampiofana tanora tao amin’ny Youth First
  • 25 taona: Firotsahana an-tsitrapo niasatao amin’ny PNUD ka lasa Volontaire Nations Unies
  • 26 taona: Voasafidy ho Jeune Leader Madagascar ka nanaraka fiofanana herintaona sy fanatrehana ny fihaonam-be an-tampony niaraka tamin’ny Women Deliver
  • 28 taona: Nahatanteraka ny fametrahana ny toby nomerika mba ahafahana manampy ireo tovovavy marefo hananana fahaleovan-tena ara-ekonomika.

Kanto Ericka, 28 taona.

Efa nanomboka tamin’ny taona 2008 no niditra ao anatin’ny fiainam-pikambanana arynanomboka 29 taona aho no efa nanomboka nilatsaka an-tsitrapo tao amina ivotoerana Foibe Mifohaza, ivotoerana izay natao ho fiahainoana sy fandraisana olona iharan’ny herisetra niaraka tamin’ny vondrom-pikambanana CAFF. Ka tamin’izany mba entina hampandeha sy hampirindra ny asa dia fiofanana maromaro momba ny miralenta, ny zon’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra… no efa azo niaraka tamin’ny Ministeran’ny mponina, ny UNFPA, OHCHR…

Eo ihany koa tamin’ny 2014 dia voafantina ho nanaraka fiofananaho mpampiofana niaraka tamin’ny Youth First tamin’ny “Young Women Leadership Program” izay nahafahako ihany koa nandrato fahalalana momba ny Miralenta sy ny famolavolana tetik’asa. Ary ny fiofanana maromaro nandritra ny herintaona sy fanatrehana ny fihaonambe maneran-tany niaraka tamin’ny Women Deliver dia mbola nanamafy izany.

Ary tsapako tamin’izany fa ny miralenta dia mitondra fampandrosoana lehiberaha toa ka mahazo ny anjara toerany ireo vehivavy ireo

  • amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo nyfanamafisana ny fahaiza-manao-ny, fanomezana fahalalana fototra (zo, adidy…)
  • fahafahana mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra amin’izay atao
  • Fanomezana anjara toerana sy fitoviana ami’ny sehatra maro,toy ny amin’ny resaka fitadiavana asa, afaka mandray anjara amin’ireo karazana tombontsoa samihafa izay mety hahasoa (opportunités)…
  • Fanpahaleovan-tena azy ireo

“When we invests in Women and Girl everybody wins”

Ary raha any lahy sy ny vavy no miara-misalahy, mifameno tsy mametraka fitongalanana amin’izay adidy sy andraikitra rehetra dia mahomby izay atao (na ara-politika, ara-ekonomika na ara-sosialy)

Ohatra amin’izany raha misy adidy atao eny amin’ny fiaraha-monina amin’ny resaka amin’ny fandiovana tanana ohatra, dia tsaratsara kokoa raha miara-misalahy ny vavy sy lahy samy mirotsaka an-tsahatra manao izany. Samy miara mandray fanapaha-kevitra amin’izay tokony hatao, ary tsy asiana fanilihana andraikitra hoe ireto ny an’ny vehivavy ihany no manao azy fa samy mandray izay tratrany eo sy hoe vitany. Ka raha vao mipetraka mantsy izay dia malaky vita ny asa no vita arak any eritreretin’ny rehetra. Ary raha toa izany foana no miseho manomboka amin’ny kely indrindra ao an-trano dia mampandrosoa. Na ny resaka adidy ao an-tokantrano koa aza, rehefa samy manao, tsy mifanjana dia milamina ny fiaina ao an-tokantrano. Ary tanteraka sy mampiova zavatra ny miralenta rehefa ny lehilahy mihitsy no manaiky sy manamora fampidirana izany ihany koa

Ary anisan’ny ohatra tena mafonja ny zavatra nataon’ny

Emma Watson izay miady tanteraka ny fampitoviana ny zon’ny lahy sy ny vavy  ary ny fasahiany maneho ny hevitra sy ny fandresen-dahatra sy fanakianana izay nataony mba hampisy an’io Miralenta ka hiteraka voka-tsoa izany na ho an’ny lahy izany na ho an’ny vavy, n’iza n’iza maneran-tany. Noho izany fihetsiny izany dia lasa ambassadricen’ny Nations Unies izy.

Tetik’asa ity

  • ny fahitako ny fahabetsahan’ny salan’isan’ireo tovovavy 15-29 taona noraisinay ao an-tanana tao amin’ny ivotoerana fihainoana sy fandraisana olona iharan’ny herisetra, izay mahatratra 70%
  • Ny faharefoana mianjady amin’izy ireo noho ireo karazana herisetra iainany (vokatry ny fombafomba, fahantrana, tsy fitoviana, vohoka aloha loatra na tsy nirina…)
  • Ny fahatsapana ny hetahetan’izy ireo liam-pahalalana sy fiofanana madinidinika ahafahana manampy azy ireo

Ka raha nametraka ity tetik’asa ity aho, dia  ny mba itaritana azy ireo ka hahatsapa sy hitsiry fanantenana any anaty fa afaka ny hamiratra izy eo amin’ny fiainany sy ny ho aviny ka hahaleo tena, ho lasa tompon’andraikitra, manapa-kevitra.

Azo sokajiana ho 3 ny asa ataonay

  1. Fanohizana ny asa fisorohana: fanaovana fanentanana
  2. Fanohizana ny asa fitsaboana: fandraisanana an-tanana ireo iharan’ny herisetra, fandravonana ny ady sy fampihavanana (fianakaviana sy fiaraha-monina), miara-dalàna amin’ ireo olona iharan’ny herisetra eny amin’ny tribonaly, eny amin’ny toeram-pitsaboana, eny amin’ny zandary…, miaraka amin’ny CAFF.

Asa fanarenana, izay tena imasoako sy ny fikambanana ankehitriny: famerenana azy eny anivon’ny fiaraha-monina miampy fanamafisana fahaiza-manao sy asa mampidi-bola izay eritreretinay ho mahomby satria hihena nysalan’isan’ireo vehivavy na tovovavy manana fiankinan-doha ara-bola, mihena koa ny herisetra mahazo azy ireo, ary miha-matoky tena izy ireo ka hahaleo-tenafanomezana fiofanana maromaro azy ireo toy ny developpement personnel, developpement de l’entreprenariat feminine, genre, VBG, coding…ny fanampiana sy fikarohana miaraka ireo karazana opportunité azo atao (asa, fiofanana, …), Fiofanana amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao, Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana sy partenaire samihafa mifanakalo traik’efa miaraka aminay, Réseautage ireo tanora, Fanentanana, Fanaovana activité hafa: zaitra, nahandro, dihy…

Nanova ny fiainako ny fanatanterahana ny asa satria:

  • nahafahako misokatra bebe kokoa amin’ny karazana sehatra samihafa
  • nahafahako mandray anjara amin’ireo karazana tombontsoa azo andraisana anjara
  • Nanampy ahy hananana fahatokisan-tena hanao zavatra.
  • Ary manosika hatrany hatrany hikarokaroka sy mitady izay mahasoa hafa miaraka amin’ireo tovovavy sy tanora namana voatarika sy niofanina tao

Izany dia noho ny zavatra hita sy tsapa nandritra ny firotsahana an-tsehatra nanatanteraka ny asa hatramin’ny 2009, ny fandraisana anjara amina karazana fiofanana, fivoriana sy fihaonanam-be izay atao. Ary indrindra indrindra koa ny fahitana ireo karazan’olona lasa fakana aingam-panahy sy manosika ny hanatanteraka zavatra.

Nitondra fiovana ny zavatra natao eo amin’ny fiainam-pikambanana satria afaka nanitatra sy nanatsara ny efa asan’ny fikambanana hatramin’izay. Raha fandraisana an-tanana ireo olona iharan’ny herisetra  sy mpanao herisetra no natao taloha, asa fanentanana, fanaovana fandresen-dahatra, fifanakolazana traik’efa amin’ireo mpisehatra ara-sosialy momba ny vehivavy sy ny ankizivavy dia ankehitriny izahay dia afaka manome fiofanana, fandraisana an-tanana ireo tovovavy na renim-pianakaviana iharan’ny herisetra na marefo 15-29 taona amin’ny alalan’ny tetik’asa “De l’Espoir pour Elles”, sy ny fametrahana ny toby nomerika

Ireo fiovana misy ary mbola hisy raha oharina amin’ireo tanjona ao aorian’ny 2015 na ny fampandrosoana maharitra dia ny :

  • ODD5 : Vavy sy lahy Miralenta
  • ODD10 : Fihenana’ny tsy fitoviana
  • ODD1 : Tsy misy fahantrana

Olana nosedraina:

  • Ny trano nametrahana ilay toby nomerika ho an’ireo tovovavy ireo na ny trano nahafahana nanome fiofanana azy ireo
  • Ny fomba nandaminana ny programa isan-kerinandro miaraka amin’ireo tovovavy ireo nohon’ny fahabetsahan’ireo te handray anjara
  • Ny fisian’ireo tovovavy tsy mbola mahay mamaky teny sy manoratra
  • Ny fampandraisana anjara azy ireo noho ny tsy fanananyfahatokisan-tena
  • Nyfotoana ananan’izy ireo hanaraka ny fofanana noho ny asa ataony (asan-tselika, miasa aman’olona…)
  • Misy mitsoaka an-daharana noho ny olana ara-tokatrano sy eo amin’ny fianakaviana
  • Misy mipetraka alavitra
  • Tsy fahasahiana nefa manam-piniavana te hanao zavatra

Ny fomba namahana azy:

  • Fiaraha-miasa amin’ny Direction Régional Population nahazoana ny trano
  • Nozaraina ekipa roa ireo tovovavy ireo araka izay fahafahany manatrika ny fiofanana
  • Noezahina sokafana andavanandro ny toby nomerika afahan’ny tovovavy sasany mianatra
  • Fanaovana fanentanana sy fiofanana
  • Mametraka fotoana natao ifampiresahana amin’ireo tovovavy ireo, atao ifampizana, ifampitaritana.

Ny dingana manaraka tiana hotanterahina dia:

  • Fiofanana arak’asa sy fametrahana na coin d’orientation et d’accompagnement en insertion professionnel (conseil et appui des micro-entrepreneurs)
  • Fanitarana ny ivotoerana sy fampitomboana ny isan’ireo ho mpahazo tombontsoa
  • famatsiana fitaovana entina hanaovana fampiharana sy azo ampiasana amokarana

fiaraha-miasa amina mpiaran’ombon’antoka mba hanome fiofanana arak’asa.