
SHARE:
“Lahy sy Vavy miara-mientana antokin’ny fampandrosoana hampanjaka tanteraka ny Miralenta mba hisian’ny fifandanjana eo amin’ny Lahy sy Vavy”.
Monina ao amin’ny fokontany sy kaominina Isalo, Sefo ZAP ao amin’ny Kaominina Anosimena sy Bemahatazana, Filoha mpitarika ny FVTM Vovonampikambanam-behivavy tantsaha ato amin’ny Distrka Miandrivazo.
Miavaka nohon’ny asa ataon’ny marolafy eo ny amin’ny fikambanana, eo ny fampianarana, eo koa ny fambolena. Miavaka koa nohon’ny asa fitarihana mahomby nohon’ny fahaizany miara-miasa amin’ny mpitondra sy ireo mpamatsy vola.
Kaominina Isalo ary amin’izao miasa hoan’ny kaominina Anosimena sy Bemahatazana.
Fiaraha-miasa miarahan’ny C/R Isalo sy ny SAHA ary ny taona 2010 no nanomboka niofana mahakasika ny Miralenta ny Zo sy Lalana mahakasika ny Miralenta.
Satria efa niainako tao anatiko ny hitovian’ny Lahy sy ny Vavy eo amin’ny zava-drehetra dia lasa faly aho satria vao maika nampitombo ny fahalalako ny nahazahoako ny fenitry ny SADC misy ireo lalàna rehetra mamehy ny miralenta tiako haely eran’izao rehetra izao izany.
Nohon’ny fahitako ireo mpiara-monina amiko manilika ireo Vehivavy tsy mba ahafahan’izy ireny mivelatra sy manao asa mety hampandroso, nohon’ny fomban-drazana.
Ireo asa ataoko: amin’ny maha Filoha ny tantsaha ahy dia mikaroka fiofanana isankarazany hoan’ireo tantsaha namako ary mitady Mpamatsy hamaliana ny hetahetanay izay voarafitra ao amin’ny
sekoly EPP Bevato sy Ampihiaky.
Nitondra fiovana be ho an’ny mpikambana miaraka amiko koa ny fitarihana nataoko satria: lasa fikambanana maro no niforona.
Marobe ny fiovana tsapa ary efa miroso tanteraka eo amin’ny asa fampandrosoana ireo vehivavy, ary efa tena mangala ny entamavesatra ny firaha-monina tokoa, ary mahasarika sy manaitra ireo saina izay mbola tsy mahatakatra ny miralenta izany.
Efa tena mandroso be lavitra ny kaominina misy mpitarika ary ny sasany aza miantso anay ho any aminy hanampy azy ireo, efa maro koa ny mpitarika namako, ary efa afaka mizarazara izahay misahana zavatra samy hafa.
Hatramin’izay niarahana tamin’ny Gender link dia niteraka fiovana goavana ho ahy sy ny fianakaviako ary ny fokontany sy ny kaominina misy ahy ary koa ny kaominina iasako ny nahafatarako ny Miralenta.
Nandritra ny fanantanterahako ny asa fanentanana ny Miralenta sy ny nananganako ireo fikambanana maro isa eto amin’ny kaominina na eny amin’ny distrika dia niteraka fandrosoana goavana hoanay sy ny Tanana misy anay izany.
Nankalaza ny 16 andro niadiana tamin’ny herisetra foana izahay ary afindrafindra isakiny kaominina izany isan-taona, samy manao hetsika isaky ny kaominina, 08 Mrs, ary samy manana ny asa soa ataony avy.
Maro ireo fikambanana mitambatra amin’ny Federasiona Vehivavy eto Mandrivazo satria azo tsapaintanana ny asa vita sy ny fitantanana mangarahara ataony.
Efa maro ny fikambanana nahazo lesona amin’ny fandrafetana tetik’asa, fanaovana fandresendahatra, ary afaka mfampiraharaha amin’ny mpamatsy vola.
Efa samy mahaleo tena ara-bola ny ankamaroanay ireo. Izany fiovana izany dia azo avy amin’ny fiofanana isankarazany atrehina sy angatahina avy amin’ny mpamatsy toy ny FVTM, AD2M, SAHA, MATOY, Helvetas, AKAE, Kaominina, Gender-Link satria rehefa vita ny fiofanana dia misy ny fiovan-tsaina hanao zavatra tsara mifanaraka amin’ny filan’ny olona.
Nitondra fiovana feno tanteraka teo amin’ny toeram-piasako tokoa ny fahaizana mitarika.
Hita taratra ny fifandanjany vavy sy lahy ao amin’ny toeram-piasako.
Nahavita PCDE koa ny ZAP iasako (Plan Communal de Développement de l’Education) mba hitadiavana mpamatsy hanohana ireo zava-manahirana ny sekoly, tamin’ny alalan’io no nahazahoanay ny CEG sy ny rano fisotro madio ary école bleue sy trano fidiovana 2 hoan’ny sekoly EPP Bevato sy Ampihiaky.
Nitondra fiovana be ho an’ny mpikambana miaraka amiko koa ny fitarihana nataoko satria: lasa fikambanana maro no niforona.
Marobe ny fiovana tsapa ary efa miroso tanteraka eo amin’ny asa fampandrosoana ireo vehivavy, ary efa tena mangala ny entamavesatra ny firaha-monina tokoa, ary mahasarika sy manaitra ireo saina izay mbola tsy mahatakatra ny miralenta izany.
Efa tena mandroso be lavitra ny kaominina misy mpitarika ary ny sasany aza miantso anay ho any aminy hanampy azy ireo, efa maro koa ny mpitarika namako, ary efa afaka mizarazara izahay misahana zavatra samy hafa.
Ny dingana manaraka tiako hotanterahina dia Handresy lahatra ny Ben’ny tanàna sy ny Mpanolon-tsaina ao amin’ny kaominina Bemahatazana amin’ny hanaovana fanentanana momba ny Miralenta, Hanampy sy hampiofana ireo vehivavy mba hijoro ara-panjakana, Hanao ny hetsika 16 andro atao eny amin’ny kaominina Ankotrofotsy, Hanomana ny andron’ny tantsaha ny 15 Octobre atao eto Miandrivazo, Hanao tombana ny drafitr’asan’ny Miralenta eo amin’ny Kaominina Isalo sy Anosimena ary hanavao izany.