Madagascar – RAZANAMADY Claire


Date: September 25, 2018
  • SHARE:

Anisan’ny vehivavy niharan’ny herisetra ny tenako , tamin-janaka , niofana tami’ny Gender Links ny tenako dia nentiko niotra tamin’ny fiainako izany traikefa izany fa nisy fivoarana tamin’ny fiainako izany.

Nisy ny fiovana eny nisy izany lasa manaja ahy, manjary manambitamby ahy ny manodidina, satria miezaka manantona ahy ireo tsy tia.

Ny anjara biriky nentin’ny Gender Links , eny tamin’io niova ny fiainako manjary lehibe ny faritra misy any aho , amin’izao mitondra fiangonana.

Nambaran’io olona ao amin’ny Gender Links io fa izaho dia vehivavy mande miady amin’ny fiainana irery aho. Ny fiovana dia nisy raha misy miady mivady eo an-tanana dia miditra antshatra ny tenako mandamina izany tokantrano mikorontana izany.

Misy ny olona miteny izany be fialonana ny hafa fa hoe mahitahita ny tenako ary koa miseho milay. Fianakaviana dia manenjika ahy anefa amin’izao dia manaja ahy , niova be ny tokantranoko, niova koa ny entana ao antrano dia gaga ny fianakaviana ary ireo namana miditra ao an-tranoko

Misy fiatraikany teo amin’ny manodidina tokoa hoe Madama Clari na hoe maman’I BE fiatsemiahy. Fiovana tamin’ny tetik’asa, ohatra, ampianaro manao an’io akoha io izahay dia atoroko azy , misy izao efa manao fa mbola kely

Mianatra richelier amiko koa ireo ao an’tanana rehefa manjaitra aho , ao koa anefa ny efa mahay izany

Fiovana eo anivon’ny fiaraha-monina: niova ry zareo ary tena manaja ahy dia niova koa ny fomba amam-panao dia ohatra manao varotra atody eny an-tsena ary eny amin’ny manodidina dia tong any namana manantona ahy

Misaotra an’ny Gender Links fa tena tsar any zavatra natao rehetra , mankasitraka Tompoko