
SHARE:
Name | rakotozafy |
Surname | solonotahina francia |
Country | Madagascar |
Give a short history of the leader | Vehivavy ny tenako,Kamboty mbola kely aho. Efa nisy fotoana niaranan’ny herisetra ary nahatonga ahy ho tsy nahatoky tena. Vono sy daroka no niainana ankoatran’ireo teny mandratra sy feno fanambaniana. NY taona 2011 no nandrenesako voalohany ny mahakasika ny MIRALENTA tao amin’ny commune Tsiafahy. Rehefa naheno fanentanana sy fanofanana rehetra nentin’ny GENDERLINKS ny tenako dia NISY TARAPAHAZAVANA NAMPISY LANJA INDRAY NY HO AVIKO SY IREO VEHIVAVY TOA AHY. Faniriako ny ho afaka amin’ny tahotra ny herisetra. Ankoatran’ny vavaka mangina dia NIEZAKA MAFY. Rehefa nahazo fanofanana avy amin’ny gender links ny tenako ny volana jona 2012 tany dia tapaka ny hevitro fa ho atsangako, ho sokafako ny lycée privé d’enseignement general voalohany indrindra tety amin’ny commune TSIAFAHY. Tapakevitra fa hiroso lalina ho amin’ny fampahafantara ny miralenta sy ny zon’ny vehivavy sy ny tanora mahakasika ny fanabeazana (andini 14 amin’ny protocol de la SADC). Zada-DEHIBE MANANDANJA ny miralena satria maporisika ny rehetra na lahy na vavy hanao ezaka ho amin’ny fampandrosoana. Noho ireo ezaka rehetra nataoko dia nahazo trophées aho intelo teto amin’ny gender links ary izany rehetra izany dia nahazahoako ihany koa ny toeran’ny Presidente du comité de jumelagen’ny commune misy anay sy ny commune de grand port Maurice. Tiako marihina fa tamin’ny alalan’ity hetsika mahakasika ny Miralenta ity no nampisy an’izao taanana mirahavavy izao. Ny tenako no olona notsongaina manokana ao anatin’izany comité de jumelage izany noho ny fahaizako nametraka ny tombabindin’ny vehivavy mahefa. Anisan’ny mandrafitra ny plan d’action commuen Tsiafahy ny tenako ; ary mbola nandrafitrany plan d’action iraisan’ny commune Tsiafahy sy ny commune grand port Maurice. Fampandrosoana tokoa satria betsaka ireo fiarahamiasa efa vita sy mbola ho ataonay. Tena zava dehibe goavana mihitsy ity hetsika fametrahana ny miralenta ity satria tami’ny alalan’izany no nahafahana nahita fa maro hay ny vehivavy izay mahavita azy tokoa ao anatin’ny fiarahamonina. |
Objectives | • Ampitombo ny tahan’ny tanora sy ny ankizy miditra an-tsekoly.(fanampiana sy fampitaovana) •mampahafantara amin’ny fiarahamonina ny zo sy adidy izay tokony ho an’ireo ankizy sy tanora, lahy sy vavy )(ady amin’ny fampiasana zaza sy ankizy tsy ampy taona,ady amin’ny fanararaotana ara-nofo sy herisetra)FAMPIHARANA NY MIRALENTA amin’ny lafiny rehetra> • Hampahafantatra ny rehetra lahy, vavy, indrindra ireo tanora sy ankizy ny fanabeazana ara-pananahana (fisorohana ny MST sy ny SIDA na aretina hafa). +fampandraisana anjara amin’ny fanentanana akalamanjana sy amin’ny haino aman-jery |
Key activities | -fananganana ny komity miralenta tato amin’ny commune Tsiafahy -fandrindrana ny plan d’action kominaly mba ahafahana mandrindra ny ezaka rehetra. -FANENTANANA, FAMPIANARANA, FAMPIOFANANA,MIRALENTA sy ady amin’ny herisetra. -Fananganana sekoly enti-manabe ny tanora. -Hetsika mandritra ny 16andro iadiana amin’ny herisetra, carnaval sy fotoana nanentanana mahakasika ny fisorohana ny VIH sida sy ny MST! Fanentanana momba ny fisorohana ny vohoka aloha loatra. -Nanao fandaharana Tamin’ny radio fm (tantara sy debat mahakasika lohahevitra entimampandroso ny tanora) Rehefa nandeha teny moa ireo hetsika rehetra dia nisy foana ireo manoa riana ka nanao toetra tsy mendrika nandrabiraby anay mpitarika sy reo mpikambana hoe manodkodona ny lohan’ireo vahoaka. Ka manimba ny fotokevitra nentin-drazana. Maro ireo lehilahy izay tsy nahazaka ny fametrahana ny vehivavy amin’ny toerana tokony hisy azy ao antokantrano sy ny fiaraha-monina. TSY nampihemotra anefa ny olana fa vao maika az anapandroso hatrany. Nitady hevitra maro samy hafa mba hanantintaterana ny hevitra tiana ampitaina tamin’ny alalana temoinagen ireo vehivavy nahavita zavatra teto ami’nny firenena. Ao anatin’izany ny tenako. Maro ireo lehilahy tsy sahy intsony namono sy nikasi-tanana ireo vadiny noho ny fahampahafantarana ary matahotra sao iharan’ny lalana. ao anatin’ireto fandaharana ireto dia maneho ny mahagoavana ny hetsika izay nataoko tamin’ny alalan’ny fikambanako tato anatin’ny commune |
Key challenges | Olana 1: tsy nandia fianarana ny ankabeazan’ny mponina ato anatin’ny commune. Tena sarotsarotra ny nampita hafatra satria mbola maro ireo fahazarana raikitapisaka izay anisany tsy mampivoatra ny tontolo ambanivohitra. Natao aloha ny ezaka fampahafantarana zo mahaolona izany. Rehefa vita izay dia natao hatrany ny hetsika fampahalalana sy fampahafantarana mahakasika ny miralenta mifandraika ami’ilay zo voazava teo,. ary teny andalana teny ny ady amin’ny herisetra. Olana faharoa ny fahasahiranana ara-bola anisan’ny sakana goavana aty ambanivohitra ka tsy ahafahan ireo ray amandreny mampiditra ny ankizy any antsekoly. Tian’izy ireo raha manampy an’izy ireo ny ankizy fa tsy mianatra. Noresena lahatra izy ireo fa ny FIANARANA NO LOVA TSRA INDRINDRA AFAKA OMENA NY TARANAKA;Noezahana natao farak’izay mora aloha ny sara-panambeazana tao amin’ity sekolY izay natsangako ity. Latsakin’ny 2 dollars ny vola alohan’ny ray amandreny isany.2017 iny. Tamimpifaliana tokoa no nanatrehako ny fitokanana izany fotodrafitrasa izany izay azoko lazaina fa nisy anjara biriky nentiko. Mitombo araka izany ny tahan”ny tanora sy ny ankizy miditra antsekoly ety amin’ny commune misy anay ary ny tena mahafaly indrindra dia misy ireo tanora marobe avy amina commune telo manodidina(Bongatsara, Ambalavao, Ambatofahavalo) anay no manovo sy fahalalana ao amin’izany lyceempanjakana izany. Hatreto moa dia mbola mandoa vola ihany koa ny fianarana eny fa dia mbola noamoraina izany mba tsy ho sakana ho an’ireo ray amandreny. Niezaka mafy aho ary nanokotra site web vao haingana tokoa satria efa mivoatra ny teknolojia mbola eto ampanatsarana izany moa aho ankehitriny ka ahazo ny fanabeazana sahaza azy ireo tanora sy ny ankizy ato anatin’ny commune misy anay amin’ny fananganana trano famakiamboky ho an’ny commune. Mba ahazahoana fanohanana ho an’ny ankizy dia nanao horonantsary ny tenako mba ho aparitaka manerantany mba ampody venty ny rano natsakaiko ho amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny tanora kamboty toa ahy. (Voir svp lien youtube)https://u=https%3A%2F%2Fwww.youtube.com%2Fwatch%3Fv%3D50ctc0Js3KI%26feature%3Dyoutu.be%26fbclid%3DIwAR1m_nxM3YlKpHDmSl3A4l_q2u0fb1WvZmQfIZBOzv8OIlITuR5eFAoAZDo&h=AT3f3rWxeFayB3QTaOO4SiHdd7kYHmEeSs6UNiPZlY5m3ySYyiB7vUl_MbHyBRt22FRPqhdj8ue65KbGy424WP7y8VShDr6cRCgGdJ-ZkZNhgfL39qjYSol2GuFW7kig4Ew8 |
Results |
|
Change at the individual level | ENY. Nanova ny fianako,Nampitsimbadika ny fiainako mihitsy aza satria raha mbola niasa tena aho novelomim-bady na dia nanovo fianarana teny ambaratonga ambony aza dia afaka namorona asa ho ahy sy ho an’ny olona mitovy amiko. Nahatonga izany fiovana izany ny fiofanana noraisiko tamin’ny GENDERLINKS IZAY ANKASITRAHAKO ERAMPO ERAN-TSAINA Nanmpy ny fandresendahatro ny fizarako ny fiofanan azoko. ny GENDERLINKS SY NY BEN’NY TANANA izay tonga teny amin’ny commune. |
Evidence of change at the individual level | Maro dia maro ny porofo sy fijoroana vavolombelona tiako ampidirina satria misy maro ato amiko. Anisan’izany ireto taratasy voaraiko ireto avy amin’ireo mpitondra eny ifotony:
ANDRIAMIARISOA TIANA Lalao Ben’ny Tanana commune rurale de Tsiafahy |
Change at the household level | Araka ny voalazako dia vehivavy tsy mbola nanana fizakantena arabola aho teo aloha. -miasa aho, amimpifaliana no ahafahako mijorovavolomblona fa ny ezaka izay nataoko SAHY dia Ilay vadiko izay tsy nanaiky mihitsy tamin’ny voalohany no ilay manampy ahy ato anaty fikambanako manao carnaval mandritra ny 16days iadiana amin’ny herisetra. Manana club mpanao art martiaux ihany ko izy ary mifanohana amin’ny hetsika rehetra momba ny miralenta izahay Fiovana teo amin’ny fitantanana ny fiainana. Nampidibola ary afaka nampiasa ny vola azo. Afaka nanenho hevitra amim-kahalalahana aho izao ato anaty tokatrano. |
Evidence of change at the household level | Tsy hitady lavitra aho fa indro ny vadiko sy ny zanako no mijoro vavolombelona voalohany indrindra satria izy ireo no mahita mivantana ny fiovana nisy teo ami’ny fiainanay. RAMANANTOANINA JACOBSON. MPITATITRA SADY MPAMPIANATRA Vadiko, indro sombiny amin’ny zavatra lazainy ahy matetika no averiko eto ‘Soa ihany aho fa nanaiky ny fanangananao ny fikambanana ary nanampy anao tamin’ny fananganana ity sekoly ity. maivamaivana na ny fitantanana ny vola ato antrano aza. ANkoatran’ny asa dia mbola afaka mifanampy amin’ny fivelomana isika . Misaotra ny GENDERLINKS, |
Change at institutional level | Manomeza porofo mivaingana toy ny ohatra na fehezanteny manaporofo avy amin’ny olon-kafa. Aza adino ny mametraka ny anarana sy fanampiny, ny andraikitra raha toa ka azo atao. .
Ramatoakely RAZANADRATSIMA ELISA Clairette. Sekreteran’ny fiangonana ao amin’ny orinasa iray ety an-toerana, sady mpikambana mavitrika amin’ny Miralenta no fintiniko eto ny fijorozana vavolombelona nataony. “Hatramin’ny nisian’ny hetsika MIRALENTA teto amin’ny commune Tsiafahy dia mahafinaritra ary mampihetsipo tokoa ny mahita vehivavy mahasahy mandray andraikitra tsy eo anivon’ny fitondrana ety amin’ny commune ihany fa na dia eny anivon’ny fiangonana aza dia hita fa efa mihahita ny fanomezana andraikitra ho an’ny vehivavy. Mankasitraka ny Genderlinks nampahafantatra tety amin’ny commune ny fampahefana ny vehivavy. Misaotra ireo mpisehatra momba ny miralenta rehetra eto ami’ny commune naneho fa tsy ilay fanaka malemy ventiventesina ny vehivavy fa “VEHIVAVY MAHEFA,MANDRAY ANJARA AMIN’NY FAMPANDROSOANA” |
Evidence of change at institutional level | Manomeza porofo mivaingana toy ny ohatra na fehezanteny manaporofo avy amin’ny olon-kafa. Aza adino ny mametraka ny anarana sy fanampiny, ny andraikitra raha toa ka azo atao. .
Ramatoakely RAZANADRATSIMA ELISA Clairette. Sekreteran’ny fiangonana ao amin’ny orinasa iray ety an-toerana, sady mpikambana mavitrika amin’ny Miralenta no fintiniko eto ny fijorozana vavolombelona nataony. “Hatramin’ny nisian’ny hetsika MIRALENTA teto amin’ny commune Tsiafahy dia mahafinaritra ary mampihetsipo tokoa ny mahita vehivavy mahasahy mandray andraikitra tsy eo anivon’ny fitondrana ety amin’ny commune ihany fa na dia eny anivon’ny fiangonana aza dia hita fa efa mihahita ny fanomezana andraikitra ho an’ny vehivavy. Mankasitraka ny Genderlinks nampahafantatra tety amin’ny commune ny fampahefana ny vehivavy. Misaotra ireo mpisehatra momba ny miralenta rehetra eto ami’ny commune naneho fa tsy ilay fanaka malemy ventiventesina ny vehivavy fa “VEHIVAVY MAHEFA,MANDRAY ANJARA AMIN’NY FAMPANDROSOANA” |
Change at a policy level | TENA nanova zavatra betsaka teo amin’ny sehatra politika mihitsy ny miralenta. Ny fijoran’ny fikambanana maro samy hafa sy ireny hetsika atao marobe ireny dia nahatonga ny betsaka ho resy lahatra tokoa fa ny fampandraisana anjara ny vehivavy dia anisan’ny mampihena ny herisetar mahazo azy ireny. Ny vehivavy izay olona aloha voalohany indrindra ilay mendrika ny omena ny zony amin’ny fanapahakevitra rehetra. Raha ny tato ami’ny fikambanana izay natsangako manokana aloha dia vehivavy mandray andraikitra avokoa. Eo ihany koa ireo mpikambana lehilahy izay manampy aamin’ny ezaka rehetra ho amin’izay fampiharana ny miralenta izay sy ny ady ami’ny herisetra. Efa hita taratra fa tody any amin’ireo mpitondra isantsokajiny ny hafatra mombA NY miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ka dia hita misongadina araka izany koa ny vokany ety amin’ny fitantanana ny firenena ary ny fandraisna fepetr amin’ny fampiharana ny lalana ho an’ireo olona mandika lalana majhakasika ny heristra. Mbola mila ezaka be hatrany ihany ny fandresendahatra ireo lehilahy sasasantsany izay |
Evidence of change at a policy level | Porofo mivaingana ho alefako any amin’ny porofo moa ireo avy amin’ny mpitondra ety ifotony izay ho feheziko amin’ireto teny maromaro isan’isany ireto Mr Daniel RAZAFINDRABE CONSEILLER COMMUNAL Zava-dehibe tokoa ny famerimberenana ny mahakasika ny miralenta tato anatin’ny taona vitsivitsy izay satria na izahay tato anatin’ny mpanapakevitra aza nisy fiovana ara-toetsaina. ankoatra ny Miralenta moa dia nampahafantarina anay tato anatin’ny hetsika rehetra ny mahakasika ireo protocoles de la sadc izay tena mifandrindra amuin’y ezaka rehetra atao ety ifotony, fanatsarana ny fanabeazana, fametrahana ny miralenta ary ny ady amin’ny heristera. Eto dia tikao ny ankasitraka ndramatoa rakotozafy Solonotahina Francua satria dia nitondra fahaizamanao honay tety ifotony izy ary tena naova mihitsy ny politikampitondrana ny commune izany? zavaddehibe indrindra tao anatin’izany ny maha vehivbavy rahateo ny ben’ny tanana ka tena hita ny fivoarana tety amin’y commune. Misaotra ny Gender links ihany ka nampita fahaallana ho azy sy ny ekipany ka nahafahany nizara izany eto amin’ny conseil communal. |
Capacity building | DRAFITRA TSOTSOTRA -FAMPIANARANA,FANOFANANA tao anatin’izany ny fampahafantarana ny zo maha olona aloha. Fiofanana nataon’ny mpitarika: Asa notanterahana: niaraka niasa tamin’ny gender links sy ny Komity miralenta Tsiafahy, SE CNLS. MEN →Fampiofanana ireo mpikambana Asa notanterahana: Ireo mpikambana rehetra tao anatin’ireo fikambanana roa ireo izay ny 65%dia vehivavy tanora avokoa dia nampianarina momba ny miralenta, ny zo sy anjara tokony ho an’ny vehivavy sy ny ankizy..Nizarana prospectus sy boky kely fampahafantarana. →Fiaraha-miasa amin’ireo rehetra liana amin’ilay tetik’asa (fokontany, kominina , sekoly, onjam-peo tsy miankina IEC(information, education, communication) Asa notanterahana: Nidina teny anivon’ny fokontany 15 tao anatin’ny Commune Tsiafahy(centre d’excellence)nanentana sy nampahafantatra ny MIRALENTA, nizara boky kely, prospectus, nanao peta-drindrina maro samy hafa izay azo tany amin’ireo sampandraharaha miara-mientana andresena ny VIH SIDA. -Fanatanterahana fihetsiketsehana maro samy hafa ankalamanjana ampahafantarana ny tetik’asa sy ny votoatiny.(amin’ny alalan’ny sketch, tantara lalaovina an-dapihazo, hira, tononkalo, lalao,lalao ara-panatanjahantena fitaizambatana…). →Fidinana ifotony ijerena ireo tranga mpiseho matetika, FIFAMPIRESAHANA (causerie débats éducatives) famolavolana vahaolana, fanaovana tomban’ezaka (sondage direct sur terrain). Asa notanterhana: →Famokarana fandaharana amina radio |
Lessons learned and shared | Maro ny lesona azo tsoahina:santionany amin’izany ny hoe: – Vehivavy ny tenako, afaka mahavita zavatra tsara sy mahomby eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena eny manerana izao tontolo izao ihany koa.-Afaka manatanteraka fampandrosona aamn’ny alalan’ny ezaka vitany ny sarangan’olona rehetra raha tiana ny handroso. Tsy voatery ahazo tambikarama fa manao maimaim-poana. -Sarotra ny manatanteraka asa ao antin’ny fokontany 15 ato anaty commune fa noho ny fandavan-tenanireo mpikambana dia vita ny fanentanana rehetra ary efa eo ampahitana ny vokany ny rehetra. -Misy manakivy sy manakora fa ny masaka ao an-tsaina dia ny fandresena katsahana fatratra ho azo eo ihany koa ny fieritreretana fa isaky ny avy manao hetsika iray dia misy olona anjatony anarivony mihitsy aza no ahazo tombontsoa amin’izany, hiaina lavitry ny herisetra, Ho sambatra ny fianakaviana sy ny fiaraha monina lavitry ny tsindriazolena indrindra ho lavitry ny aretmandoza SIDA! ArY goavana indrindra amin’ireny ilay teny mamporisika ahy hoe NA SOMARY LAVITRA AZA NY LALANKALEHA HO FAMPANDROSOANA AN I MADAGASIKARA DIA AFAKA MANDRAY ANJARA AMIN IZANY AHO. TSY IZAHO IRERY FA AFAKA MANAMPY NY HAFA HANDRAY ANJARA BIRIKY AMIN4IZANY KOA AH AMIN’ny EZAKA REHETRA ATAOKO. |
Next Steps | Ho an’ny fikambanana tarihiko dia tombony lehibe ho ahy ny maha mpampianatra ahy sy ny fitanako andraikitra vitsivitsy manandanja ato anatiN’ny commune satria izany dia ahafahako mifanerasera amin’ny tanora maro, mpianatra, sy mpisehatra anatin’ny fandalana ny miralenta ka ahafahana -Suivie et évaluation ety ifotony, fanamafisana fahaiza’manaon;ny mpikambana teo aloha sy vaovao mba ahafan izy ireo ho lasa LEADER ihany koa any amin’ny faritra misy azy ireo, -Manohana ary mikarakara hetsika farafaharatsiny roa isan-taona ankoatran’ny HETSIKA 16 ANDRO MIADY AMIN’NY HERISTRA IZAY EFA ANATY PROGRAMANAY ETO AMIN’NY COMMUNE mba ho fanentanana hatrany ny amin’ny votoatin’ny tetikasa natao dia ny fampahfantarana sy fametrahana ny miralenta miainga ati amin’ny vondrombahoaka ifotony, ao anatin’izany ny fampianarana ny tanora sy ny ankizy ary indrindra indrindra ny mahakasika ny fahasalamana ara-nofo sy ara-pananahana sy ny zo momba izany. -eto ampitadiavana mpanohana sy mpiaramiombonanantoka hafa ka hitombo betsaka ny vokatra azo -hanangana site web manokana amin’ny anaran’ny fikambanako ka ahafahana MIZARA manerana faritra maro MANERANTANY ny tokony ho fantatra mahakasika ny miralenta,ny fanabeazana ARY NY ADY AMIN’ny herisetra |
GL Special Advisor @clowemorna opens the floor & breaks the ice in welcoming all the different grantees with their country's @WVLSouthAfrica Conference#GenderEqaulity#CSW69 pic.twitter.com/P9zDtXcIAy
— Gender Links (@GenderLinks) March 5, 2025