Madagascar: Tantely RAVOLOLOMBOAHANGY


Date: June 14, 2019
  • SHARE:

Name RAVOLOLOMBOAHANGY
Surname Tantely
Country Madagascar
Give a short history of the leader Nanomboka ny taona 2012 no niantsehatra teo amin’ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra;raha tonga taty ny Gender Links nampidritra ny kaominina ho centre d’excelence na ivon-toerana mendrika ivoizana ny miralenta,indrindra ny fitarihana ireo vehivavy handray anjara amin’ny fihariana sy ny fahafantarana ny zony izay marihina isan-taona toy ny 8 mars(andro manerantany ho any Vehivavy, 15 Mai (andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana ary 25 novambra hatramin’ny 10 desambra(daty manamarika ny fanambarana ampahibemaso ny zon’ny olombelona).
Nanomboka ny taona 2016 no nandray anjara tamin’ny fifaninana momba ny miralenta.
nantsoina ho vavolombelona matetika ho fijoroana fa afaka atao tsara ny mihoitra amin’ny fiainana na dia niharan’ny herisetra aza
tsy maintsy izaho hatrany no mitarika amin’ny fanentanana raha vao misy hetsika momba ny vehivavy sy fampandrosoana ao amin’ny kaominina.
Objectives TANJONA TRATRARIKO DIA:
– Fametrahana drafitra maty paika sy maharitra paikady sy iadiana amin’ny herisetra sy hampitoetra ny miralenta ka miainga amin’ny fiahiana sosialy avy any ifotony sy fandrindrana anatiny.
– Fametrahana fandrindrana anatiny eo amin’ny mpiara-miasa mba hampahomby kokoa ny asa;
– Fametrahana fandraisana an-tànana ny olana ara-sosialy eny ifotony.;
 fametrahana ho laharam-pahamehana ny lafiny ara-sosialy eo anivon’ny kaominina. Izay miainga amin ny fiaraha-miasa amin’ ny mpiara-miombon’antoka rehetra.
 Mba hisian’ny fiahiana ara-sosialy maharitra apetraka amin’ny alalan’ireo tambazotra (reseautage) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro.
Key activities Raha fintinina dia toy izao:
– Fanentanana sy fampiofanana ireo vehivavy marefo mba ho afaka hizakatena ara-pivelomana.
– Fandraisana an-tanana manokana ireo vehivavy na tovovavy niharan’ny herisetra
– Fampiofanana ireo teknikam-pamokarana hahazahoana vola hameloman-tena izay fiofanana azo tany amin’ireo mpiara-miombonantoka dia hampita sy zaraiana.
– fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana isan-karazany mitovy fijery sy firehin-kevitra
-lasa mpanentana ara-tsosialy amin’ny lafiny rehetra na fahasalamana na ara-toe-karena eny hatramin’ny fifidianana aza.
Key challenges hena-maso satria mahamenatra izany hoe miahy zaza tsy misy ray
-Ny fahatahorana ny fianakaviana sy ny mpiaraha monina
Tsy fahampian’ny olona mandray an-tànana ireo olona manana olana ara-tsosialy eny ifotony;
-Ny toerana saro-dàlana sy lavitra renivohitra;matetika anefa any amin’ireny toerana ireny no tena manjaka ny herisetra;indrindra ny route RN7
-FANAMBY:
Mba ho foana ny karazana herisetra misy mpiavin’ny taona 2030
Fampitomboana ireo toeram-pandraisana an-tanana
Fanamafisana ny tambazotra efa misy mba hahomby kokoa:ny tambazotra miaro ny ankizy sy ny vehivavy.

Results

Change at the individual level Eny nanova ny fiainako ny fanatanterahana ny asa. Tsapako fa alohan’ny fanentanana sy alohan’ny hitarika olona hiasa dia tsy maintsy mandresy lahatra ny tenako aho aloha ka izany no nahatonga ahy maodely momba ny fihoarana eo amin’ny fiainana
Nampiova ny fijeriko sy mitondra fahasahiana be ho ahyny fahafantarana ny MIRALENTA ka nahatonga ahy mipetraka amin’ny toeran’ny hafa hatrany. ao an-tokatrano, ao am-piasana dia resahina matetika ny fiainan’ny fiara-hamonina ka andraisana tsoa-kevitra hatrany.
nanampy ahy ny Gender Links, MINPOP, Pro Decid; MID, Première Dame, Maire Commune Bongatsara sy ireo mpampiofana isan-karazany rehetra
Evidence of change at the individual level -Première dame, sady ambasadaoro momba ny ady amin’ny herisetra sy ny fiarovana ny ankizy tsy ho bevohoka aloha loatra
-MINPOP
-Maire Commune Bongatsara
-DIRECTRICE GENDER Links
Chef CSBII
CHef de fokontany
Monsieur RIVO mpampiofana Gender Links
CED .
Change at the household level Sahy miatrika olana ary lasa ametrahan’ny fianakaviana fitokisana rehefa misy ny zavatra atao.
-Sahy mizara tsiambaratelo amin’ny amin-janaka ary tia mizara andraikitra amin’izy ireo;
-Tia midinika miaraka amin’ny ankohonana ary miara-manapa-kevitra.
-Nahataona ny ankohonana hahay mihaino sy mipetraka amin’ny toeran’ny hafa ary mampihatra ny miralenta.
-Mahay mifehy ny fahatezerana
-Lasa tsy tia korotana sy disadisa
-Mahatsiaro fifaliana ny zanaka rehefa miditra ny tokatrano
-milamina ny ara-pivelomana na dia tsy misy lehilahy aza
-lasa fitaratra eo amin’ny fianakaviana noho ireo fiovana nisy.
Evidence of change at the household level Chef CSBII
CHef de fokontany
Monsieur RIVO mpampiofana Gender Links
CED .
Ben’ny tanàna kaominina Bongatsara
première Dame sady ambasadoran’ny ady amin’ny herisetra sady filohan’ny fikambanana fitia ramatoa Mialy Rajoelina
Change at institutional level n’ny tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Bongatsara dia:
ilaiko amin’ny fampandrosoaana ny vehivavy ny fisian’ny olona ohatry ny Tantely eny amin’ny fiaraha-monina ka maso sy sofiko ary tanako eny ifotony.
-Monsieur Rivo mpampiofana
tena “driver of change mihitsy Tantely ka fanoitra atao faka tahaka hampandroso ny fiainan’ny vehivavy
-Ramatoa chef de CSBII Bongatsara, :tena ilaina tokoa ny vehivavy mandray andraikitra amin’ny sehatra rehetra ka tokony ho polyvalent ohatry i Tantely.
Ny vehivavy no maha toy izao ny olona iray ka tokony homena lanja.
-Ramatoa Mialy Rajoelina vadin’ny Filoham-pirenena; hoentiko atao maodely sy hijoro vavolombelona ianao mba hanampy ireo vehivavy izay nianjadian’ny ehrisetra toa anao
Evidence of change at institutional level n’ny tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Bongatsara dia:
ilaiko amin’ny fampandrosoaana ny vehivavy ny fisian’ny olona ohatry ny Tantely eny amin’ny fiaraha-monina ka maso sy sofiko ary tanako eny ifotony.
-Monsieur Rivo mpampiofana
tena “driver of change mihitsy Tantely ka fanoitra atao faka tahaka hampandroso ny fiainan’ny vehivavy
-Ramatoa chef de CSBII Bongatsara, :tena ilaina tokoa ny vehivavy mandray andraikitra amin’ny sehatra rehetra ka tokony ho polyvalent ohatry i Tantely.
Ny vehivavy no maha toy izao ny olona iray ka tokony homena lanja.
-Ramatoa Mialy Rajoelina vadin’ny Filoham-pirenena; hoentiko atao maodely sy hijoro vavolombelona ianao mba hanampy ireo vehivavy izay nianjadian’ny ehrisetra toa anao
Change at a policy level Ankehitriny dia mahatsapa izahay fa efa miaina ny miralenta ny faritra misy anay satria hitanay taratra ny fisian’ny tsy fifanilihana amin’ireo samy mpitondra fa miara-miasa sy miara-misalahy amin’ny asa sahanina izy ireo eo anivon’ny kaominina Bongatsara .
Nisy fiatraikany taty amin’ny fiainan’ny fikambanana misy anay izany satria na dia tsy mitovy aza antoko politika misy azy ireo dia niara-mientana sy nifanampy tamin’ny fanatanterahana ny hetsika natao tamin’ny 08 Mars 2019 sy ireo hetsika rehetra ho fiadiana ny zon’olombelona.
mihasahy miditra birao ny vehivavy
taty amin’ny distrika misy anay dia hila hifanasaka ny mpilatsaka ho fidiana depiote ny lahy sy ny vavy
toa ny vehivavy tamin’ity no tena be mpifidy sy nadatsa-bato satria aho filohan’ny biarao fandatsaha-bato ka hitako izany.
raha oharina tamin’ny taona maromaro tany aloha dia niova ny fampiharana ny miralenta satria dia hita eny an-tsehatra ireo vehivavy militante miaro ny zony
Evidence of change at a policy level Mbola mampianatra ankizy tsy mahay mamaky teny sy manoratra hatramin’izao
Mampiofana ireo vehivavy marefo aram-pivelomana amin’ny fitantanana sy fahaiza-mitantana orinasa
mampiofana momba ny miralenta
Manamafy ny fahaiza-manao ireo mambra ao anaty fikambanana isan-karazany sady mapita traikefa
manampy ireo vehivavy niharan-ny herisetra amin’ny alalan’ny fiofanana fa afaka miahy tena izy ireo’entrepreneurship
Fampiofanana fambolena sy fiompiana
fampiofanana fitantanana fako hitsinjovana ny tontolo iainanana
Fampiofanana ny fahaiza-mitantana ao anaty fikambanana
Capacity building -mila sahy mijoro hatrany na dia mafy aza ny fiatrehana ny fampanjakana ny miralenta satria tontolo hanjakan’ny fanavakavahana ny tontolo misy
tokony hanaraka tsy tapaka fiofanana ny vehivavy raha te ho hahaleo tena hitondra fampandrosoana fa ao anaty fiofanana ihany no mampivoatra ka hampandroso sy hananana fahasahiana fa tsy ho vesatra hoamin ‘ny fiaraha-monina
-Raha amin’ny lafiny fampandrosoana eto amin’ny firenena dia tena ilaina ny fametrahana ny fiahiana ara-tsosialy ho laharam-pahamehana ary tokony tsy hisy vahoaka tsy hahita ny hohaniny sy ny hotafiany ary ny hialofany . Tokony olana hafa mahakasika ny isam-batan’olona no vahan’izy tompon-tena fa tsy resaka herisetra sy hanoanana. Ny lesona azo tsoahina dia ny hoe raha samy mahatsapa ho tompon’andraikitra amin’ny asa sy andraikitra tandrify azy avokoa na ny mpitondra na ny entina dia haingana ny fandrosoana. Izany no mahatonga ny fanentanana atao mba samy tsy ho tompotrano mihono avokoa ny olona tsirairay.
Na eo aza anefa ny fanentanana sy ny fampiofanana isankarazany notanterahina dia tsy mbola ampy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy.
Mila ny miara-mientana lahy sy ny vavy amin’ny ady amin’ny herisetra sy ny fametrahana ny miralenta, ary tsy ijerena saranga izany na ijerena fahefana na fomba amam-panao akory aza sns.
Lessons learned and shared -mila sahy mijoro hatrany na dia mafy aza ny fiatrehana ny fampanjakana ny miralenta satria tontolo hanjakan’ny fanavakavahana ny tontolo misy
tokony hanaraka tsy tapaka fiofanana ny vehivavy raha te ho hahaleo tena hitondra fampandrosoana fa ao anaty fiofanana ihany no mampivoatra ka hampandroso sy hananana fahasahiana fa tsy ho vesatra hoamin ‘ny fiaraha-monina
-Raha amin’ny lafiny fampandrosoana eto amin’ny firenena dia tena ilaina ny fametrahana ny fiahiana ara-tsosialy ho laharam-pahamehana ary tokony tsy hisy vahoaka tsy hahita ny hohaniny sy ny hotafiany ary ny hialofany . Tokony olana hafa mahakasika ny isam-batan’olona no vahan’izy tompon-tena fa tsy resaka herisetra sy hanoanana. Ny lesona azo tsoahina dia ny hoe raha samy mahatsapa ho tompon’andraikitra amin’ny asa sy andraikitra tandrify azy avokoa na ny mpitondra na ny entina dia haingana ny fandrosoana. Izany no mahatonga ny fanentanana atao mba samy tsy ho tompotrano mihono avokoa ny olona tsirairay.
Na eo aza anefa ny fanentanana sy ny fampiofanana isankarazany notanterahina dia tsy mbola ampy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy.
Mila ny miara-mientana lahy sy ny vavy amin’ny ady amin’ny herisetra sy ny fametrahana ny miralenta, ary tsy ijerena saranga izany na ijerena fahefana na fomba amam-panao akory aza sns.
Next Steps Fanohizana ny fiofanana arak’asa izay efa natao teo aloha ary fanitarana izany mipaka hatrany amin’ireo fokontany manodidina ary manenika ny kaominina iray manontolo.
Fandresen-dahatra ireo olom-panjakana sy ireo mpiara miombon antoka ary ny filoham-pokontany noho miakatra mba hametraka rafitra sosialy ho lahara-pahamehana ka hampiditra ireo vehivavy ho isan’izay mivoy izany ka hisy ny fitsinjaram-pahefana.
Voizina isam-pokontany ihany koa ny resaka fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra na amin’ny lafin’ny ara-tontolo iainana izany na amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana ka hisy ny fifaninanana isa-pokontany.
fanatrarana ireo tanjon’ny taona 2030 sy ny Agenda 2063 momba ny fampnjakana ny zon’ny vehivavy
fanatrarana ireo tanjona amin’ny fanafoanana ny herisetra
fanatrarana ireo tanjona momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fadim-bolan’ny vehivavy
fampigetsehana ireo ratsa-mangaika rehetra amin’ny ady atao amin’ny fanambadiana aloha loatra